Ny Salamo

Toko faha-109

17 Tia ozona izy, ka ianjerany, naneso tsodrano izy, ka halaviriny.

18 Ny ozona no notafiny toy ny lamba; miditra ao anatiny toy ny rano, ary maninteraka ny taolany, toy ny diloilo.

19 Ka dia io no aoka ho toy ny lamba ifonosany; sy sikina manodidina azy lalandava.

20 Izany no aoka ho tamby avy amin'ny Tompo ho an'ireo fahavaloko, sy ho an'ireo miteny ratsy mamely ahy.

21 Ary hianao, ry Iaveh Tompo, arovy aho noho ny anaranao; vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao lehibe.

22 Fa ory sy mahantra aho, ary voatsindrona ny foko ato anatiko.

23 Lasa toy ny aloka efa mandrorona aho, indaosina tahaka ny valala aho.

24 Mangozohozo ny lohaliko azon'ny fifadian-kanina, ary mihitsana ny nofoko azon'ny hia.

25 Ataon-dry zareo fandatsa aho, mihifikifi-doha izy mijery ahy.

26 Ampio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao.

27 Aoka ho fantany fa ny tànanao, dia hianao Iaveh, no nanao izany.

28 Izy ireo manozona fa hianao kosa hitsodrano, izy ireo hitsanga-menatra, fa ny mpanomponao kosa hiravoravo.

29 Hitafy henatra ny fahavaloko, ary hanarona azy toy ny lamba ny fahamenarany.

30 Hidera an'ny Tompo amin'ny feo avo ny molotro; hankalaza azy eo afovoan'ny vahoaka be aho.

31 Fa nitsangana eo ankavanan'ny mahantra izy hamonjy azy amin'izay manameloka azy.

Toko faha-110

1 Salamon'i Davida. Iaveh nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako hianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2 Hanitatra ny tehina fanapahanao, avy ao Siona Iaveh: manjaka amim-pahefan'ny Tompo eo amin'ny fahavalonao hianao!

3 Midodododo aminao ny vahoakanao amin'ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: Avy ao ampofoan'ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon'ny mpiadinao tanora.

4 Efa nianianan'ny Tompo ka tsy hanenenany izao: Mpisorona mandrakizay hianao, araka ny fomban'i Melkisedeka.

5 Eo an-kavanana ny Tompo, handripaka ny mpanjaka izy amin'ny andron'ny fahatezerany.

6 Manao ny fitsarany any amin'ny firenena izy, feno faty hatraiza hatraiza; manorotoro ny loha eo amin'ny tany tontolo izy.

7 Misotro amin'ny renirano izy eny an-dàlana, ka izany no itrakan'ny lohany.

Toko faha-111

1 ALEPH Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra, BETH eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.

2 GHIMEL Lehibe ny asan'ny Tompo; DALETH katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.

3 HE Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 ZAIN Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy; HETH mamindra fo sy miantra Iaveh.

5 TETH Nomeny hanina izay matahotra azy; YOD tsaroany mandrakizay ny fanekeny.

6 KAPH Naharihariny tamin'ny vahoakany ny herin'ny asany, LAMED tamin'ny nanolorany azy ny lovan'ny firenena.

7 MEM Rariny amam-pahamarinana ny asan'ny tanany, NUN tsy mety miova ny didiny rehetra.

8 SAMECH Voaorina mafy ho mandrakizay ireny, AIN fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.

9 PHE Nanatitra ny famonjena ho an'ny vahoakany izy, TSADE ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. QOPH Masina sy mahatahotra ny anarany.

10 RESCH Ny fahatahoran'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena, SCHIN manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. THAV Maharitra mandrakizay ny fiderana azy.

Toko faha-112

1 ALEPH Sambatra ny olona matahotra an'ny Tompo, BETH izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin'ny fitandremana ny didiny.

2 GHIMEL Hahery ambonin'ny tany ny taranany; DALETH hambinina ny taranaky ny marina.

3 HE Fiadanana sy harena no ao an-tranony; VAV ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4 ZAIN Fahazavana no miposaka ao amin'ny aizina ho an'ny olo-mahitsy. HETH ho an'izay mamindra fo sy miantra ary marina.

5 TETH Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; YOD hahery an'ady izy, eo amin'ny fitsarana.

6 KAPH Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, LAMED hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.

7 MEM Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy NUN miorina mafy ny fony, matoky an'ny Tompo izy;

8 SAMECH tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy AIN mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.

9 PHE Mamafy fiantrana izy, manome ny mahantra. TSADE maharitra mandrakizay ny fahamarinany; KOPH misandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10 RESCH Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, SCHIN mihidy vazana ary hanin'ny fialonana; THAV ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.

Toko faha-113

1 Midera hianareo, ry mpanompon'ny Tompo, midera ny anaran'ny Tompo.

2 Isaorana anie ny anaran'ny Tompo, dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!

3 Hoderaina anie ny anaran'ny Tompo, hatr'eo amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatr'eo amin'ny filentehany.

4 Tafasandratra ambonin'ny firenen-drehetra Iaveh, mihoatra ny lanitra ny voninahiny.

5 Iza no tahaka an'ny Tompo Andriamanitsika? izay mipetraka any amin'ny avo,

6 ary mitsinjo aty ambany, eny an-danitra sy ety an-tany.

7 Manandratra ny ory hiala amin'ny vovoka izy, manesotra ny mahantra hiala amin'ny zezika izy;

8 mba hampipetraka azy miaraka amin'ny andriandahy, dia miaraka amin'ny andriandahin'ny vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2333