Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-6

30 Tsy misy manafoka ny mpangalatra mandroba hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;

31 raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy, ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.

32 Fa tsy misy saina kosa izay manangy vehivavy, manary tena izay olona manao izany;

33 fery amam-pahafaham-baraka no hany azony, sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.

34 Fa entin'ny hasarotam-piaro ny lehilahy nalainy vady dia misafoaka: ka tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany faty.

35 Tsy hasiany raharaha akory izay vola fanavotana; tsy horaisiny na ataonao miavosa aza ny fanatitra.

Toko faha-7

1 Anaka, tano ny teniko, tehirizo ao aminao ny didiko.

2 Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao, tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.

3 Afehezo ho eo ambonin'ny rantsan-tànanao izy. Soraty eo amin'ny latabatry ny fonao izy.

4 Ny fahendrena ilazao hoe: Anabaviko hianao. Ary ny fahalalana antsoy hoe sakaizanao,

5 mba hiarovany anao amin'ny vadin'ny namana, sy amin'ny vehivavy an'olon-kafa manao teny mandrobo.

6 Teo am-baravaran-kelin'ny tranoko, nitazana teo amin'ny makarakara aho.

7 Tsikaritro teo amin'ireo tsy ampy saina, nahatsikaritra zazalahy iray kely saina, tamin'ireo zatovo ireo, aho.

8 Nandalo teo an-dalambe, anilan'ny fonenan'ny vehivavy an'olon-kafa izy, dia nandroso ho eo amin'ny tranony.

9 Efa takariva izay, ilay efa somambisamby iny, tao anatin'ny alina sy ny aizina.

10 Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray manao fitafian'olon-janga, manafin-kevitra am-po.

11 Mihavatravatra tsy azo atao amin'ahoana, tsy mahapetraka an-trano ny tongony;

12 mbetika ery an-dalam-be, mbetika ery amin'ny kianja, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.

13 Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany, ary sady manao tarehin'ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:

14 Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavanana aho, ary nefaiko androany ny voadiko.

15 Ka dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady anao, ka indro, nahita tokoa.

16 Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana, dia lamba fandrakofana folin'i Ejipta;

17 Ny fandriako efa norarahako zava-manitra, dia myrha, aloesy, ary sinamoma.

18 Andeha isika hivoky fitia, mandra-paharain'ny andro, andeha isika hiarana amin'ny fahafinaretan'ny nofo.

19 Fa tsy ao an-trano ny vadiko, lasa nivahiny lavitra izy.

20 Nentiny any aminy any, ny fitapom-bola; tsy hody izy raha tsy efa feno ny volana.

21 Ambosiny amin'ny teny maro eo izy, ary taominy amin'ny tenin'ny molony;

22 dia rafitra nanaraka azy miaraka amin'izay izy, tahaka ny omby entina hovonoina, tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin'ny gadra anasaziana azy,

23 mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin'ny atiny; tahaka ny vorona miantoraka amin'ny fandrika, tsy mahalala fa mihatra amin'ny ainy izany.

24 Ka ankehitriny, anaka, henoy aho, ary heony tsara ny teny aloaky ny vavako.

25 Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin'ny lalan'io, aza maniasia any amin'ny sakeli-dalany.

26 Fa maro no efa noratrain'izy io, ary betsaka no voan'izy io.

27 Ny tranony dia lalana mankany amin'ny seoly, izay midina ho any amin'ny fonenan'ny fahafatesana.

Toko faha-8

1 Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo ve ny fahalalana?

2 Eo an-tampon'ny toerana avo, eo amin'ny lalana, eo an-tsapanan-dalana izy no lasa mipetraka;

3 eo akaikin'ny varavarana sy amin'ny fidirana ho ao an-tanana, eo amin'ny fidirana amin'ny vavahady izy, mampandre ny feony:

4 Hianareo, ry olona, no hiantsoako, ary ny zanak'olombelona no alehan'ny feoko.

5 Mianara fahendrena, ry kely saina; mianara fahalalana, ry adala.

6 Mihainoa, fa manan-java-tsoa holazaina aho, ary misokatra hampianatra ny mahitsy ny molotro.

7 Fa ny marina no ambaran'ny vavako, ary ny tsy marina dia fahavetavetana ho an'ny molotro.

8 Marina avokoa ny teny aloaky ny vavako: fa tsy mba misy diso na safelipeli-teny.

9 Marina avokoa izy, ho an'izay mazava saina; ary mahitsy ho an'izay nahazo ny fahaizana.

10 Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana.

11 Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary na ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.

12 Izaho fahendrena, dia miara-monina amin'ny fahamalinana, ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana.

13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'ny Tompo; ry raharaha aman'avonavona, ny lalan'ny haratsiana, ary ny lela fandainga dia izany no halako.

14 Ahy ny fisainana amam-pahombiazana; Izaho no fahazavan-tsaina, ahy ny hery.

15 Izaho no anapahan'ny mpanjaka, sy andidian'ny mpanapaka izay rariny.

16 Izaho no anapahan'ny mpifehy, mbamin'ny lehibe, dia ny mpitsaran'ny tany rehetra.

17 Tiako izay tia ahy, ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1507