Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-8

18 Ato amiko ny harena amam-boninahitra, ny soa mateza amam-pahamarinana.

19 Ny vokatro ambony vidy noho ny volamena, dia volamena madio indrindra; ary ny avy amiko dia mihoatra noho ny volafotsy voafantina.

20 Mizotra eo amin'ny lalan'ny fahamarinana aho, eo amin'ny sakeli-dalan'ny fitsarana,

21 mba hampahazo harena an'izay tia ahy, sy hameno tsara ny firaketany.

22 Nanana ahy hatramin'ny fiandohan'ny lalany, Iaveh, dia talohan'ny asany ela indrindra.

23 Efa niorina hatramin'ny mandrakizay aho, hatramin'ny voalohany, talohan'ny niandohan'ny tany.

24 Tamin'ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.

25 Talohan'ny nanorenana ny tendrombohitra; efa teraka aho talohan'ny havoana;

26 fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka, na ny zavatra iforonan'ny vovok'izao tontolo izao.

27 Efa teo aho, fony izy nandamina ny lanitra, fony izy nanoritra fari-bolana tambonin'ny hantsana,

28 fony izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin'ny hantsana,

29 fony izy nanisy faritra ho an'ny ranomasina, mba tsy hihoaran'ny rano ny morony; fony izy nandatsaka ny fanorenan'ny tany.

30 Izaho dia niasa teo anilany, niravoravo isan'andro isan'andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva,

31 nilalao teo amin'ny gilobin'ny taniny, ary nahita fahafinaretana teo amin'ny zanak'olombelona.

32 Ka izao, anaka, henoy aho; Sambatra izay manaraka ny lalako!

33 Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana.

34 Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan'andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako!

35 Izay mahita ahy, nahita fiainana; sady mahazo sitraka amin'ny Tompo.

36 Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny; izay rehetra mankahala ahy, mila faty.

Toko faha-9

1 Ny fahendrena efa nanorina ny tranony, efa nipaika ny andriny fito,

2 efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy, ary efa nanamboatra ny latabany.

3 Naniraka ny ankizivaviny izy, dia miantso eo an-tampon'ny havoan'ny tanana:

4 Aoka hiditra aty izay kely saina! Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:

5 Avia, hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.

6 Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona hianareo; ary mizora amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina.

7 Raby no azon'izay mananatra ny mpananihany, ary ala-baraka no hitan'izay mandevilevy ny ratsy fanahy.

8 Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia halany hianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.

9 Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa; toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.

10 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an'ilay Masina.

11 Fa izaho no hihamaroan'ny andronao, sy hitomboan'ny taona iainanao.

12 Raha hendry hianao, dia soa ho anao ny hendry; fa raha mpamazivazy kosa, hianao ihany no hivesatra ny sazin'izany.

13 Ny fahadalana dia vehivavy vavana, donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona.

14 Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, mitaingin-tseza eo an-tampon'ny havoan'ny tanana,

15 mba hitsinjo ny mpandalo, izay mizotra amin'ny lalan-kalehany.

16 Aoka hiditra aty, izay kely saina! Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:

17 Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina am-piafenana!

18 Tsy fantany fa misy ambiroa ao, ary efa any amin'ny fanambanin'ny seoly sahady ny nasainy.

Toko faha-10

1 Ohabolan'i Salomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.

2 Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin'ny fahafatesana.

3 Tsy avelan'ny Tompo ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian'ny ratsy fanahy.

4 Izay malaina amin'ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan'ny mazoto kosa, manangon-karena.

5 Zanaka hendry izay mamory amin'ny fararano; fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin'ny taom-pijinjana.

6 Ny lohan'ny marina ihaviam-pitahiana, fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.

7 Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran'ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.

8 Izay hendry am-po mandray ny didy; fa ny adala amin'ny vavany kosa mamantana amin'ny fahaverezana.

9 Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.

10 Izay mihiringiri-maso, ho fototr'alahelo; ary izay adala amin'ny vavany kosa mamantana amin'ny fahaverezana.

11 Ny vavan'ny marina dia loharanon'aina; fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa, tototra faharatsiana.

12 Ny fankahalana, mihantsy ady; fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra.

13 Eo amin'ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena, fa tsora-kazo kosa no ho eo amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1536