Ny Salamo

Toko faha-118

3 Aoka ny taranak'i Aarona hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!

4 Aoka izay matahotra an'ny Tompo hilaza hoe: Eny, mandrakizay ny famindram-pony!

5 (Eny am-pandehanana) Niantso an'ny Tompo, tao anatin'ny fahoriako aho; ary namaly ahy Iaveh, ka nampahalalaka ahy.

6 Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?

7 Iaveh no miandany amiko, eo amin'izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan'ireo mankahala ahy aho.

8 Aleo mitady fialofana amin'ny Tompo, toy izay mitoky amin'olombelona.

9 Aleo mitady fialofana amin'ny Tompo, toy izay mitoky amin'ny mpanapaka.

10 Ny firenena rehetra nitangorona tamiko; izaho kosa mandripaka azy, amin'ny anaran'ny Tompo.

11 Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy, izaho kosa mandripaka azy, amin'ny anaran'ny Tompo.

12 Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo; nefa maty toy ny afon-tsilo: izaho kosa mandripaka azy amin'ny anaran'ny Tompo.

13 Hianao nandronjina ahy mafy handavo ahy, fa Iaveh kosa namonjy ahy.

14 Iaveh no heriko sy fihirako; izy no famonjena ahy.

15 Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain'ny marina. Fa naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo,

16 nisandratra ny tànana ankavanan'ny Tompo, naneho ny heriny ny tànana ankavanan'ny Tompo.

17 Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan'ny Tompo.

18 Nofaizin'ny Tompo mafy aho, nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.

19 Amohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an'ny Tompo.

20 (Ny mpisorona) Ity no vavahadin'ny Tompo, ny marina no mahazo miditra eo.

21 (Ny filohan'ny vahoaka) Hankalaza anao aho fa namaly vavaka ahy hianao, ka efa famonjena ahy hianao.

22 Ny vato narian'ny mpanorina, dia tonga vato fehizoro.

23 (Ny mpisorona) Asa vitan'ny Tompo izany, ka zava-mahagaga eo imasontsika.

24 (Ny vahoaka miditra) Ity no andro nataon'ny Tompo, mifalia sy miravoravoa isika.

25 Ry Iaveh ô, omeo ny famonjena! Ry Iaveh ô, omeo ny fanambinana!

26 (Ny mpisorona miteny amin'ny mpitarika) Isaorana anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo! Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon'ny Tompo izahay!

27 Andriamanitra Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika izy. Ny mpisorona miteny amin'ny vahoaka - (Ny mpisorona miteny amin'ny vahoaka) Rohizo kofehy ny sorona, hatreo amin'ny tandroky ny otely.

28 (Ny vahoaka) Hianao no Andriamanitro, ka hidera anao aho; Andriamanitro, ka hanandratra anao aho.

29 (Miaraka daholo) Mankalazà an'ny Tompo fa tsara fo izy, mandrakizay ny famindram-pony!

Toko faha-119

1 ALEPH Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany, izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo.

2 Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin'ny fony rehetra,

3 tsy mba manao ratsy, fa mandeha eo amin'ny làlany.

4 Efa namoaka ny didinao hianao; mba hitandreman'ny olona azy tsara.

5 Enga anie ka ho voahitsy ny làlako, mba hitandremako ny didinao!

6 Dia tsy hahazo henatra aho, mijery ny didinao rehetra.

7 Hidera anao amin'ny hitsim-poko aho, amin'ny fianarana ny didin'ny fahamarinanao.

8 Sitrako ny mitandrina ny didinao: aza dia ilaozanao tokoa aho.

9 BETH Hataon'ny zatovo ahoana no fahatonga ny làlany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.

10 Mitady anao amin'ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao.

11 Tehiriziko miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.

12 Isaorana anie hianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho.

13 Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.

14 Ny manaraka ny fampianaranao dia hahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.

15 Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin'ny làlanao.

16 Ataoko fifaliana ho ahy ny làlanao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.

17 GHIMEL Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao.

18 Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.

19 Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao.

20 Ny fanahiko torotoron'ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin'ny didinao.

21 Mandrahona ny mpiavonavona hianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.

22 Halaviro ahy ny henatra amam-panesoana, fa mitandrina ny fampianaranao aho.

23 Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1653