Ny Salamo
Toko faha-85
7 Tsy hovelominao indray va izahay, mba hifalian'ny vahoakanao aminao?8 Ry Iaveh, asehoy anay ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjenao.
9 Te-hihaino izay holazain'ny Tompo Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an'ny vahoakany sy ny mpino azy izy, raha tahiny tsy miverina amin'ny fahadalany indray izy ireo. -
10 Eny, akaiky an'izay matahotra azy ny famonjeny, ary hitoetra amin'ny tanintsika indray ny voninahitra.
11 Efa hihaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, hifandray tànana ny rariny sy ny fihavanana.
12 Hitsimoka amin'ny tany, ny fahamarinana, ary hitsinjo ny rariny any ambonin'ny lanitra.
13 Tenan'ny Tompo no hanome ny soa rehetra ka hahavokatra ny vokany ny tanintsika.
14 Handeha eo alohany ny rariny, sy hanoritra làlana hodiaviny.
Toko faha-86
1 Vavak'i Davida. Mandrenesa, ry Iaveh, ekeo vavaka aho, fa ory sy mahantra aho.2 Arovy ny fanahiko, fa tia vavaka aho, vonjeo ny mpanomponao, ry Andriamanitra ô; fa hianao no ametrahany ny fitokiany!
3 Mamindra fo amiko, Tompo ô, fa mitaraina aminao, manontolo andro, aho!
4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
5 Satria tsara fo sy miantra hianao, Tompo, ary feno indrafo ho an'izay rehetra miantso anao.
6 Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, henoy tsara ny feon'ny fitarainako.
7 Miantso anao amin'ny andron'ny fahoriako, aho, ka hamaly vavaka ahy, hianao.
8 Tsy misy toa anao eo amin'ireo andriamanitra, tsy misy mahatahaka ny asanao, ry Tompo.
9 Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny anaranao.
10 Fa lehibe sy mahavita fahagagana hianao, hianao irery no Andriamanitra.
11 Ampianaro ny làlanao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin'ny fahitsiana! Araiketo amin'ny fahatahorana anao ny foko.
12 Hidera anao amin'ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitro ô, ary hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay.
13 Fa lehibe ny hatsaram-ponao amiko, notsoahanao tany amin'ny seoly ny fanahiko.
14 Andriamanitra ô, mitsangan-kamely ahy ny mpiavonavona, mitady ny aiko ny antokon'olona mpanao an-keriny, ka tsy asiany raharaha akory hianao.
15 Fa hianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
16 Mitodiha aty amiko, ka amindrao fo aho; omeo ny herinao ny mpanomponao; ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
17 Aharihario ny indrafonao amiko, ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra! Fa hianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.
Toko faha-87
1 Salamon'ny zanak'i Kore. Fihirana. Nanorina azy teo an-tendrombohitra masina izy.2 Ny vavahadin'i Siona dia tian'ny Tompo, mihoatra noho ny fonenan'i Jakoba rehetra.
3 Zava-malaza maro no voatantara momba anao ry tanànan'Andriamanitra. - Selà.
4 Amin'ireo mahalala ahy hotononiko Rahaba sy Babilona; indreo koa ny Filistina sy Tira mbamin'i Etiopia: tao ireo no teraka.
5 Ary izao no hilazan'ny olona an'i Siona: Samy teraka tao aminy itý sy irý: dia izy, ny Avo Indrindra, no nanorina azy.
6 Izao no hosoratan'ny Tompo amin'ny fanisam-bahoaka: Teraka tao ity. -Selà.
7 Ny mpihira sy mpitendry zava-maneno, hanao hoe: Ao aminao ny loharanoko rehetra.
Toko faha-88
1 Fihirana. Salamon'ny zanak'i Kore. Ho an'ny mpampianatra hira. Hiraina amin'ny feo mitaraina. Fihiranan'i Hemàna, Ezrahita,2 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy ô raha mitaraina eo anatrehanao amin'ny alina aho,
3 aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavahako, henoy ny fitarainako!
4 Fa vontom-pahoriana ny fanahiko, ary mipaka amin'ny Seoly ny aiko.
5 Natao anisan'izay midina any an-davaka aho, tahaka ny olona efa lany hery.
6 Tahaka ny nafoy eny amin'ny maty aho, tahaka ny faty miampatra ao am-pasana, izay efa tsy tsaroana intsony, sy efa voaesotra eo an-tànanao!
7 Natsipinao ho ao amin'ny vody lavaka aho, anatin'ny aizina sy ny hantsana.
8 Manindry ahy ny hatezeranao, azeranao amiko ny alon-dranonao rehetra. - Selà.
9 Nampanalavirinao ahy ny sakaizako; nataonao zavatra fankahalan'izy ireo aho. Voahiboka tsy afa-mivoaka aho.
10 Mihalevona azon'ny fijaliana ny masoko. Miantso anao tontolo andro aho, ry Tompo o, manandra-tanana aminao aho.
11 Ny maty va no hanaovanao fahagagana; sa ny ambiroa no hitsangan-kidera anao? - Selà.
12 Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao, ary any amin'ny hantsana, ny fahamarinanao?
13 Ho fantatra any amin'ny tanin'ny aizina va ny fahagaganao, ary any amin'ny tany fanadinoana, ny fahamarinanao?
14 Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô. Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako.
15 Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko hianao, sy manafina ny tavanao amiko?
16 Ory sy efa ho faty hatramin'ny fahatanorako aho, tsy fantatro izay hataoko, itambesaran'ny fampitahoranao.
17 Ny hatezeranao manafotra ahy, ny fampitahoranao mandreraka ahy.
18 Tahaka ny rano tondraka, dia manodidina ahy tontolo andro izany, miara-mitangorona amiko avokoa izany.