Ny Salamo
Toko faha-89
50 Aiza ny hatsaram-ponao fahiny, Tompo ô, izay nianiananao tamin'i Davida, tamin'ny fahamarinanao?51 Tsarovy, Tompo, ity latsa manjo ny mpanomponao, fa mitondra ato amin'ny tratrako ny faniratsiran'ny firenena aho;
52 dia ny faniratsiran'ny fahavalonao, ry Iaveh, faniratsirana nanoherany ny dia nandrosoan'ny Voahosotrao.
53 Isaorana mandrakizay anie Iaveh! Amena! Amena!
Toko faha-90
1 Vavak'i Moizy, olon'Andriamanitra. Tompo ô, hianao no aronay amin'ny taona rehetra mifandimby.2 Talohan'ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay hianao, ry Andriamanitra!
3 Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao, ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!
4 Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
5 Manindao azy toy ny nofy hianao; ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
6 mamony sy maniry izy ny maraina; fa malazo sy maina ny hariva.
7 Toy izany no andevonan'ny fahatezeranao anay, sy ampitahoran'ny fahaviniranao anay.
8 Apetrakao eo anoloanao ny helokay; ary eo amin'ny fahazavan'ny tavanao, ny fahadisoanay takona.
9 Azon'ny hatezeranao, dia foana avokoa ny andronay rehetra, hitanay mihelina toy ny feo malemy, ny taonanay.
10 Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara-fahabetsany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
11 Zovy no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao anao?
12 Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay, mba hahazoanay fo hendry.
13 Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?... Mamindrà fo amin'ny mpanomponao!
14 Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.
15 Ampifalio araka ny andro nampahorianao anay izahay, sy araka ny taona nahitanay loza.
16 Aoka hiharihary amin'ny mpanomponao ny asanao, mbamin'ny voninahitrao, ho an'ny taranany!
17 Ho aminay anie ny fanambinan'ny Tompo, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan'ny tànanay; Eny, hamafiso ny asan'ny tànanay!
Toko faha-91
1 Izay mialoka eo ambany fiarovan'ny Avo-Indrindra, miala sasatra eo amin'ny aloky ny Tsitoha.2 Hoy aho amin'ny Tompo: Hianao no trano mimandako sy fialofako. Andriamanitro izay itokiako.
3 Fa izy no manafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza, sy ny pesta mandoza.
4 Hanarona anao amin'ny elany izy, ary hahita fialofana ao ambany volon'elany, hianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
5 Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin'ny alina, na ny zana-tsipìka manidina amin'ny antoandro,
6 na ny pesta misoko anatin'ny aizina, na ny areti-mifindra, mandripaka amin'ny mitatao vovonana.
7 Na misy arivo lavo eo anilanao aza, sy iray alina eo ankavananao, hianao tsy mba ho tratra.
8 Hijery maso fotsiny hianao, ka hahita ny valy hanjo ny ratsy fanahy.
9 Fa hianao efa nilaza hoe: Fiarovana ahy hianao, ry Iaveh! Nanao ny Avo Indrindra ho fialofanao hianao.
10 Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.
11 Fa izy handidy ireo anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin'izay alehanao rehetra:
12 ka hivimbina anao eny an-tànany ireo, fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13 Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspika hianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin'ny dragona hianao.
14 Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny anarako izy.
15 Hiantso ahy izy, ary hamaly azy aho; homba azy amin'ny andron'ny fahoriana aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy aho.
16 Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.
Toko faha-92
1 Salamo. Fihirana fanao amin'ny andro sabata.2 Tsara ny midera an'ny Tompo, sy ny mankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
3 ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina, ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
4 amin'ny valiha tory folo, sy amin'ny lokanga, ary amin'ny fireondreon'ny harpa.
5 Mampifaly ahy amin'ny asanao hianao, ry Iaveh, ary mientana aho manoloana ny asan-tànanao.
6 Akory ity halehiben'ny asanao, ry Iaveh, akory izany halalin'izay fisainanao!
7 Ny olona kentrina tsy mahalala na inona na inona tamin'izany; ary ny adala tsy mahita mangirana amin'izany.
8 Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy, ka mandroso avokoa izay manao ratsy, dia ny mba horinganina mandrakizay.
9 Fa hianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.
10 Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy.
11 Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an'ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho.
12 Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
13 Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libana izy.