Bokin'ny Mpitoriteny
Toko faha-3
11 ka ny zavatra rehetra samy nataon'Andriamanitra ho tsara amin'ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon'izy ireo koa, nefa tsy azon'ny olombelona fantarina ny asa ataon'Andriamanitra hatramin'ny fiandohany ka hatramin'ny fiafarany.12 Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin'ny andro iainany:
13 ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin'ny asany rehetra dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14 Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon'Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an'izany na analana amin'izany. Ka ny hahatahoran'ny olona azy, no nanaovan'Andriamanitra an'izany.
15 Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin'Andriamanitra ny efa lasa.
16 Izao koa no hitako, taty ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan'ny faharatsiana, ary ho solon'ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.
17 Hoy aho anakampoko: Hotsarain'Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18 Hoy aho anakampoko: Ny amin'ny zanak'olombelona: Tonga izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy ireo, sy hahitan'izy ireo, fa raha ny momba ny tenany ihany, dia biby navela teo izy.
19 Fa ny anjaran'ny zanak'olombelona, dia ny anjaran'ny biby, iray ihany no anjaran'izy roa tonta; toy ny ahafatesan'ny iray, no ahafatesan'ny iray koa; fofon'aina iray no an'izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran'ny olombelona amin'ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
20 Fitoerana iray, no alehan'ny zavatra rehetra: vovoka no nihavian'ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan'ny zava-drehetra.
21 Iza moa no mahalala ny fofon'ain'ny zanak'olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon'ain'ny biby, midina any ambany mankamin'ny tany?
22 Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an'ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin'ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?
Toko faha-4
1 Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao aty ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan'ny fanaovana an-kerin'ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy.2 Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny maty izay efa maty, noho ny velona izay mbola velona izao.
3 Ary sambatra noho izy roa tonta ireo indray aza, ny tsy mbola hary akory, ka tsy nahita ny asa ratsy, atao aty ambany masoandro.
4 Hitako fa ny asa rehetra mbamin'ny fahakingana rehetra amin'ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin'olona avy amin'ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
5 Ny adala manohon-tànana ihany, sady mihinana ny nofon'ny tenany.
6 Aleo tànan'ila feno fiadanana; toy izay tànan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.
7 Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa aty ambany masoandro:
8 Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa asa lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an'iza ary ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.
9 Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery; fa rahefa olon-droa dia misy karama be azony amin'ny asany,
10 fa raha lavo izy ireo, azon'ny anankiray arenina ny namany. Fa loza kosa no mahazo ny manirery, ka lavo tsy misy namana hanarina azy!
11 Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa; fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy?
12 Ary raha misy maharesy ny irery, ho voatohitry ny roa ihany kosa; ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.
13 Aleo zatovo mahantra sy hendry, toy izay mpanjaka antitra sy adala, tsy mety mihaino torohevitra intsony;
14 fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy, na dia teraka mahantra teo amin'ny fanjakany aza.
15 Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho, teo anilan'ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjaka antitra.
16 Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny làlana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
17 Tandremo ny tongotrao, raha mankany an-tranon'Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon'ny adala; satria entin'ny tsy fahalalany hanao ratsy izy ireny.
Toko faha-5
1 Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan'Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, hianao ety an-tany; ka aoka ho vitsy teny hianao.2 Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin'adala.
3 Raha manao voady amin'Andriamanitra hianao, aza ela fanefa izany, fa tsy misy hasoavana homena ny adala: koa efao ny voady ataonao.
4 Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady, toy izay mivoady tsy mahefa.
5 Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao; ary aza milaza eo anatrehan'ny irak'Andriamanitra hoe: zavatra tsy nahy izany: fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin'ny teninao, ka handrava ny asan'ny tànanao?
6 Fa toy ny isian'ny zava-poana amin'ny hamaroan-draharaha, no isian'izany koa, amin'ny teny maro; ka matahora an'Andriamanitra.
7 Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin'izany, fa ny olona ambony tandreman'ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
8 Tena soa tokoa ho an'ny tany, raha dinihina tsara, ny ananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.
9 Izay tia vola tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr'izany. Zava-poana koa izany.
10 Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon'ny tompony amin'izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
11 Mamy ny torimason'ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan'ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.
12 Misy loza makadiry hitako taty ambany masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany.
13 Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.
14 Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny nihaviany avy ao ihany; fa tsy hahazo na inona na inona avy amin'ny asany, ho azony tentina eny an-tànany.
15 Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny nihaviany: Ka inona no soa azony, tamin'ny nisasarany ho an'ny rivotra?
16 Fanampin'izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.
17 Ka izao no hitako: Tsara sy mety ho an'ny olona ny mihinana sy misotro, ary ny mahazo miadana amin'ny asa rehetra ataony, izay imasoany aty ambany masoandro, mandritra ny andro iainany, omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
18 Fanampin'izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin'Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin'izany ary mifaly amin'ny asany: dia fanomezan'Andriamanitra izany.
19 Fa tsy eritreretiny loatra amin'izay ny andro iainany, satria efa rotsahan'Andriamanitra fifaliana ny fony.
Toko faha-6
1 Misy ratsy hitako aty ambany masoandro; sady mavesatra amin'ny olombelona izany ratsy izany:2 Misy olona nomen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany, rahefa mety ho zavatra, irin'ny fanahiny; nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hiarana amin'izany izy, fa olon-kafa no miarana amin'izany. Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.