Ny Salamo

Toko faha-119

24 Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy.

25 DALETH Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; velomy indray aho araka ny teninao.

26 Naposako anao ny làlako, dia hoy ny navalinao ahy: Ampianaro ny lalànao aho.

27 Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.

28 Azon'alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso, atsangano indray aho araka ny teninao.

29 Halaviro ny làlan'ny lainga aho, fa omeo ahy ny soa ao amin'ny lalànao.

30 Nifidy ny làlan'ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao.

31 Nifikitra tamin'ny fampianaranao aho; ry Iaveh, aza avela ho azon-kenatra aho.

32 Mihazakazaka eo amin'ny làlan'ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko.

33 HE Ry Iaveh ô, ampianaro ny làlan'ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin'ny faran'ny aiko.

34 Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra.

35 Tariho aho amin'ny làlan'ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana.

36 Atongilano ho amin'ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin'ny fahazoan-tombony.

37 Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin'ny làlanao aho.

38 Toavy amin'ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an'ny olona matahotra anao.

39 Esory amiko ny fahafaham-baraka izay atahorako; fa tsara ny didinao.

40 Mirehi-paniriana hanaraka ny didinao aho, velomy amin'ny fahamarinanao aho.

41 VAV Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao!

42 Ary ho haiko valiana izay maniratsira ahy, fa mitoky amin'ny teninao aho.

43 Aza esorina amin'ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko.

44 Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay.

45 handeha amin'ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko.

46 Hilaza ny fampianaranao eo anatrehan'ny mpanjaka aho, ka tsy ho menatra.

47 Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy.

48 Hanandratra ny tànako amin'ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao.

49 ZAIN Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako.

50 Izany no fiononako ao anatin'ny fahoriako, dia ny hameloman'ny teninao ahy indray.

51 Manaraby ahy fatratra ireo mpiavonavona, fa tsy mba mivily amin'ny lalànao aho.

52 Ny didinao tamin'ny andro taloha no eritreretiko, ry Iaveh, ka mionona aho.

53 Azon'ny hatezerana aho noho ny amin'ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.

54 Ny lalànao no fihirako, eo amin'ny fitoerana fivahiniako.

55 Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, ry Iaveh ô, ka mitandrina ny lalànao.

56 Izao no anjara nomena ahy: mitandrina ny didinao aho.

57 HETH Ny anjarako, ry Iaveh, lazaiko izany, dia ny mitandrina ny teninao.

58 Mitalaho aminao amin'ny foko rehetra aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao.

59 Mieritreritra ny làlako aho, ka mampiverina ny diako ho araka ny fampianaranao.

60 Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao.

61 Manodidina ahy ny fandriky ny ratsy fanahy, fa tsy manadino ny lalànao aho.

62 Mifoha mamaton'alina hidera anao aho, noho ny fitsaran'ny fahamarinanao.

63 Sakaizan'izay rehetra matahotra anao aho; mbamin'izay mitandrina ny didinao.

64 Henika ny hatsaram-ponao ny tany, ry Iaveh, ampianaro ny lalànao aho.

65 TETH Nanehoanao ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, araka ny teninao, ry Iaveh ô!

66 Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.

67 Naniasia aho, fony mbola tsy naetry, fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny.

68 Tsara fo sy manao soa hianao, Ampianaro ny lalànao aho.

69 Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezany ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin'ny foko rehetra.

70 Ny fon'izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin'ny lalànao.

71 Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao.

72 Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.

73 YOD Ny tànanao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1582