Ny Salamo

Toko faha-106

22 fahagagana tany amin'ny tanin'i Kama, famantarana teo amin'ny ranomasina Mena.

23 Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy Moizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.

24 Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana tsy nino ny tenin'ny Tompo.

25 Nimonomonona tao an-dainy, ary naneky ny feony izy ireo,

26 ka dia nanainga ny tànana izy hamely azy ireo, handringana azy any an'efitra:

27 hahavery ny taranany any amin'ny firenena, ary hanely azy any an-tany hafa.

28 Niraikitra tamin'i Beelfegora izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an'ny maty.

29 Nampahatezitra an'ny Tompo tamin'ny nataony izy ireo, dia nibosesehan'ny loza.

30 Nitsangana nanolotra fanonerana Finea, dia nitsahatra ny loza.

31 Notànana ho fahamarinana ho azy izany nataony izany, hatramin'ny taona mifandimby mandrakizay.

32 Nampahatezitra an'ny Tompo izy ireo tao amin'ny ranon'i Meriba, ary nozoim-pahoriana noho ny nataon'izy ireo Moizy;

33 fa nampahasosotra ny fanahiny izy ireo, ka nahavoaka teny tsy voahevitra izy.

34 Tsy naringan'izy ireo ny firenena nasain'ny Tompo naringany.

35 Fa niharo tamin'ny firenena izy, nianatra ny asan'ireny.

36 Nanompo ny sampin'ireny, izay tonga fandrika ho azy.

37 Nataony sorona ho an'ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy.

38 Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran'ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin'ny sampin'i Kanaana, ka ny tany voaloton'ny vonoan'olona.

39 Izy ireo nandoto tena tamin'ny asany, ary nitolo-tena tamin'andriamani-kafa.

40 Dia nirehitra tamin'ny vahoakany ny fahatezeran'ny Tompo, ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.

41 Natolony ho eo an-tànan'ny firenena izy ireo, ka notapahin'ireo mankahala azy.

42 Nampahorian'ny fahavalony izy, ary voaetry tambanin'ny tanan'ireny.

43 Nanafaka azy ireo matetika izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.

44 Nijery ny fahorian'izy ireo anefa izy, nony nandre ny fitarainany.

45 Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny; namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe izy;

46 ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan'izay rehetra nitana azy ho babo.

47 Vonjeo izahay, ry Iaveh, Andriamanitray, ka angony avy amin'ny firenena izahay, mba hankalazanay ny anaranao masina, ary hireharehanay amin'ny fiderana anao.

48 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra hilaza hoe: Amena! Aleloia!

Toko faha-107

1 Ankalazao Iaveh, fa tsara fo izy, mandrakizay ny famindram-pony.

2 Izany anie no holazain'ireo navotan'ny Tompo, dia ireo navotany ho afaka tamin'ny tanan'ny fahavalony,

3 sy nangoniny avy any amin'ny tany rehetra, avy any atsinanana sy andrefana, avy any avaratra sy any amin'ny ranomasina.

4 Nirenireny teny an'efitra ireny tamin'ny làlana mangingina, tsy nahita tanàna iray akory honenana.

5 Nianjadian'ny hanoanana aman-ketaheta, efa tsaroany reraka ny ainy.

6 Fa nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy, ka novonjeny ho afaka tamin'ny fahaporitany.

7 Nitondra azy tamin'ny lala-mahitsy izy, hampahatongavany azy amin'ny tanana fonenana.

8 Hoderainy anie Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an'ny zanak'olombelona!

9 Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afak'hetaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.

10 Tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran'izy ireo, voababo ao anatin'ny fahoriana sy ny gadra vy.

11 Satria niodina tamin'ny teny ton'Andriamanitra izy sy naniratsira ny fananaran'ny Avo Indrindra.

12 Dia naetriny tamin'ny fijaliana ny fony; nitambotsitra izy ka tsy nisy namonjy!

13 Nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy, ka novonjeny ho afaka amin'ny fahaporitany.

14 Nesoriny tamin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana izy, ary notapahany ny fatorany.

15 Hoderainy anie Iaveh, noho ny hatsaram-pony; sy noho ny fahagagana nataony tamin'ny zanak'olombelona!

16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina izy, ary nanapatapaka ny hidy vy.

17 Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka, sy noho ny helony dia notaritiny hanjo azy ny fijaliana.

18 Nahamonamonaina azy avokoa izay hanina rehetra; ary efa mby akaikin'ny vavahadin'ny fahafatesana izy.

19 Nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy; ka novonjeny ho afaka amin'ny fahaporitany.

20 Nandefa ny teniny izy dia nanasitrana azy, sy nanafaka azy hiala amin'ny fasany.

21 Hoderainy anie Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony, ho an'ny zanak'olombelona!

22 Hanatitra sorona fisaorana anie izy, ary hitory ny asany amin'ny hobin-kafaliana!

23 Nirotsaka an-tsambo izy ireo teny amin'ny ranomasina, mba hanao fandrantoana eny amin'ny rano lehibe. -

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1487