Ny Salamo
Toko faha-107
24 Ireo no nahita ny asan'ny Tompo, mbamin'ny fahagagana nataony teo amin'ny hatsam-be. -25 Fa niteny izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra, izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;
26 ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo, tafalentika ao amin'ny hantsana; trotraky ny fahoriana ny fanahiny.
27 Fanina izy, ka nivembena hoatra ny mamo; ary foana avokoa ny fahendreny rehetra.
28 Nitaraina tamin'ny Tompo tao anatin'ny fahoriany izy, ka novonjeny ho afaka amin'ny fahaporitany.
29 Novany ho tsiotsio-drivotra malemy ny tafio-drivotra, dia nangina ny onjan-dranomasina.
30 Nifaly izy ireo nahita ireo nitony, ary nentin'ny Tompo, ho amin'ny fitodiana niriny izy.
31 Hoderainy anie Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an'ny zanak'olombelona!
32 Hankalazainy eo amin'ny fiangonan'ny vahoaka anie izy, ary hoderainy eo amin'ny fiangonan'ny loholona.
33 Ny ony, novany ho efitra, ary ny loharano ho tany karankaina,
34 ny tany mahavokatra ho tanin-tsira noho ny haratsian'ny mponina teo aminy.
35 Ny efitra kosa novany ho kamory, ary ny tany karankaina ho tany be loharano,
36 Dia namponeniny eo ny noana, ka nanorin-tanàna honenany.
37 Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka, ary nahazo vokatra be.
38 Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy, ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Nahenany ho vitsy foana sy naetriny izy ireo, notsindrian'ny loza amam-pahoriana.
40 Nosaforany henatra ny mpanapaka an'ireny, nampirenireneny any an'efitra tsy misy làlana;
41 fa ny mahantra kosa nasandrany ho afa-pahoriana, ary ny fianakaviana nataony tonga sahala amin'ny andriam-biby fiompy.
42 Mahita izany ny olona mahitsy fo ka mifaly, fa mikombom-bava foana kosa ny ratsy fanahy rehetra.
43 Aoka izay hendry hamantatra izany zavatra izany ka hahalala ny hatsaram-pon'ny Tompo.
Toko faha-108
1 Fihirana. Salamon'i Davida.2 Efa mahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô, dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho. Mitsangàna, ry voninahitro!
3 Mifohaza, ry valiha amana harpako! Aoka hamoha ny mazava atsinanana aho!
4 Hidera anao eo amin'ny vahoaka aho, ry Iaveh! hihira ho anao eo amin'ny firenena aho.
5 Fa misondrotra hihoatra ny lanitra ny hatsaram-ponao, ary tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6 Misandrata hihoatra ny lanitra, ry Andriamanitra; aoka hamirapiratra amin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
7 Mba ho afaka ireo malalanao, vonjeo amin'ny tànanao ankavanana, ary valio vavaka aho.
8 Efa niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra: Hientan-kafaliana aho! Fa lasan-ko anjarako Sikema; horefesiko Sokota.
9 Ahy Galaada, ahy Manase; fiadiana aro lohako Efraima, ary tehim-panjakako Jodà;
10 Moaba tavin-drano fandroako, Edoma anipazako ny kapako; Ny tanin'ny Filistina no anaovako hobin-kafaliana!
11 Iza no hitondra ahy any amin'ny tanàna mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
12 Tsy hianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra, hianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin'ny tafikay intsony?
13 Vonjeo amin'ny mpampahory anay izahay, fa zava-poana ny famonjena avy amin'olombelona.
14 Raha omban'Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; izy no hanorotoro ny fahavalontsika.
Toko faha-109
1 ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida. Ry Andriamanitra fiderako ô, aza mangina hianao!2 Fa misokatra hamely ahy, ny vavan'ny ratsy fanahy, ny vavan'ny mpamadika. Fiteny mamitaka no itenenany hamely ahy,
3 hodidininy teny fankahalana aho, ary iadiany tsy ahoan-tsy ahoana izao.
4 Izy miady amiko ho valin'ny fitiavako, Izaho kosa tsy manao afa-tsy ny mivavaka.
5 Valiany ratsy ny soa nataoko, valiany fankahalana ny fitiavako.
6 Apetraho eo ambany fanapahan'ny ratsy fanahy izy; ary aoka ho eo ankavanany ny mpiampanga!
7 Raha tsaraina izy, aoka ho voaheloka no ivoahany, ary aoka hatao ho fahotana ny fivavahany.
8 Aoka hohafohezina ny androny, ary aoka ho lasan'ny hafa ny anjara raharahany!
9 Aoka ho tonga kamboty ny zanany, ary ho mpitondratena ny vadiny!
10 Aoka ho mpirenireny sy mpangataka ny zanany, ary hitady hanina lavitra ny tranony efa rava!
11 Aoka ho lasan'ny tompon-trosa ny ananany rehetra, ary aoka hofaohin'ny olon-kafa ny vokatry ny asany!
12 Aoka tsy hisy olona maharitra amin'ny fitiavana azy, aoka tsy hisy hiantra ny kambotiny.
13 Aoka hatototra ho amin'ny fandringanana ny taranany, ary aoka ho maty maso amin'ny taranaka faharoa ny anarany!
14 Aoka hotsarovana eo anatrehan'ny Tompo ny helo-drainy; ary tsy hovonoina ny fahotan-dreniny.
15 Aoka ho eo anatrehan'ny Tompo mandrakariva izany, ary hofoanany eto an-tany ny fahatsiarovana azy.
16 Satria tsy mba nahatsiaro ny hamindra fo izy, fa nanenjika ny ory sy ny mahantra.