Ny Salamo
Toko faha-76
3 Ao Salema ny tabernaklany, ary ao Siona ny fonenany.4 Teo izy no nanapatapaka ny tsipìka manelatra, ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady. - Selà.
5 Mamirapiratra hianao, eo amin'ny fiandriananao, eo an-tendrombohitra iantorahanao amin'ny rembinao.
6 Voababo ireo malaza be herim-po; renoky ny torimasony izy ireo, tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.
7 Vao nanambana hianao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.
8 Eny, mahatahotra hianao! Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!
9 Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon'ny lanitra hianao; nihorohoro sy nangina ny tany,
10 nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin'ny tany. - Selà.
11 Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona, sy ny sisam-pahatezerany.
12 Manaova voady hianareo, ka efao amin'ny Tompo Andriamanitra izany, aoka hitondra fanatitra ho an'Andriamanitra mahatahotra, izay rehetra manodidina azy.
13 Manongana ny reharehan'ny manam-pahefana izy, ary mahatahotra ny mpanjakan'ny tany.
Toko faha-77
1 Ho an'ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon'i Asafa.2 Miakatra ho any amin'Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; Miakatra ho any amin'Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie izy.
3 Mitady ny Tompo, amin'ny andron'ny fahoriako aho; manandra-tànana tsy mety vizana aho, nony alina; lavin'ny fanahiko avokoa ny fampiononana.
4 Mahatsiaro an'Andriamanitra aho, dia misento; mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko. - Selà.
5 Hazoninao misokatra ny hodi-masoko; ary tsy mahateny aho, azon'ny tebitebiko;
6 ka eritreretiko izany andro taloha, mbamin'ny taona fahizany.
7 Tsaroako ny hirako tamin'ny alina; dia mandinidinika ao am-poko aho, ary hoy ny fanontanian'ny saiko:
8 Dia hanary mandrakizay ve ny Tompo, dia tsy hankasitraka intsony ve izy?
9 Tapitra mandrakizay va ny famindram-pony? Tapaka teo va ny fampanantenany momba ny taona ho avy?
10 Hadinon'Andriamanitra va ny famindram-pony: Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà.
11 Hoy aho: Izao no dia mankararirary ahy: niova ny tànana ankavanan'Andriamanitra!
12 Te-hampahatsiaro ny asan'ny Tompo aho fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny.
13 Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.
14 Andriamanitra ô, masina ny làlanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.
15 Hianao no Andriamanitra mahavita fahagagana, naneho ny herinao tamin'ny firenena hianao.
16 Navotanao tamin'ny sandrinao ny vahoakanao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa. - Selà.
17 Nahita anao ny rano, ry Andriamanitra ô, nahita anao ny rano dia nangovitra; nihovitrovitra ny hantsana.
18 Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon'ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao.
19 Nanakoako tao amin'ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihorin-koditra sy nihorohoro ny tany.
20 Làlana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dàlana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.
21 Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, hianao tamin'ny tànan'i Moizy sy Aarona.
Toko faha-78
1 Fihirana nataon'i Asafa. Henoy ny fampianarako, ry vahoakako, atongilano amin'ny tenin'ny vavako, ny sofinao.2 Hiloa-bava hilaza oha-teny aho, hamoaka ny zava-miafina tamin'ny fahataloha aho.
3 Izay efa renay sy nianaranay, izay efa nambaran'ny razantsika taminay,
4 dia tsy mba afeninay amin'ny zanany. Fa holazainay amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'ny Tompo, mbamin'ny heriny amam-pahagagana nataony.
5 Nametraka fitsipika teo amin'i Jakoba izy, nanisy lalàna amin'Israely; ka ny razantsika nasainy hampianatra izany amin'ny zanany,
6 mba ho fantatry ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka sy hiposaka, ka hotantarain'izy ireo indray izany, amin'izay zanany.
7 Amin'izany dia hametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy, tsy hohadinoiny ny asan'Andriamanitra, sy hotandremany ny didiny;
8 dia tsy hanahaka ny razany izay taranaka maditra sy miodina, taranaka manana fo mivadibadika, sy fanahy tsy miraikitra amin'Andriamanitra.
9 Ireo taranak'i Efraima, mpandefa tsipìka mahay, dia niamboho tamin'ny andro niadiana;
10 tsy nitandrina ny faneken'Andriamanitra, nandà tsy handeha araka ny lalàny,
11 nanadino ny zava-mahagaga nasehony azy ireo.
12 Dia nanao fahagagana teo anatrehan'ny razany izy, tany amin'ny tany Ejipta, tao an-tsahan'i Tanisa,
13 nampisaraka ny ranomasina hampandehanany azy ireo; nitana ny rano mitsangana toy ny antontan-javatra miavosa.
14 Nitarika azy tamin'ny rahona nony andro, ary tamin'ny afo mazava mandritra ny alina.
15 Namaky ny vatolampy tany an'efitra, dia nomeny hosotroiny toy ny rano migorodana.
16 Nampiboiboika sakeli-drano tamin'ny vatolampy izy, dia nampandeha rano mandriaka be.
17 Nefa izy ireo mbola nanohy ny nanota taminy, sy nikomy tamin'ny Avo indrindra tany an'efitra.
18 Naka fanahy an'Andriamanitra tao am-pony izy ireo, nangataka hanina araka ny fitsiriritany.