Ny Salamo
Toko faha-96
9 Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany hianareo monina amin'ny tany rehetra!10 Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka; ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,
11 Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
12 aoka ho miramirana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy, aoka hihoby ny hazo rehetra any an'ala,
13 eo anatrehan'ny Tompo fa avy izy. Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
Toko faha-97
1 Mpanjaka Iaveh: aoka hifaly ny tany; Aoka hiravoravo ny nosy maro!2 Rahona aman'aloka no manodidina azy, rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.
3 Afo no mandroso eo alohany, sady mandevona ny fahavalony manodidina.
4 Mahazava izao tontolo izao ny tselany, mahita izany ny tany ka mipararetra.
5 Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo, dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
6 Ny lanitra mitory ny fahamarinany, ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.
7 Hangaihay izay rehetra mivavaka amin'ny sarin-javatra, izay mirehareha amin'ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
8 Nandre Siona, ka nifaly; niravoravo ireo zanakavavin'i Jodà.
9 satria hianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra; hianao dia tafasandratra indrindra ambonin'ny andriamanitra rehetra.
10 Mankahala ny ratsy, hianareo izay tia an'ny Tompo; miaro ny fanahin'ny mpino azy izy, dia manafaka azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
11 Afafy ho an'ny marina ny fahazavana, ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
12 Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina, ary manomeza voninahitra ny anarany masina.
Toko faha-98
1 Salamo. Mihira fihiram-baovao ho an'ny Tompo, fa nanao fahagagana izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.2 Nampiharihary ny famonjeny Iaveh; nanambara ny fahamarinany teo imason'ny firenena izy.
3 Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin'ny taranak'Israely. Ny vazan-tany efatra, nahita ny famonjen'Andriamanitsika avokoa.
4 Manaova hobin-kafaliana mankamin'ny Tompo, hianareo monina amin'ny tany rehetra. Ataovy mipoaka amin'ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.
5 Mankalazà an'ny Tompo amin'ny harpa, amin'ny harpa sy amin'ny fihirana.
6 Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan'ny Tompo Mpanjaka, amin'ny trompetra amam-peon'anjomara.
7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy; Aoka ny tany mbamin'ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.
8 Aoka ho velon-tehaka ny ony; aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
9 eo anatrehan'ny Tompo, fa avy hitsara ny tany izy; hitsara ny tany araka ny rariny izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Toko faha-99
1 Mpanjaka Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin'ny Kerobima izy; mangozohozo ny tany.2 Lehibe ao Siona Iaveh, tafasandratra ambonin'ny firenena izy.
3 Hoderaina anie ny anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina izy.
4 Hoderaina anie ny herin'ny Mpanjaka, izay tia ny rariny. Manamafy ny fahitsiana hianao, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny eo amin'i Jakoba hianao.
5 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.
6 Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony, ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany, dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.
7 Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy; nitandrina ny didiny izy ireo sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.
8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay; Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao, ary namaly azy tamin'ny hadisoany.
9 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina, fa masina Iaveh Andriamanitsika.
Toko faha-100
1 Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin'ny Tompo hianareo mponina amin'ny tany rehetra.2 Manompoa an'ny Tompo amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
3 Fantaro fa Andriamanitra, Iaveh; izy no nanao antsika, ka azy isika, vahoakany sy andian'ondriny amin'ny tanim-bilony.
4 Avia ho eo ambavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao izy, isaory ny anarany.
5 Fa tsara Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Toko faha-101
1 Salamon'i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; hianao Iaveh no tiako hankalazaina.2 Hitandrina ny làlan'ny tsy fananan-tsiny aho. - Rahoviana no ho tonga aty amiko hianao? - Handeha amin'ny fahitsian'ny foko aho, eo afovoan'ny tranoko.
3 Eo anoloan'ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetaka amiko izany.
4 Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana; tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.
5 Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin'ny hambom-po, tsy hotohako.
6 Hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany, ny masoko, mba hitoerany ato akaikiko; izay mandeha amin'ny làlana marina, no ho mpanompoko.
7 Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko, izay manao am-pitaka; tsy hijanona eo anoloan'ny masoko, izay milaza lainga,
8 haripako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, mba hamongorako eo an-tanan'ny Tompo izay rehetra manao ratsy.
Toko faha-102
1 Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatra ny fitarainany eo anatrehan'ny Tompo.2 Iaveh, henoy ny fivavahako,