Bokin'ny Mpitoriteny
Toko voalohany
5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin'ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray.6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo.
7 Mankany amin'ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin'ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka.
8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.
9 Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao, no hatao, fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.
10 Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin'ny siekla talohantsika izany zavatra izany.
11 Ny taloha, tsy tsaroan'ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin'izay ho velona rahatrizay.
12 Izaho, Mpitoriteny, dia efa mpanjakan'Israely, tao Jerosalema,
13 ary nampiasa ny saiko aho, hikaroka sy hamantatra amin'ny fahendrena, ny zavatra rehetra atao aty ambany masoandro: asa manasatra izany, nefa asain'Andriamanitra hilofosan'ny zanak'olombelona.
14 Nodinihiko avokoa ny zavatra atao ety ambany masoandro, ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.
15 Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray, ary ny tsy eo, tsy azo isaina.
16 Hoy aho anakampoko: Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema, ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.
17 Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena, sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana, dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany.
18 Satria rahefa be fahendrena, be alahelo koa; ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa.
Toko faha-2
1 Hoy aho tamin'ny foko: Andeha ary hozahako toetra amin'ny hafaliana hianao, ka andramo ny faharinaretana. Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.2 Hoy aho mantsy ny fihomehezana: Hadalana! ary mantsy ny fifaliana: Inona no vokatra avy aminy?
3 Ny hanarana ny nofoko amin'ny divay no nimasoako tao am-poko, nefa amin'izay dia mbola hotarihin'ny foko amim-pahendrena ihany aho; ary hiraikitra amin'ny hadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona, hataony amin'ny andro iainany aty ambanin'ny lanitra.
4 Nanao asa lehibe aho, nanorina trano ho ahy; namboly tanim-boaloboka ho ahy aho,
5 nanamboatra zaridaina aman-tsaha nambolena hazo mamoa, dia namboly hazo fihinam-boa isan-karazany teo,
6 nanao famorian-drano aho, hanondrahana ny alakely anirian'ny hazo.
7 Nividy ankizilahy aman-ankizivavy aho, ary nanana ny zanany teraka tao an-trano ihany; nanana andian'ondry aman'omby koa aho, mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.
8 Nanangona volafotsy amam-bolamena aho, mbamin'ny harenan'ny mpanjaka sy ny faritany; naka mpirahalahy amam-pirahavavy aho, ary nahazo ny fahafinaretan'ny zanak'olombelona, vehivavy ankamaroany.
9 Dia tafasandratra aho, ary tafahoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema, ary na ny fahendreko aza, mbola nipetraka tato amiko ihany.
10 Izay rehetra nirin'ny masoko, tsy nisy nesoriko taminy; izay mety ho fifaliana, tsy misy nolaviko tamin'ny foko; fa nifaly tamin'ny asako rehetra ny foko, ary izany no anjarako tamin'ny asako rehetra.
11 Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon'ny tànako, mbamin'ny fahasasarana nolaniko nanatanterahana izany; ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany; fa tsy misy zava-tsoa azo, aty ambany masoandro.
12 Dia nitodika hijery ny fahendrena aho, Hampitaha azy amin'ny hadalana amam-pahafokana; satria zovy indray moa no mety hanaraka ny mpanjaka, izy izay efa nomena izany fiamboniana izany hatr'izay ela izay?
13 Ary hitako fa ny hatsaran'ny fahendrena noho ny hadalana, dia toraky ny hatsaran'ny mazava noho ny maizina.
14 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina.
15 Ary hitako kosa anefa fa iray ihany ny anjara nahazo azy roa tonta. Ka hoy aho anakampoko: Iray amin'ny anjaran'ny adala ihany no anjara hihatra amiko; ka soa inona ary ho ahy izao fahendreko rehetra izao? Dia hoy aho anakampoko: Zava-poana ihany koa izany.
16 Fa ny fahatsiarovana ny hendry, dia tsy mandrakizay, toy ny an'ny adala ihany koa: hatramin'ny andro vao manaraka dia samy hohadinoina ihany izy roa tonta. Hanky ny hendry mba maty tahaka ny adala!
17 Ka dia boboky ny fiainana aho, satria ratsy eo imasoko ny zavatra atao aty ambany masoandro, fa zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana avokoa.
18 Ary halako ny asako rehetra izay nataoko aty ambany masoandro, sy izay havelako ho an'ilay olona ho tonga manaraka ahy.
19 Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy? Kanefa izy no ho tompon'ny asako rehetra, izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko taty ambany masoandro. Zava-poana ihany koa izany.
20 Dia tonga namarina ny foko amin'ny fanarian-toky aho, noho ny asa rehetra nataoko taty ambany masoandro.
21 Fa olona nanampatra, tamin'ny asany, fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana, ka dia mamela ny vokatry ny asany ho anjaran' ny olona tsy nisasatra tamin'izany akory: izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe!
22 Inona tokoa moa, no azon'ny olona, amin'ny asany rehetra, sy amin'ny ahiahim-pony rehetra, izay nanasatra azy taty ambany masoandro?
23 Fa ny androny fahoriana avokoa, ny raharahany, fahasorisorenana fotsiny. Ny alina avy no tsy itsaharan'ny fony: Zava-poana ihany koa izany.
24 Tsy misy soa ho an'ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin'ny fiadanana, eo amin'ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin'ny tanan'Andriamanitra.
25 Zovy tokoa moa, raha tsy misy azy, no ho afa-mihinana sy miarana amin'ny fiadanana?
26 Fa ny olona izay eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosana zavatra mba hisy omeny an'izay olona tsara eo imason'Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Toko faha-3
1 Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro:2 fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
3 Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
4 Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
5 Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana.
6 Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitehirizana, ary fotoana hanariana.
7 Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.
8 Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.
9 Inona no soa an'izay miasa, amin'ny hasasarana iaretany?
10 Nodinihiko ny asa asain'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona;