Ny Salamo

Toko faha-92

14 nambolena ao an-tranon'ny Tompo izy, dia hamony eo amin'ny kianjan'ny Andriamanitsika.

15 Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana,

16 mba hanambara fa marina Iaveh: izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.

Toko faha-93

1 Mpanjaka Iaveh, mitafy fiandrianana izy, mitafy Iaveh, misikina hery izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.

2 Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao, misy hatramin'ny mandrakizay hianao.

3 Ny ony, ry Iaveh, manandratra, ny ony manandratra ny feony, ny ony manandratra ny onjany mimamamama.

4 Mihoatra noho ny feon'ny ranobe, sy ny onjan-dranomasina mahery, dia be voninahitra Iaveh any amin'ny avo!

5 Tsy miova ny teny vavolombelonao, ny fahamasinana no mendrika ny tranonao; mandritra ny faharetan'ny andro rehetra, ry Iaveh ô!

Toko faha-94

1 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famaliana, ry Andriamanitry ny famaliana, misehoa!

2 Mitsangàna, ry mpitsara ny tany, valio, araka ny asany, ny mpiavonavona.

3 Mandra-pahoviana no handresen'ny ratsy fanahy?

4 Mandefa teny avonavona tsy erany izy, mirehareha avokoa ireo mpanao ratsy.

5 Iaveh ô, izy ireo dia manorotoro ny vahoakanao, mampahory ny lovanao,

6 mamono ny mpitondratena sy ny vahiny, mahafaty ny kamboty,

7 ka manao hoe: Tsy mijery akory Iaveh, tsy asian'Andriamantr'i Jakoba raharaha akory izany!

8 Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala! Rahoviana no mba hanana fahalalana hianareo, ry adala?

9 Tsy handre va ilay namboly ny sofina? Tsy hahita va ilay namorona ny maso?

10 Tsy hamay va ilay manasazy ny firenena? Tsy hahalala va, ilay manome saina ny olona?

11 Mahalala ny hevitry ny olombelona Iaveh, ary fantany fa zava-poana izany.

12 Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh, sady omenao fampianarana ny lalànao,

13 mba hanonenao azy amin'ny andron'ny fahoriana, mandra-pahavoahady ny lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14 Fa tsy hanary ny vahoakany Iaveh, tsy hahafoy ny lovany izy;

15 fa tsy maintsy hifanaraka amin'ny rariny indray ny fitsarana, ary hihoby amin'izany avokoa ny olona mahitsy fo.

16 Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy? Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?

17 Raha tsy Iaveh no vonjiko, dia halaky mitoetra any amin'ny fonenan'ny fahanginginana ny fanahiko.

18 Raha vao milaza aho hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia tohanan'ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!

19 Raha akorontan'ny ahiahy marobe ny saiko: Ampifalian'ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

20 Manam-pikambanana aminao akory va, ny fitsarana mandoza, izay manao ratsy, manaraka ny fomba fitsarana tsy ara-dalana?

21 Midodododo hamono aina ny marina izy ireo; ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.

22 Iaveh anefa no trano mimandako, ny Andriamanitro no vatolampy ialofako.

23 Hataony mifotitra amin'ireny ny helony; ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny: haringan'ny Tompo Andriamanitra izy!

Toko faha-95

1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo! Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!

2 Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.

3 Fa Iaveh dia Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin'ireo andriamanitra rehetra.

4 Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon'ny tendrombohitra.

5 Azy ny ranomasina, fa izy no nanao azy; mbamin'ny tany koa, fa ny tànany no namorona azy.

6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika; mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.

7 Fa izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian'ondry entin'ny tànany.

8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,

9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.

10 Nandritra ny efapolo taona aho monainan'izany taranaka izany, ka nanao hoe: Vahoaka manana izay fo mania izy, ary nahalala ny làlako.

11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako aho, nanao hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako izy.

Toko faha-96

1 Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo! Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.

2 Mihirà ho an'ny Tompo, misaora ny anarany. Lazao isan'andro ny famonjeny,

3 ambarao amin'ny firenena ny voninahiny, ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.

4 Fa lehibe Iaveh sy mendrika ny fiderana rehetra, mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra izy,

5 fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena. Fa Iaveh no nanao ny lanitra.

6 Manoloana azy ny famirapiratana amam-pahalehibiazana; ao amin'ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.

7 Manomeza an'ny Tompo, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an'ny Tompo.

8 Omeo an'ny Tompo ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1516