Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-28

24 Izay mandroba ray aman-dreny, ka manao hoe: tsy fahotana izany, dia naman'ny jiolahy.

25 Ny olona matimatin-karena, mamelona ady, fa izay mitoky amin'ny Tompo, dia ho voky.

26 Adala izay mitoky amin'ny fon'ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.

27 Tsy ho voan'ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran'ozona kosa, izay mihirim-belona.

28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, miery avokoa ny olona, fa raha ringana kosa ireny, mihamaro ny marina.

Toko faha-29

1 Ny olona tandrifin'ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.

2 Raha mihamaro ny marina, faly ny vahoaka, fa raha ny ratsy fanahy no mitondra fanjakana, misento ny vahoaka.

3 Izay tia ny fahendrena, mahafaly ny rainy, fa izay fatra-piaraka amim-behivavy janga, mandany ny hareny.

4 Ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny amin'ny fahamarinana, fa izay tia kolikoly kosa, mandrava azy.

5 Ny olona mandoka ny namany, mamela-pandrika ny tongony.

6 Fandrika no amin'ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an'ny marina.

7 Ny marina, mahalala ny adin'ny mahantra; fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.

8 Ny mpamazivazy mampirehitra afo handoro ny tanana, ny hendry kosa, mampitony ny hatezerana.

9 Raha ny hendry no miady amin'adala, na tezitra izy na miomehy, tsy hisy fihavanana.

10 Halan'ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain'izy io kosa, ny mahitsy fo.

11 Ny adala manampatra ny hatezerany rehetra, ny hendry kosa, manonona sy mahafehy azy.

12 Raha mihaino teny lainga ny mpanapaka, dia ratsy fanahy avokoa ny mpanompony.

13 Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory, Iaveh no manazava ny mason'izy roa tonta.

14 Ny mpanjaka mitsara marina ny mahantra, dia hahamafy orina ho mandrakizay, ny seza fiandrianany.

15 Ny tsorakazo amam-pamaizana mampahazo ny fahendrena, fa ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.

16 Raha mitombo ny ratsy fanahy, mitombo koa ny heloka, fa ny marina kosa hahita ny fidabok'ireny.

17 Faizo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy, sy hampahazo fifaliana ho an'ny fanahinao.

18 Rahefa tsy misy fahitana intsony tsy misy mahafehy ny vahoaka. Sambatra izay mitandrina ny lalana.

19 Tsy mba teny no ananarana ny mpanompo; fa na azony aza izany dia tsy mba manaiky izy.

20 Raha mahita olona haingam-bava hianao, dia ny adala no misy hantenaina noho izy.

21 Mpanompo nohantaina fahazaza: mihambo ho zanaka no farany.

22 Ny olona mora tezitra mamelona ady; ny olo-masiaka, be hadisoana.

23 Ny avonavon'ny olona, mamarina amin'ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.

24 Mankahala ny fanahiny, izay miara-mizara amin'ny mpangalatra, fa mandre ny fanozonana izy, nefa tsy milaza na inona na inona.

25 Ny tahotra olombelona, misy fandrika ao anatiny; fa ny matoky amin'ny Tompo, no tafatoetra tsy misy hatahorany.

26 Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; fa Iaveh ihany no ihavian'ny fitsarana marina ny olona isam-batana.

27 Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an'ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an'ny ratsy fanahy.

Toko faha-30

1 Tenin'i Agora, zanak'i Jake; oha-teny. Hoy izany lehilahy izany: Nanasa-tena aho, mba hahalalako an'Andriamanitra, mba hahalalako an'Andriamanitra dia lany ny heriko.

2 Fa ketrina noho ny olona rehetra aho, ary tsy mba sain'olombelona ny ahy.

3 Fa tsy mba nianatra ny fahendrena aho, ary tsy fantatro ny fahalalana an'ilay Masina.

4 Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any? Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no mampiorina mafy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Mahalala izany va hianao?

5 Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.

6 Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny; sao anariny hianao, ka ho hita fa mpandainga.

7 Zavatra roa no angatahiko aminao, ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:

8 Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:

9 fandrao voky aho dia manda anao, ka hanao hoe: Iza moa Iaveh? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny anaran'Andriamanitra.

10 Aza manendrikendrika mpanompo amin'ny tompony, fandrao hozoniny hianao, ka hitondra faisana amin'izany.

11 Misy taranaka manozona ny rainy, sady tsy misaotra ny reniny.

12 Misy taranaka manao ny tenany ho madio, kanjo tsy voasasa amin'ny fahalotoany.

13 Misy taranaka, miandranandram-pijery aoka izany, sady miavoavo hodimaso ery!

14 Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny, ary antsy ny vazany; hihinana ny ory tsy ho amin'ny tany, sy ny tsy manana tsy ho eo amin'ny olombelona.

15 Manan-janakavavy roa ny dinta, dia ny hoe: Omeo! Omeo! Zavatra telo no tsy mety voky, efatra no tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana;

16 dia ny seoly, ny kibo momba, ny tany tsy vonton-drano, ary ny afo koa izay tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana.

17 Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin'ny zana-boromahery.

18 Misy zavatra telo mihoatra ny saiko, efatra aza no tsy takatro:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1497