Bokin'ny Ohabolana
Toko faha-18
19 Manoatra ny tanana mimanda, ny rahalahy miady amin'ny rahalahiny; ary tahaka ny hidin'ny lapa ny fifandiran'izy ireo.20 Ny vokatry ny vavan'ny olona no iveloman'ny vatany, ary ny vokatry ny molony no ivokisany.
21 Manam-pahefana hahafaty sy hamelona, ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin'ny olona ny voany.
22 Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin'ny Tompo izany.
23 Fitarainana no fitenin'ny mahantra, ka teny henjana no avalin'ny mpanana.
24 Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin'ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Toko faha-19
1 Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny, toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.2 Tsy tsara ny tsy fahalalan'ny fanahy, ary lavo ny olona faingam-pandeha.
3 Ny hadalan'ny olona no mahasimba ny lalany; ka Iaveh no itezeran'ny fony.
4 Ny harena mahamaro sakaiza, fa ny mahantra dia tafasaraka amin'ny sakaizany.
5 Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina, ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.
6 Ny olona mahafoy be, maro mpandoka; ary izay mahatolotolotra, sakaizan'ny rehetra.
7 Ny rahalahin'ny mahantra mankahala azy avokoa, koa mainka ny sakaizany, no mihataka aminy koa! Mba mitady teny soa izy, fa tsy mahita izany akory.
8 Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny, ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.
9 Ny vavolombelona tsy marina, tsy ho afa-maina; ary izay milaza lainga, ho very.
10 Ny adala tsy tandrifin'ny hiaina ao anatin'ny fahafinaretana; ka mainka izay manompo ve no hanapaka ny andriandahy?
11 Ny fahendren'ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
12 Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy; ary ny ady ataon'ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitete tsy an-kijanona.
13 Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy; ary ny ady ataon'ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitete tsy an-kijanona.
14 Trano sy harena no lova amin'ny ray; fa ny vady manan-tsaina, fanomezana avy amin'ny Tompo.
15 Ny hakamoana mampatoritory foana; ary ny fanahy malaina ho tratry ny mosary.
16 Izay mitandrina ny lalàna miaro ny fanahiny; izay tsy mitandrina ny lalany, ho faty.
17 Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an'ny Tompo, ka izy no hamaly ny soa nataony.
18 Faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany; nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.
19 Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin'izany; raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.
20 Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry hianao amin'ny andro sisa hiainanao.
21 Maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon'ny olona, fa ny hevitry ny Tompo ihany no tanteraka.
22 Ny hatsaram-pon'ny olona no manambara azy ho mahafatra-po, ary aleo ny mahantra toy izay ny mpandainga.
23 Ny fahatahorana an'ny Tompo no mitarika ho amin'ny fiainana, ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.
24 Ny kamo mangaron-dovia amin'ny tanany; fa tsy mampakatra ny tanany ao am-bavany indray.
25 Kapohy ny mpamazivazy, dia hihahendry ny kely saina; anaro ny olona manan-tsaina dia hahazo ny fahaizana izy.
26 Izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny, dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.
27 Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana hianao, dia hanalavitra ny tenin'ny fahaizana.
28 Ny vavolombelona ratsy, manamavo ny rariny, ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina faharatsiana.
29 Vonona ho an'ny mpamazivazy ny fitsarana, ary ho an'ny lamosin'ny adala ny kapoka.
Toko faha-20
1 Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin'izany tsy mba hendry.2 Sahala amin'ny fieron'ny liona ny fampitahorana avy amin'ny mpanjaka; ka manota amin'ny tenany izay mampatezitra azy.
3 Voninahitra ho an'ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin'ny hatezerana.
4 Tsy mety miasa ny kamo fa hoe ratsy ny andro; ka amin'ny andro fijinjana, hitady izy fa tsy hisy na inona na inona.
5 Rano lalina ny fisainana ao am-pon'ny olona; fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.
6 Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
7 Handeha amin'ny fahamarinany ny olona marina; sambatra izay zanany mandimby azy!
8 Ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fitsarana dia manafoana ny ratsy rehetra amin'ny fijeriny.
9 Iza no hilaza hoe: Efa nandio ny foko aho, ka afaka madiodio tamin'ny fahotako?
10 Ny vato-mizana samihafa sy ny efah samihafa, dia samy zavatra hankahalain'ny Tompo.
11 Ny zaza dia efa maneho amin'ny fanaony sahady, na ho madio sy mahitsy ny asany, na hanao ahoana.
12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita, dia samy nataon'ny Tompo avokoa.
13 Aza tia torimaso, fandrao tonga mahantra; ahirato ny maso, dia ho voky hanina hianao.
14 Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy; kanjo nony avy eo izy, falifaly ery!
15 Eo ihany ny volamena amam-boahangy betsaka; fa fanaka sarobidy, ny molotry ny hendry.