Ny Salamo
Toko faha-78
19 Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy nanao hoe: Hahavoatra latabatra atý an'efitra va Andriamanitra?20 Indro efa nikapoka ny vatolampy izy dia nandeha ny rano, ary nibosasaka ny ranon-driaka; ho azony atao koa va ny manome mofo na manome hena ho an'ny vahoakany?
21 Nahare izany Iaveh ka tezitra, ka nisy afo nirehitra namely an'i Jakoba, ary nisy hatezerana nipoitra namely an'Israely,
22 satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo, ary tsy natoky ny famonjeny.
23 Kanefa nandidy ny rahona any ambony izy, ary nanokatra ny varavaran'ny lanitra.
24 Nandatsaka mana teny aminy hamelona azy izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
25 Dia samy nihinana ny mofon'ny mahery izy; nandefa hanina taminy izy, ka nataony voky izy ireo.
26 Nampifofofofo ny rivotra avy atsinanana teny an-danitra izy, nitarika ny rivotra avy atsimo tamin'ny heriny izy;
27 dia nandatsaka hena, toy ny vovoka, teny aminy, sy vorona manana elatra hoatry ny fasiky ny ranomasina.
28 Nalatsany teny afovoan'ny tobiny ireny manodidina ny lainy.
29 Dia nihinana izy ireo, ka nivoky loatra; nomen'Andriamanitra azy izay niriny.
30 Raha mbola tsy nanarana ny fahalianany izy ireo, sady mbola teo am-bavany ny haniny,
31 dia nihatra tamin'izy ireo ny hatezeran'Andriamanitra; nojanjanany ho faty ireo nivoky indrindra, naripany koa ny zatovolahin'Israely.
32 Taorian'izany rehetra izany, mbola nanota ihany izy ireo, ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33 Ka nataony levona toy ny fofon'aina ny androny, ary notaperiny tampoka ny taonany.
34 Nony nasiany tamin'ny fahafatesana izy ireo vao nitady azy, niverina izy ka dodona hahita an'Andriamanitra indray;
35 nahatsiaro fa Andriamanitra no vatolampiny, ary ny Avo indrindra no mpanavotra azy.
36 Kanjo namitaka azy tamin'ny teniny izy ireo, ary nandainga taminy ny lelany;
37 fa ny fony tsy mba niorina taminy; izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.
38 Mamindra fo anefa izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
39 Notsarovany fa izy ireo dia nofo ihany, fofon'aina mandalo dia tsy miverina intsony.
40 Impiry akory moa izy ireo no niodina taminy tany an'efitra, nampahatezitra azy tany amin'ny tany mangingina!
41 Naka fanahy an'Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo, ary nihatsy an'ilay Masin'Israely!
42 Tsy tsaroany intsony ny heriny, ny andro nanafahany azy tamin'ny mpampahory,
43 izay nanehoany ny fahagagany tany Ejipta, ny asany mahagaga tany an-tsahan'i Tanisa.
44 Nanova ny oniny ho ra izy, ka tsy azony nosotroina ny reniranony.
45 Nalefany hamely azy ireo ny moka izay nihinana azy, ary ny sahona izay nahafaty azy.
46 Natolony ho an'ny valala ny vokatry ny taniny, dia ho an'ireny andiany marobe, ny vokatry ny asany.
47 Nolevoniny tamin'ny havandra ny voalobony, ary tamin'ny vongan-kavandra ny aviaviny.
48 Nafoiny ho an'ny havandra ny biby fiompiny, ary hoasian'ny varatra ny andiam-bibiny.
49 Nalefany hamely azy ny afon'ny fahatezerany, dia ny fahavinirana, fisafoahana, ary fampahoriana, tafik'anjely mitondra loza avokoa.
50 Nanampatra ny fahatezerany rehetra izy, ka tsy namonjy ny fanahin'izy ireo tamin'ny fahatatesana, nanolotra ny ain'izy ireo tamin'ny fandringanana.
51 Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta izy, dia ny santatry ny fahatanjahana tao an-dain'i Kama.
52 Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany, nentiny tany an'efitra toy ny andiam-biby fiompy.
53 Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra, ary ny fahavalony kosa natelin'ny ranomasina.
54 Nentiny izy ho tonga hatrany an-tsisin-taniny masina, hatrany an-tendrombohitra azon'ny tànany ankavanana.
55 Noroahiny teo anatrehan'izy ireo ny firenena, dia nozarainy ho azy ireo tamin'ny filokana ny zara lovany, ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon'Israely.
56 Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an'Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny.
57 Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo, nibirioka toy ny tsipìka mandainga.
58 Nampahatezitra azy, tamin'ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro azy, tamin'ny sampiny.
59 Tezitra Andriamanitra nandre izany, tonga tsy tiany mainty Israely.
60 Tsy nankasitrahany ny fonenana tao Silao, dia ny lay izay nonenany tao amin'ny olombelona.
61 natolony ho babo ny heriny; ary ho eo an-tanan'ny fahavalo ny fiandrianany.
62 Nafoiny ho an'ny sabatra ny vahoakany, ka tezitra tamin'ny lovany izy.
63 Nolevonin'ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.
64 Lavon'ny sabatra ny mpisorony, ary tsy nigogogogo ny mpitondratena tany aminy.
65 Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo, sahala amin'ny mpiady mahery leon-divay.
66 Dia nasiany avy eo aoriana ny fahavalony, ka nataony afa-baraka mandrakizay.
67 Tsy tiany kosa anefa ny lain'i Josefa, ary nariany ny fokon'i Efraima.
68 Fa ny fokon'i Jodà no nofidiny, dia ny tendrombohitr'i Siona izay efa tiany.