Bokin'ny Ohabolana
Toko faha-20
16 Endaho ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy; tereo izy hanome antoka noho ny amin'ny vahiny.17 Mamin'ny olona ny hanina azo am-pitaka, nefa amin'ny farany feno fasika ny vavany.
18 Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
19 Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina; ka ialao tsara rahefa olona miteniteny lava.
20 Raha misy manozona ny ray aman-dreniny, dia ho faty jiro ao anatin'ny aizim-pito.
21 Ny lova malaky azo tam-boalohany, dia tsy arahin-tsodrano any amparany.
22 Aza manao hoe: Hamaly ratsy ny nataony aho; fa manantena an'ny Tompo, dia hamonjy anao izy.
23 Halan'ny Tompo ny vato-mizana samihafa; ary tsy mba tsara ny mizana mandainga.
24 Iaveh no mitarika ny dian'ny olona; ary ataon'izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
25 Fandrika ho an'ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity; ka efa vita ny voady vao mieritreritra.
26 Ny mpanjaka hendry manafoana ny ratsy fanahy; sy mandefa kodia eo ambonin'ireny.
27 Jiron'ny Tompo, ny fanahin'ny olombelona, maninteraka hatrany anatin'ny fo.
28 Ny fahatsaram-po amam-pahamarinana no miaro ny mpanjaka; ary ny hatsaram-po no anamafisany ny seza fiandrianany.
29 Ny hery no haingon'ny zatovo, ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.
30 Ny kapoka mandrovidrovitra ny nofo, mahasitrana ny faharatsiana; torak'izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.
Toko faha-21
1 Rano mandeha eo an-tanan'ny Tompo ny fon'ny mpanjaka, ka atongilany amin'izay rehetra tiany.2 Mahitsy eo imason'ny olona ny lalany rehetra, nefa Iaveh ihany no mandanja ny fo.
3 Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason'ny Tompo mihoatra noho ny sorona.
4 Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon'ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
5 Ny fikasan'ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin'ny ataony dia mosary ihany no azony.
6 Ny rakitra azon'ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an'olona mila faty.
7 Ny hatezeran'ny ratsy fanahy mampivaona azy; satria efa tsy trany ny hanaraka ny rariny.
8 Miolikolika ny lalan'ny olo-meloka, fa ny tsy manan-tsiny kosa dia mahitsy amin'ny asany.
9 Aleo mitoetra eny an-joron-tafontrano, toy izay miara-monina amin'ny vehivavy tia ady.
10 Maniry ny ratsy ny fahanin'ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.
11 Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.
12 Dinihin'ny marina ny tranon'ny ratsy fanahy; Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin'ny loza.
13 Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
14 Ny fanomezana mangingina mampitony hatezerana; ny fanatitra alaina anaty valombalonan-damba mampitsahatra fahavinirana efa tafahoatra.
15 Hafaliana ho an'ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an'ilay manao ratsy.
16 Ny olona miala amin'ny lalan'ny fahamalinana, dia handry eny amin'ny fivorian'ny maty.
17 Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra.
18 Ny ratsy fanahy hisolo voina ny marina; ary ny mpivadika hisolo voina ny olo-mahitsy fo.
19 Aleo mitoetra any an'efitra, toy izay amin'ny vehivavy tia ady sy foizina.
20 Ny tranon'ny hendry misy rakitra sarobidy sy diloilo; fa ny adala kosa mikepoka ireny.
21 Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
22 Mahanika ny vohitry ny mahery ny hendry; sady mandrodana ny manda nataony fianteherana.
23 Izay miambina ny vavany aman-delany, mpiaro ny fanahiny tsy ho azon'ahiahy.
24 Ny atao hoe mpamazivazy dia izay olona mianjonanjona, feno avona, izay fatra-pirehaka amin'ny ataony.
25 Ny faniriana foan'ny kamo mahafaty azy, satria manda tsy hiasa ny tanany.
26 Maniry mafy izy tontolo andro, fa manome tsy an-kijanona kosa, ny marina.
27 Ny soron'ny ratsy fanahy, dia havetavetana, indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.
28 Ny vavolombelona mandainga, ho faty; fa ny olona mihaino kosa manan-kalahatra mandrakariva.
29 Ny ratsy fanahy maneho hasahisahiana amin'ny endriny, fa ny mahitsy fo kosa manitsy ny lalany.
30 Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan'ny Tompo.
31 Ny olona manomana ny soavaly ho amin'ny andro hiadiana, fa Iaveh ihany, no iankinan'ny fandresena.
Toko faha-22
1 Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.2 Mihaona ny mpanana sy ny mahantra, samy asan'ny Tompo, izy roa tonta.
3 Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany, ka voa.
4 Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an'ny Tompo; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.