Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-16

30 Izay mikipy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.

31 Loza no vononin'ny ratsy fanahy; ary eo amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahitana azy.

32 Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.

33 Ny olona manipy ny filokana amin'ny zoron'akanjo, fa avy amin'ny Tompo ihany izay fanapahana rehetra.

Toko faha-17

1 Aleo sombi-mofo maina ombam-piadanana, toy izay trano feno hena misy fifandirana.

2 Mihoatra noho ny zanaka mahamenatra ny mpanompo malina; ka hizara lova amin'izy mirahalahy izy.

3 Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an'ny volamena dia ny fandrendrehana; fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo.

4 Ny ratsy fanahy mihaino izay molotra ratsy; ary ny mpandainga no mampandry sofina amin'izay lela ratsy.

5 Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy; ary izay mifaly amin'ny fahorian'ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory.

6 Satro-boninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanaka, ary voninahitry ny zanany ny rainy.

7 Tsy tandrifin'ny adala ny hanao teny mendrika indrindra, vao mainka tsy tandrifin'ny andriana ny teny mandainga!

8 Vato soa ho an'izay manana azy ny fanatitra, ka amin'izay itodihany ahombiazany avokoa.

9 Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin'ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.

10 Ny fananarana indray maka manan-kery amin'ny manan-tsaina, noho ny kapoka zato amin'ny olona adala.

11 Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.

12 Aleo mifanena amin'ny orsavavy very anaka, toy izay amin'ny adala raha mihetsi-pahadalana izy.

13 Izay mamaly ratsy ny soa, dia tsy hialan-doza mandrakizay ny tranony.

14 Ny manombok'ady, dia toy ny manata-drano, ka mihataha hianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra.

15 Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason'ny Tompo.

16 Hatao inona ny vola eo an-tanan'ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany.

17 Ny sakaiza dia ny tia amin'ny fotoana rehetra; amin'ny fahoriana, mitsanga-ko rahalahy izy.

18 Ny olona tsy misy saina mamehy tena amin'ny fanekena, manolo-tena ho antoka hisolo ny namany.

19 Izay tia ady, tia ota, ary izay avo vava tia fionganana.

20 Izay manana fo mamitaka tsy mahita ny fahasambarana, ary izay manana vava ratsy mivarina aman-doza.

21 Izay miteraka adala, hahazo alahelo; ny rain'ny adala tsy mba ho faly.

22 Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

23 Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy; ho enti-mamadika ny lalan'ny fahamarinana.

24 Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason'ny adala dia any am-paran'ny tany.

25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy, sady fahoriana ho an-dreniny.

26 Tsy mety ny mamely ny marina amin'ny sazy, na manameloka ny manan-kaja noho ny fahitsiam-pony.

27 Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana, ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina.

28 Na ny adala aza, atao ho hendry raha mangina, ary atao ho manan-tsaina, raha mikombom-bava.

Toko faha-18

1 Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filany ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.

2 Tsy mba ny hahazo fahalalana no sitraky ny adala fa ny haneho ny heviny ihany.

3 Raha tonga ny ratsy fanahy, tonga koa ny fanalam-baraka, ary miaraka amin'ny henatra, tonga koa ny fanalam-baraka.

4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona; rano tondraka ny loharanon'ny fahendrena.

5 Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha, mba handresy ny marina amin'ny fitsarana.

6 Miditra amin'ny fifandirana ny molotry ny adala; ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany.

7 Fanimbana ho azy ny vavan'ny adala; ary fandrika amin'ny fanahiny ny molony.

8 Hanim-py ny tenin'ny mpitati-bolana, ka mikorotsaka hatrany anatin'ny kibo.

9 Izay ketraka amin'ny asany, dia rahalahin'izay efa mandroso ho amin'ny fahaverezana.

10 Ny anaran'ny Tompo dia trano avo mafy: ialofan'ny marina, sy itoerany tsy aman'ahiahy.

11 Ny haren'ny mpanana no vohiny mafy, araka ny heviny dia manda avo izany.

12 Misandratra ny fon'ny olona alohan'ny faharavany, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.

13 Izay mamaly teny mbola tsy nihaino, dia hadalana sy henatra ho azy izany.

14 Ny sain'ny olona no manohana azy raha marary; fa raha ny saina no kivy, iza indray no hanarina azy?

15 Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin'ny hendry mitady ny fahaizana.

16 Ny fanatitra omen'ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin'ny lehibe.

17 Izay mandahatra aloha toa marina; fa tamy ny andaniny, dia dinihina ny ady.

18 Ny filokana mampitsahatra ny fifandirana, sy mampisaraka ny samy mahery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.154