Eksaody

Toko faha-10

25 Fa hoy Moizy: Tsy maintsy atolotrao eo an-tànanay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin'ny Tompo Andriamanitray. 26 Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin'ireo no hangalanay ho enti-manompo an'ny Tompo Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an'ny Tompo, raha tsy efa tonga any. 27 Nohamafisin'ny Tompo anefa ny fon'i Faraona, ka tsy nety nandefa azy ireo Faraona. 28 Fa hoy Faraona tamin'i Moizy: Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga aty anatrehako aty intsony, fa izay andro hitranganao aty anatrehako dia ho faty hianao. 29 Voalazanao, hoy Moizy, tsy hitranga aty anatrehanao intsony tokoa aho.

Toko faha-11

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Loza iray sisa hameliko an'i Faraona sy Ejipta, fa rahefa afaka izany, dia halefany hiala aty hianareo; ary rahefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza hianareo hiala aty.

2 Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin'ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin'ny vehivavy mifanolotra aminy. 3 Dia nataon'ny Tompo nahita fitia teo imason'ny Ejipsiana ny vahoaka; ary Moizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin'ny mpanompon'i Faraona na tamin'ny vahoaka. 4 Hoy Moizy: Izao no lazain'ny Tompo: Rahefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an'i Ejipta aho,

5 ka ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Ejipta, hatramin'ny lahimatoan'i Faraona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin'ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 6 Hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy toa azy intsony. 7 Fa eo amin'ny zanak'Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran'ny Tompo an'i Ejipta sy an'Israely. 8 Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, hianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa aho vao handeha. Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan'i Moizy avy ao amin'i Faraona. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy nanao hoe: Tsy hihaino anareo Faraona mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin'ny tany Ejipta.

10 Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan'i Faraona Moizy sy Aarona ary nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraona, ka tsy navelany hiala amin'ny taniny ny zanak'Israely.

Toko faha-12

1 Izao no nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy sy Aarona any amin'ny tany Ejipta:

2 Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona izany ho anareo. 3 Ary mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra ataovy hoe: Amin'ny andro fahafolon'ity volana ity, samia hianareo maka zanak'ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak'ondry iray isan-trano. 4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray dia hikambanany amin'izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan'ny olona, fa araka izay tokony hohanin'ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an'io zanak'ondry io. 5 Dia ho zanak'ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak'ondry na zanak'osy. 6 Dia hotananareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io vao samy hamono azy ny fiangonan'Israely rehetra, amin'ilay àty takariva iny. 7 Hangalana ny rany, hatentina amin'ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran'ny trano hihinanana azy; 8 ary hohanina amin'io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin'ny afo no hihinanana azy miaraka amin'ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy. 9 Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin'ny afo daholo, mbamin'ny lohany, ny tongony, ny tsinainy. 10 Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory. 11 Ary toy izao no hihinananareo azy: ny valahana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tànana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan'ny Tompo izany. 12 Handalo mamaky ny tany Ejipta aho amin'io alina io, ka ny lahimatoa rehetra amin'ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby, ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr'i Ejipta rehetra: fa izaho no Iaveh. 13 Ny rà dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin'ny trano misy anareo; ho hitako ny rà dia holalovako fotsiny hianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rahefa hamely ny tany Ejipta aho. 14 Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin'ny fety hiderana an'ny Tompo, hankalazainareo amin'ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay. 15 Hafitoana hianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin'ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin'Israely.

16 Hanao fivoriana masina hianareo amin'ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin'ny andro fahafito. Tsy hiasa amin'ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairary avy no hany azonareo atao. 17 Hotandremanareo ny azima, fa izany no andro namoahako ny ankohonanareo, tamin'ny tany Ejipta. Ka hotandremanareo hatrany amin'ny taranaka mifandimby izany andro izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay. 18 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folo, amin'ny hariva ka hatramin'ny harivan'ny andro faharaika amby roa-polo no hihinananareo ny mofo tsy misy lalivay. 19 Tsy tokony hisy lalivay ao an-tranonareo mandritra ny hafitoana, fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fiangonan'Israely, na vahiny izany na tera-tany. 20 Koa tsy hihinana mofo misy lalivay hianareo; ao amin'ny tranonareo rehetra dia mofo tsy misy lalivay no hohaninareo. 21 Dia novorin'i Moizy ny loholona rehetra amin'Israely, ka nilazany hoe: Mifidiana sy makà zanak'ondry iray ho an'ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka.

22 Dia makà hisopa iray fihina, atsobohy ao anatin'ny rà eo amin'ny lovia, ka tenteno amin'ny rà ao anatin'ny lovia ny tatao sy ny tolam-baravarana roa. Aza misy mivoaka ny trano hianareo mandra-pahamarain'ny andro; 23 fa hitety an'i Ejipta Iaveh hamely azy, ary rahefa mahita ny rà eo amin'ny tatao aman-tolam-baravarana roa, dia handalo fotsiny ny varavaranareo Iaveh, ary tsy hamela ny mpandringana hiditra hamely ao an-tranonareo. 24 Didy hotandremanareo izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay, ho anareo sy ny taranakareo. 25 Rahefa tafiditra any amin'ny tany homen'ny Tompo anareo hianareo, araka ny nampanantenainy, dia hotandremanareo izany fomba masina izany. 26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no ambaran'izao fomba masina izao aminareo? 27 Dia hovalianareo hoe: Izao no soron'ny Paka, fankalazana an'ny Tompo, fa nolalovany fotsiny ny tranon'ny zanak'Israely tany Ejipta, fony namely an'i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka. 28 Ary lasa nandeha ny zanak'Israely ary nanatanteraka izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy sy Aarona; izany no nataony. 29 Nony nisasaka ny alina dia novonoin'ny Tompo avokoa ny lahimatoa tany amin'ny tany Ejipta, hatramin'ny lahimatoan'i Faraona mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.

30 Nifoha iny alina iny ihany Faraona sy ny mpanompony mbamin'ny Ejipsiana rehetra, ka fidradradradrana lozan-tany no re eran'i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty. 31 Mbola alina dia nampaka an'i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin'ny vahoakako hianareo sy ny zanak'Israely; mandehana manompo an'ny Tompo araka ny voalazanareo. 32 Ento ny ondry mbamin'ny ombinareo, araka ny voalazanareo. Mandehana ka mba tsofy rano aho. 33 Nododonan'ny Ejipsiana ery ny vahoaka, fa maika handefa azy hiala amin'ny tany ireo, fa hoy izy: maty avokoa izahay. 34 Mbola tsy voaisy lalivay akory ny koban'ny olona dia nentiny; ny sobika no nofonosiny tao anaty kapaotiny dia niantsorohiny. 35 Nanao araka ny voalazan'i Moizy taminy ny zanak'Israely, fa nangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana tamin'ny Ejipsiana izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2129