Ny Salamo

Toko faha-102

3 ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako. Aza manafina ny tavanao amin'ny andron'ny fahoriako, atongilano aty amiko ny sofinao, faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.

4 Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko, ary mirehitra, toy ny doran'ny afo, ny taolako.

5 Voajinja toy ny ahitra ny foko, ka malazo; hadinoko aza ny mihinan-kanina.

6 Tafaraikitra amin'ny taolako ny nofoko, azon'ny mitaraina sy misento.

7 Tahaka ny pelikano any an'efitra aho, ary zary toa vorondolo tokana an-tanàna haolo.

8 Tsy mahita tory aho mandritra ny alina, toa vorona manirery eny an-tafon-trano.

9 Tsiratsirain'ny rafilahiko tontolo andro aho, ary ny fahavaloko entim-pisafoahany mianiana ny hamono ahy.

10 Mihinan-davenona ho tahaka ny mofo aho, ary haroako ranomaso ny zavatra sotroiko;

11 noho ny hatezeranao amam-pahaviniranao, fa naingainao aho, ary natsipinao lavitra.

12 Tahaka ny aloka efa mandroso mihalava ny androko, ary mihamalazo toy ny ahitra aho.

13 Fa hianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay, ary velona amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.

14 Hitsangana hianao, hamindra fo amin'i Siona, fa ny andro hamindram-po aminy, ny fotoana voatendry dia efa tonga.

15 Satria lalain'ny mpanomponao ny vatony, nampangoraka ny fony hatramin'ny vovo-taniny.

16 Amin'izay dia hanaja ny anaran'ny Tompo ny firenena, ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.

17 Fa Iaveh nanangana an'i Siona indray, niseho tamin'ny voninahiny izy;

18 nihaino ny vavaky ny fadiranovana, tsy nanamavo ny fitarainany.

19 Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an'ny taranaka ho avy; ary aoka hankalazain'ny firenena vao hiforona Iaveh.

20 Satria nitsinjo teny amin'ny havoany masina izy, satria nitsinjo ny tany teny an-danitra Iaveh;

21 mba hihaino ny fitarainan'ireo voababo, mba hanafaka an'ireo efa voatendry hovonoina ho faty,

22 mba hitorian'ireo ny anaran'ny Tompo ao Siona, sy ny fiderana azy ao Jerosalema;

23 raha avy izay hiangonan'ny firenena rehetra, mbamin'ny fanjakana, hanompo an'ny Tompo.

24 Efa nanaketraka ny heriko teny an-dàlana izy, efa nanafohy ny androko izy.

25 Hoy aho: Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo an-tenantenan'ny androko, hianao izay aharetan'ny taonanao, amin'ny taona mifandimby.

26 Nanorina ny tany tamin'ny voalohany hianao, ary asan'ny tànanao ny lanitra.

27 Ho levona ireo, fa hianao kosa maharitra, hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba hianao, ka ho voaova izy.

28 Fa hianao kosa maharitra tsy miova, ary tsy manam-pahataperana ny taonanao.

29 Ny zanaky ny mpanomponao honina amin'ny taniny, ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.

Toko faha-103

1 Nataon'i Davida. Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko, ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra!

2 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.

3 Fa izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra.

4 Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-ponao.

5 Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin'ny voromahery.

6 Manao ny fitsarana Iaveh, manome rariny an'izay rehetra nampahoriana.

7 Nampiseho ny làlany tamin'i Moizy izy, ary ny asany lehibe, tamin'ny zanak'Israely.

8 Mamindra fo sy miantra Iaveh, mahari-po sy be hatsaram-po.

9 Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy izy, tsy mitana fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.

11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra azy.

12 Tahaka ny halaviran'ny atsinanana amin'ny andrefana, no halaviran'ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.

13 Sahala amin'ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak'Iaveh an'izay matahotra azy.

14 Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.

15 Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,

16 ka vao tsofin'ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.

17 Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon'ny Tompo ho an'izay matahotra azy, sy ny fahamarinany amin'ny taranaky ny zanak'izy ireo,

18 dia amin'izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.

19 Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra Iaveh, ary mihatra amin'ny zavatra rehetra ny fanjakany.

20 Misaora an'ny Tompo hianareo anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankato ny didiny, amin'ny fanekena ny feon'ny teniny.

21 Misaora an'ny Tompo hianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!

22 Misaora an'ny Tompo hianareo asany rehetra, amin'ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko.

Toko faha-104

1 Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1516