Ny Salamo

Toko faha-81

14 Eh! raha mba mihaino ny feoko ny vahoakako, raha mba mandeha amin'ny làlako Israely!...

15 Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony, hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako.

16 Hidera azy ry zareo mankahala an'ny Tompo, ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan'Israely.

17 Vary tsara indrindra no hamelomako azy, ary tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako azy.

Toko faha-82

1 Fihirana nataon'i Asafa. Eo amin'ny fiangonan'ny Tsitoha. Andriamanitra; namoaka ny teniny eo afovoan'ireo andriamanitra izy:

2 Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsarana tsy marina? - Selà .

3 Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty, omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo.

4 Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana, afaho amin'ny tànan'ny ratsy fanahy izy.

5 Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny, fa mandeha amin'ny maizina; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.

6 Hoy aho: andriamanitra hianareo, zanaky ny Avo indrindra avokoa hianareo.

7 Kanefa ho faty tahaka ny olona ihany hianareo; ho lavo tahaka izay andriandahy na iza na iza.

8 Mitsangàna, ry Andriamanitra ô, tsarao ny tany, fa anao ny firenena rehetra.

Toko faha-83

1 Fihirana. Salamon'i Asafa.

2 Ry Andriamanitra 6ocirc;, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!

3 Fa indreo mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao, misolanandrana ery izay mankahala anao.

4 Mamoron-tsaina hamandrihana ny vahoakanao izy, miara-mioko hamely ny olona arovanao.

5 Andao, hoy izy, hofongorantsika eo amin'ny firenena izy ireo, ka aoka tsy hotononina intsony ny anarana hoe Israely.

6 Miray fo avokoa izy rehetra mioko, manao fanekena hanohitra anao izy,

7 dia ny lain'i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba sy ny Agareniana,

8 Gebala, Amona ary Amaleka, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tira;

9 Asora koa mikambana amin'izy ireo, ka manampy ny taranak'i Lota. - Selà.

10 Ataovy tahaka an'i Madiana ireo, tahaka an'i Sisara, mbamin'i Jabina teo amin'ny ranon'i Sisona.

11 Ripaka tao Andora izy, ka tonga zeziky ny tany.

12 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny lehiben'izy ireo, ary tahaka an'i Zebea sy Salmana ny andriandahy rehetra aminy.

13 Fa hoy izy: Aoka halaintsika ho antsika, ireo fonenan'Andriamanitra!

14 Ry Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, tahaka ny mololo entin'ny rivotra!

15 Tahaka ny afo mandevona ny ala, tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;

16 tahaka izany no anenjeho azy amin'ny tadionao; ampitahory azy amin'ny tafio-drivotrao.

17 Safory henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, ry Iaveh!

18 Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon'ny fandringanana.

19 Aoka ho fantany fa hianao - dia Iaveh no anaranao, - hianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin'ny tany rehetra!

Toko faha-84

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiena. Salamon'ny zanak'i Kore.

2 Mahate-hotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn'ny tafika!

3 Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan'ny Tompo; mientana ho amin'Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.

4 Ny fody aza mahita fonenana, ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany; ny otelinao, ry Iavehn'ny tafika, ry mpanjakako sy Andriamanitro!

5 Sambatra izay monina ao an-tranonao! Mbola mahazo midera anao izy ireo! - Selà.

6 Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao; tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy.

7 Raha mamaky ny lohasahan-dranomaso izy, ovany ho fitoerana feno loharano izany, ary ny ranonoram-pararano mandrotsaka fanambinana aminy.

8 Mitombo hery eny am-pandehanana izy, ary miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Siona;

9 Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô, hoy izy, henoy ny fivavahako, mandrenesa, ry Andriamanitr'i Jakoba! - Selà.

10 Hianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan'ilay Voahosotrao!

11 Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran'ny tranon'ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain'ny ratsy fanahy.

12 Fa masoandro aman'ampinga, Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an'izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny.

13 Ry Iavehn'ny tafika, sambatra izay olona mitoky aminao!

Toko faha-85

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ny zanak'i Kore.

2 Ry Iaveh ô, efa nanambina ny taninao hianao, nampody ireo voababo teo amin'i Jakoba;

3 namela ny heloky ny vahoakanao, nanarona ny fahotany rehetra; - Selà.

4 najanonao ny hatezeranao rehetra, nalanao ny hatezeranao mirehitra.

5 Ampodio indray amin'ny toetranay taloha izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô; atsaharo ny hatezeranao aminay.

6 Dia ho tezitra mandrakizay aminay va hianao? dia hampaharetanao mandrakizay va ny haviniranao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2917