Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-15

13 Ny fo ravoravo, mahamiramiran'endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.

14 Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan'ny adala mifahana fahadalana.

15 Ratsy avokoa ny andron'ny mijaly, fa fanasana lava ny fo ravoravo.

16 Aleo ny kely ombam-pahatahorana an'ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ahiahy.

17 Aleo anana ombam-pitiavana; toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.

18 Ny olo-masiaka manetsik'ady, ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.

19 Ny lalan'ny kamo, toa fefy tsilo; ny lalan'ny olo-mahitsy dia voarina tsara.

20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; ny adala kosa maneso ny reniny.

21 Hafaliana ho an'ny olona tsy ampy saina, ny hadalana, fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.

22 Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.

23 Fifaliana ho an'ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin'izay antonina azy.

24 Ny hendry mizotra lalan'aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin'ny seoly izay any ambany.

25 Ny tranon'ny mpiavonavona, ravan'ny Tompo; fa ny baorina mamaritra ny an'ny mpitondra-tena kosa aoriny mafy.

26 Halan'ny Tompo ny hevi-dratsy; fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.

27 Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly, no ho velona.

28 Ny fon'ny marina, mihevitra izay tokony ho valiany, fa ny vavan'ny adala mitsaontsaon-dratsy.

29 Lavitra ny ratsy fanahy Iaveh, fa ny vavaky ny marina, henoiny.

30 Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

31 Ny sofina mihaino anatra mahavonjy, manana anjara toerana eo amin'ny hendry.

32 Izay manda anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.

33 Ny fahatahorana an'ny Tompo, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.

Toko faha-16

1 Ny mamorona fikasana ao am-po no an'ny olona; fa ny famalian'ny lela dia avy amin'ny Tompo.

2 Madio eo imason'ny olona ny lalany rehetra; fa Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.

3 Mangataha fanampiana amin'ny Tompo amin'ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao.

4 Nataon'ny Tompo ho amin'ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin'ny andro mahory koa.

5 Fahavetavetana amin'ny Tompo ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.

6 Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an'ny Tompo no analavirana ny ratsy.

7 Raha sitrak'Iaveh ny lalan'ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.

8 Aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harem-be omban'ny tsy fahamarinana.

9 Ny fon'ny olona no misaina izay halehany, fa Iaveh ihany no mitondra ny diany.

10 Teny to no eo amin'ny molotry ny mpanjaka; aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.

11 Avy amin'ny Tompo ny mizana aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizana amin'ny kitapo.

12 Fahavetavetana amin'ny mpanjaka ny manao ratsy; fa ny rariny no iorenan'ny seza fiandrianana mafy.

13 Mahita sitraka amin'ny mpanjaka, ny molotra marina; ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.

14 Iraky ny fahafatesana ny hatezeran'ny mpanjaka; ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.

15 Mampiaina ny fahamiramiranan-tarehin'ny mpanjaka; ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.

16 Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.

17 Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina; ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

18 Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.

19 Aleo miara-mietry tena amin'ny madinika, toy izay miara-mizara babo amin'ny mpiavonavona.

20 Mahita ny fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin'ny Tompo.

21 Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina; ary ny hamamian'ny molotra mampitombo ny fahalalana.

22 Loharanon'aina ho an'izay manana azy ny fahalalana; ary ny sazy ho an'ny adala dia ny fahadalany.

23 Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon'ny hendry, sady mampitombo ny fahalalana eo amin'ny molony.

24 Ny teny soa dia toho-tantely: mamin'ny fanahy sy mahasalama ny vatana.

25 Misy lalana miseho ho mahitsy amin'ny olona; kanjo lalana mankamin'ny fahafatesana no iafarany.

26 Miasa ho an'ny tenany ny mpiasa, fa asesiky ny vavany hanao izy.

27 Loza no vononin'ny ratsy fanahy; ary toa afo miredareda no eo amin'ny molony!

28 Ny olon-dratsy mamelona adiady, ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.

29 Ny olona mpanao an-keriny manodoka ny namany, ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1538