Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-25

7 Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara aty; toy izay hianao no haetry eo imason'ny andriana, izay efa hitanao maso.

8 Aza dia faingam-panohitra foana, fandrao tsy mahita izay hatao hianao amin'ny farany.

9 Raha naniratsira anao ny namanao, dia tohano ny adinao amin'ny namanao,

10 fa aza manambara ny zavatra miafin'ny olon-kafa, fandrao mahasafo-kenatra anao, izay mandre izany, ka tsy ho afaka aminao ny fahafaham-baraka.

11 Toy ny paoma volamena eo amin'ny ravaka voasokitra amin'ny volafotsy, ny teny atao amin'ny antony.

12 Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.

13 Toy ny fangatsiatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy: mamelombelona ny fanahin'ny tompony izy.

14 Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa, ny olona mirehaka amin'ny fanatitra hosoka.

15 Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara; ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.

16 Raha tojo tantely hianao, ny sahaza anao ihany hanina, fandrao voky azy hianao, ka handoa azy indray.

17 Aza mateti-pihavy ao an-tranon'ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.

18 Kanonta aman-tsabatra ary zana-tsipika maranitra; toy izany ny olona mitsangan-kiampanga tsy marina ny namany.

19 Nify tapatapaka sy tongotra mibolisatra, dia toy izany no fitokiana ny mpamadika, amin'ny andron'ny fahoriana.

20 Toy ny miala lamba amin'ny andro mangatsiaka, na minisy vinaingitra amin'ny sirahazo, ny manao kalokalo amin'ny malahelo am-po.

21 Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

22 fa amin'izany hianao hanangona vainafo ho eo an-dohany; ary Iaveh hamaly soa anao.

23 Ny rivotra avy avaratra miteraka orana; ny lela mpifosa kosa, mampahasosotra endrika.

24 Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-mipetraka amin'ny vehivavy tia ady.

25 Rano mangatsiaka ho an'ny olona mangetaheta, toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.

26 Fantsakana voatsikebona, loharano voaloto, toy izany ny marina mangozohozo eo anoloan'ny ratsy fanahy.

27 Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka, toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian'Andriamanitra, fa ho resin'ny voninahiny.

28 tanana efa afaky ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.

Toko faha-26

1 Toy ny oram-panala fahavaratra sy ranonorana amin'ny taom-pijinjana, no tsy iendrehan'ny voninahitra ho an'ny adala.

2 Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin'ny sidintsidina, no tsy fihatry ny ozonozom-poana.

3 Ny karavasy ho an'ny soavaly, ny lamboridy ho an'ny ampondra, ary ny tsorakazo ho an'ny lamosin'ny adala.

4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao dia manahaka azy koa hianao.

5 Valio araka ny hadalany ny adala, fandrao dia manao azy ho hendry izy.

6 Manapaka ny tongony sy misotro tsy fahamarinana, izay mampitondra teny ny adala.

7 Esory amin'ny mandringa ny tongony, sy ny oha-teny eo am-bavan'ny adala.

8 Toy ny mamehy vato amin'ny antsamotady, ny manome voninahitra ny adala.

9 Toy ny tsilo milentika amin'ny tanan'ny mamo, ny oha-teny eo am-bavan'ny adala.

10 Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra, ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.

11 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.

12 Raha mahita olona manao azy ho hendry hianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

13 Hoy ny kamo: Misy liona any an-dalam-be; misy liona atsy amin'ny arabe.

14 Ny varavarana mihodina eo amin'ny saviliny, toy izany koa ny kamo mihodina eo amin'ny fandriany.

15 Mangaron-dovia amin'ny tanany ny kamo; ary manahirana azy ny hampakatra izany eo am-bavany.

16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry, mihoatra ny mpihevitra fito mahira-tsaina.

17 Toy ny olona misambotra amboa amin'ny sofiny, ny mpandalo misafoaka amin'ny adin'ny hafa.

18 Toy ny mpisafoaka mandefa longy mirehitra afo, sy zana-tsipìka amam-pahafatesana,

19 ny olona izay efa namitaka ny namany, ka manao hoe: Vosibositra fotsiny no nataoko.

20 Raha tsy eo ny kitay maty ny afo: alavito ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.

21 Ny arina mampisy vainafo, ny kitay mampisy afo, ny olona tia ady kosa mamelona fifandirana.

22 Toy ny hanim-py ny tenin'ny mpitati-bolana, ka mikorotsaka hatrany anatin'ny tsinay.

23 Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy, ny molotra maimay miaraka amin'ny fo ratsy.

24 Mihatsaravelatsihy amin'ny vavany ny mpankahala, kanjo manafi-pitafaka ao anatiny;

25 koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony.

26 Azony afenina ihany amin'ny fihatsaram-belatsihy ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin'ny fivoriana ny faharatsiany.

27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao; ary izay manakodia vato no hikodiavany.

28 Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga, ary mampidi-doza, ny vava mandoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1508