Eksaody

Toko faha-12

36 Dia nataon'ny Tompo nahita fitia teo imason'ny Ejipsiana ny vahoaka, ka nahazo izay nangatahiny. Nanongaka babo tamin'ny Ejipsiana izy ireo. 37 Niala tao Ramsesa ny zanak'Israely dia nankany Sokota; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.

38 Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin'ny andian'ondry aman'omby maro be. 39 Nohandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory. 40 Telo-polo sy efa-jato taona no nitoeran'ny zanak'Israely tany Ejipta;

41 ary rahefa afaka ny telo-polo sy efa-jato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin'ny tany Ejipta ny tafik'Iaveh rehetra. 42 Alina niaretan-tory ho an'ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin'ny tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an'ny Tompo, ho an'ny zanak'Israely rehetra isan-taranany. 43 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona: Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy.

44 Ny andevolahy novidim-bola rehetra hoforana hihinana aminy; 45 ny miorim-ponenana sy ny mpikarama tsy hihinana aminy. 46 Ao an-trano ihany no hihinanana azy; ny nofony tsy havoaka ny trano, ny taolany tsy hotapahina. 47 Ny fiangonan'Israely rehetra hanao ny Paka avokoa. 48 Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan'ny Tompo, dia hoforana avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy. 49 Lalàna iray ihany no ho an'ny tompon-tany sy ny vahiny mitoetra eo aminareo. 50 Dia nataon'ny zanak'Israely rehetra izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy sy Aarona; izany no nataony.

51 Ary tamin'izany andro izany indrindra no namoahan'ny Tompo tamin'ny tany Ejipta ny zanak'Israely voalamina isan-tokony.

Toko faha-13

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy ka nanao hoe:

2 Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra, izay lahimatoa rehetra amin'ny zanak'Israely, na olona na biby, fa ahy izany. 3 Dia hoy Moizy tamin'ny vahoaka: Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana, fa tamin'ny herin'ny tànany no namoahan'ny Tompo anareo tany. Tsy hatao mihina-mofo misy lalivay.

4 Izao andro ivoahanareo izao dia volam-pahavokaram-bary. 5 Ary raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo anao any amin'ny tanin'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Heveana ary ny Jeboseana, izay nianianany tamin'ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin'ny volana toy izao. 6 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin'ny andro fahafito hisy fety fankalazana an'ny Tompo. 7 Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran'ny taninao rehetra; 8 Ary amin'izay hianao hilaza amin'ny zanakao lahy hoe: Fahatsiarovana ny nataon'ny Tompo tamiko, fony aho nivoaka tany Ejipta, izany. 9 Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetaka amin'ny tànanao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan'ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn'ny Tompo; satria tamin'ny tànany mahery no namoahan'ny Tompo anao tany Ejipta. 10 Hotandremanao amin'ny fotoany, isan-taona isan-taona, izany didy izany. 11 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo anao any amin'ny tanin'ny Kananeana, araka ny efa nianianany taminao sy tamin'ny razanao, ka ho efa voatolony anao tokoa izany,

12 dia hatokanao ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an'ny Tompo ny lahy. 13 Avoty amin'ny zanak'ondry ny voalohan-teraky ny ampondra, fa raha tsy avotanao dia folahy ny hatony; ary avoty koa ny voalohan-terak'olombelona rehetra amin'ny zanakao lahy. 14 Ary indray andro raha avy izay hanontanian'ny zanakao anao hilaza hoe: Inona no hevitr'izao? Dia hovalianao hoe: Tamin'ny tànany mahery no namoahan'ny Tompo anay tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana. 15 Fa rahefa nikiry tsy nety nandefa anay Faraona dia novonoin'ny Tompo ny lahimatoa rehetra tamin'ny tany Ejipta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona, ka hatramin'ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin'ny Tompo sy hanavotako ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako lahy. 16 Ho toy ny famantarana mipetaka amin'ny tànanao izany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao, fa tamin'ny herin'ny tànany no namoahan'ny Tompo antsika tany Ejipta. 17 Nony nalefan'i Faraona handeha ny vahoaka, dia tsy nentin'Andriamanitra hihazo ny làlana amin'ny tanin'ny Filistìna, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.

18 Fa nentin'Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny làlan'ny efitra mankany amin'ny ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran'ny zanak'Israely avy tany Ejipta. 19 Ary nentin'i Moizy niaraka taminy ny taolam-balon'i Josefa, araka ny nampianianan'i Josefa ny zanak'Israely hoe: Hovangian'Andriamanitra hianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala aty ny taolam-baloko. 20 Niala tao Sokota izy ireo dia nitoby tao Etama, an-tsisin'ny efitra.

21 Iaveh nandeha teo alohany amin'ny andry rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary amin'ny andry afo nony alina, mba ho afaka handeha, na andro na alina izy. 22 Tsy niala teo alohan'ny vahoaka ny andry rahona raha antoandro, sy ny andry afo nony alina.

Toko faha-14

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely; aoka hiova làlana izy ka handroso hitoby eo anoloan'i Fihahirota, anelanelan'i Magdaloma sy ny ranomasina, tandrifin'i Beelsefona; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin'ny ranomasina. 3 Dia izao no ho filazan'i Faraona ny zanak'Israely: Very làlana any ho any izy ireo ka tafahitsoka any an'efitra. 4 Ary hohamafisiko ny fon'i Faraona ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin'i Faraona sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho. Dia nataon'ny zanak'Israely izany. 5 Nilazana ny mpanjakan'i Ejipta fa hoe: lasa nandositra ny vahoaka. Tamin'izay dia voaova ny fon'i Faraona sy ny mpanompony, ny amin'ny vahoaka, fa hoy izy ireo: Naninona ity isika no nandefa an'Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?

6 Dia nasain'i Faraona nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. 7 Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy. 8 Nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, ka nanenjika ny zanak'Israely Faraona, ary tamin'ny tànana voasandratra no nivoahan'ny zanak'Israely. 9 Koa nanenjika azy ny Ejipsiana ka nahatratra azy tao akaikin'ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin'i Fihahirota, tandrifin'i Beelsefona avokoa ny soavaly mpitarika kalesin'i Faraona sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafiny rehetra. 10 Nony mby akaiky Faraona, natopin'ny zanak'Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsiana, ka raiki-tahotra mafy ny zanak'Israely, sy velon-taraina tamin'ny Tompo.

11 Ary nanao tamin'i Moizy hoe: Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty aty an'efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? 12 Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsiana fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an'efitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1572