Ny Salamo
Toko faha-78
69 Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.70 Nifidy an'i Davida mpanompony izy, ary nanesotra azy any am-balan'ny ondry;
71 naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an'i Jakoba vahoakany, sy Isarely lovany.
72 Dia nitarika azy araka ny fahitsian'ny fony, Davida, ary nitondra azy tamin'ny tànana kinga.
Toko faha-79
1 Salamon'i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan'ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; Jerosalema nataony ho korontam-bato;2 Ny fatin'ny mpanomponao, natolony hohanin'ny voromanidina, ary ny nofon'ny mpino anao ho an'ny bibin'ny tany.
3 Nataony nandriaka, hoatra ny rano, ny rany, manodidina an'i Jerosalema, sady tsy nisy olona handevina azy ireo akory!
4 Tonga fandatsan'ny mpifanakaiky aminay izahay, sady fihomehy amam-paneson'ny manodidina anay.
5 Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo hianao, sy hirehetan'ny hatezeranao hoatra ny afo?
6 Amparo amin'ny firenena tsy mahalala anao ny hatezeranao, sy amin'ny fanjakana tsy miantso ny anaranao.
7 Fa ireny no efa nandany an'i Jakoba, sy nandrava ny fonenany.
8 Aza dia tsarovana aminay ny heloky ny razanay, ary aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao, fa mihoa-pampana ny fahorianay.
9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, noho ny voninahitry ny anaranao, afaho izahay, ary avelao ny helokay, noho ny anaranao.
10 Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: Aiza izay Andriamanitr'izy ireo? aoka ho fantatra eo amin'ny firenena sy ho hitanay maso, ny valim-bonoana hamalianao ny fandatsahana ny ran'ny mpanomponao.
11 Aoka hiakatra hatrany aminao ny fitarainan'ny voababo, vonjeo araka ny herin-tsandrinao ireo efa mila ho faty.
12 Azerao impito eo an-tratran'ireo mifanila toerana aminay, ny fanaratsiana nafitsony anao, Tompo ô!
13 Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin'ny tanim-bilonao kosa, dia hanome voninahitra anao mandrakizay; hitory ny fiderana anao amin'ny taona mifandimby.
Toko faha-80
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Lisin'ny vavolombelona. Salamon'i Asafa.2 Ry mpiandry an'Israely ô, mihainoa! hianao izay mitondra an'i Josefa toy ny andian'ondry, hianao izay mipetraka eo amin'ny Kerobima, misehoa amin'ny voninahitrao.
3 Eo anoloan'i Efraima, Benjamina, Manase, fohazy ny herinao, ka avia hamonjy anay.
4 Ry Andriamanitra ô, ampodio izahay amin'ny toetra taloha; ampamirapirato ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
5 Ry Iaveh Andriamanitry ny tafika, mandra-pahoviana no mbola ho tezitra amin'ny fivavahan'ny vahoakanao hianao?
6 Efa novelominao tamin'ny mofon-dranomaso izy, ary efa nampisotroinao ranomaso havozona.
7 Efa nataonao ho fifandiran'ireo mifanila toerana aminay izahay; ka efa ihomehezan'ny fahavalonay izahay.
8 Ry Andriamanitry ny tafika o, ampodio amin'ny toetra taloha izahay, ampamirapirato ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
9 Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena hianao, hambolenao azy.
10 Nataonao malalaka ny fitoerana eo anoloany, dia namaka lalina sy nameno ny tany izy.
11 Ka nanarona ny tendrombohitra ny alokalony, nanarona ny sederan'Andriamanitra ny sampany;
12 nisandrahaka hatrany amin'ny Ranomasina ny rantsany, ary hatrany amin'ny Ony ny sakeliny.
13 Nahoana no dia noravanao ny fefiny, ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa?
14 Ny lambo avy any an'ala mandrapaka azy; ary ny biby any an-tsaha manao azy ho fihinany.
15 Ry Andriamanitry ny tafika, miverena, mitsinjova eny an-danitra, ary jereo, ka diniho ity voaloboka!
16 Arovy izay nambolen'ny tànanao ankavanana, sy ny zanaka izay nofidinao ho anao!...
17 Main'ny afo izy, sady voakapa; levona avokoa izay handrinin'ny tavanao.
18 Aoka ny tànanao ho amin'ny olon'ny tànanao ankavanana, amin'ny zanaky ny olona nofidinao ho anao.
19 Dia tsy hanohitra anao intsony izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao.
20 Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, ampodio amin'ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
Toko faha-81
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiana. Nataon'i Asafa.2 Ataovy hira fifaliana ho fankalazana an'Andriamanitra herintsika. Manaova hobim-pifaliana ho fankalazana an'Andriamanitr'i Jakoba!
3 Miventesa hira arahim-peon'ny ampongatapaka, sy harpa mireondreona mbamin'ny valiha.
4 Tsofy ny anjomara amin'ny tsinam-bolana, amin'ny andro fenomanana, amin'ny andro fetintsika.
5 Fa didy ho an'Israely izany; fitsipika avy amin'Andriamanitr'i Jakoba.
6 Nataony lalàna ho an'i Josefa fony izy nandeha namely ny tany Ejipta. Mandre feo tsy fantatra aho:
7 Nanala entana ny sorony aho, dia nitsahatra tsy nitondra sobika, ny tànany.
8 Niantso tao anatin'ny fahoriana hianao dia novonjeko, namaly anao tao anatin'ny rahona mitondra ranonoram-baratra aho, nizaha toetra anao, tao amin'ny ranon'i Meribà aho. - Selà.
9 Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao; enga ka hihaino ahy hianao, ry Israely.
10 Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
11 Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta. Sokafy ny vavanao dia hofenoiko.
12 Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nankatò ahy Israely.
13 Ka navelako izy hanaraka ny ditran'ny fony dia nanaraka izay saim-pantany izy.