Ny Salamo
Toko faha-113
9 Manome fonenana ny momba ao an-trano izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan'ny zanany. Aleloia!
Toko faha-114
1 Raha nivoaka tany Ejipta Israely ka niala tamin'ny firenena barbariana ny fianakavian'i Jakoba,2 Jodà no tonga fitoerany masina, Israely no fanjakany.
3 Nahita azy ny ranomasina dia nandositra, Jordany nianotra niverina.
4 Ny tendrombohitra nifalihavanja, tahaka ny ondralahy; ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5 Maninona ity hianao no mandositra, ry ranomasina? ary ity hianao no mianotra miverina, ry Jordany?
6 Nahoana ireto hianareo, ry tendrombohitra, no mifalihavanja hoatra ny ondralahy ary hianareo, ry havoana, toy ny zanak'ondry?
7 Mangovita eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo, ry tany, dia eo anatrehan'ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba,
8 izay manova ny harambato ho farihy ary ny vatolampy ho loharano.
Toko faha-115
1 Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny anaranao no omeo ny voninahitra, noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.2 Ahoana no ilazan'ny firenena hoe: Aiza ary ny Andriamanitr'izy ireo?
3 Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa.
4 Ny sampin'izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan'olombelona.
5 Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy,
6 manan-tsofina fa tsy mahare, manan'orona fa tsy manimbolo,
7 manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory.
8 Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin'izay rehetra mitody aminy!
9 Ry Israely ô, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.
10 Ry taranak'i Aarona, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.
11 Hianareo matahotra an'ny Tompo, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.
12 Efa nahatsiaro antsika Iaveh, ka hitahy! Hitahy ny taranak'Israely izy, hitahy ny taranak'i Aarona izy,
13 hitahy izay matahotra an'ny Tompo izy, na ny kely, na ny lehibe.
14 Hampitomboin'ny Tompo anie ny fanambinany anareo, dia hianareo sy ny zanakareo!
15 Hitahy anareo anie Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!
16 Ny lanitra dia lanitry ny Tompo, fa ny tany kosa nomeny ny zanak'olombelona.
17 Tsy ny maty no midera an'ny Tompo dia ireo midina ho any amin'ny toerana fahanginana,
18 fa isika, dia isika no hisaotra an'ny Tompo hatramin'izao ka ho mandrakizay. Aleloia!
Toko faha-116
1 Tiako izy, satria ren'ny Tompo, ny feoko, ny fitarainako.2 Fa nanongilan-tsofina tamiko izy, ka hiantso azy aho, ny andro rehetra hiainako.
3 Efa nihodidina tamiko ny fatoran'ny fahafatesana, efa nahazo ahy ny tebitebin'ny seoly; efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,
4 fa niantso ny anaran'ny Tompo aho, nanao hoe: Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko!
5 Mamindra fo sy marina Iaveh, miantra ny Andriamanitsika.
6 Miaro ny osa Iaveh; ory aho ka novonjeny.
7 Ry fanahiko ô, miverena amin'ny fitsaharanao, fa Iaveh manototra soa anao.
8 Eny, hianao efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ny tongotro tamin'ny halavoana.
9 Izaho mbola handeha eo anatrehan'ny Tompo eo amin'ny tanin'ny velona.
10 Matoky aho, na dia milaza hoe aza: Fara-fahoriana aho ity!
11 Hoy aho, tao anatin'ny fahakiviako: Mpandainga avokoa ny olombelona.
12 Inona no havaliko an'ny Tompo, noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Hanainga ny kopin'ny famonjena aho, ka hiantso ny anaran'ny Tompo.
14 Hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra.
15 Zava-tsarobidy eo imason'ny Tompo ny fahafatesan'ny mpino azy.
16 - Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizivavinao, ka dia novahanao ny fatorako.
17 Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny anaran'ny Tompo.
18 hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho, eo anatrehan'ny vahoakany rehetra,
19 eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, dia eo anatin'ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia!
Toko faha-117
1 Miderà an'ny Tompo hianareo, ry firenena rehetra, mankalazà azy, ry vahoaka rehetra!2 Fa lehibe ny hatsaram-pony amintsika, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinan'ny Tompo. Aleloia!
Toko faha-118
1 (Raha vao miainga ny fivavahana mandeha) Miderà an'ny Tompo, fa tsara fo izy, fa mandrakizay ny famindram-pony!2 Aoka Israely hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!