Bokin'ny Mpitoriteny
Toko faha-8
13 Fa tsy mba an'ny ratsy fanahy, ny hasambarana; ary ho toy ny aloka izy fa tsy ho lava andro iainana, noho izy tsy matahotra an'Andriamanitra.14 Izao koa no zava-poana miseho aty ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan' izay mendrika ny asan'ny ratsy fanahy: ary misy olon-dratsy iharan' izay mendrika ny asan'ny tsara fanahy. Ka hoy aho: zava-poana koa izany.
15 Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an'ny olona aty ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin'ny asany, mandritra ny andro omen'Andriamanitra hiainany, aty ambany masoandro.
16 Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko, sy handinika ny anjara asa, atao aty ambonin'ny tany, - fa na andro na alina tsy mahita tory ny mason'ny olona - dia hitako ny asan'Andriamanitra manontolo;
17 hitako fa tsy hain'olombelona fantarina ny asa atao aty ambany masoandro; misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita, na maniry te-hahalala aza ny hendry dia tsy mahatakatra koa.
Toko faha-9
1 Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao ary hitako tsara izao rehetra izao: Eo an-tànan'Andriamanitra ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany rehetra; tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana; eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.2 Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra; sahala ny anjaran'ny marina sy ny ratsy, ny tsara sady madio sy ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao sorona; izay manjo ny olona tsara fanahy ihany no manjo ny mpanota koa; izay mianiana tsy misy hafa amin'izay tsy sahy mianiana.
3 Zavatra ratsy anankiray amin'izay rehetra atao aty ambany masoandro dia ny itovian'ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon'ny zanak'olombelona. Ary ao am-pony mandritra ny andro iainany, ny hadalana. Nony afaka izany mankany amin'ny maty izy.
4 Fa raha anisan'ny velona, dia mbola misy fanantenana, aleo amboa velona, toy izay liona maty.
5 Fa ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ary tsy manan-tamby intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Levona sahady ny fitiavany, sy ny fankahalany amam-pialonany; ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy amin'izay atao aty ambany masoandro intsony.
7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoam-po ny divainao; fa efa asehon'Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao; ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.
9 Miadàna amin'izao fiainana izao miaraka amin'ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen'Andriamanitra anao aty ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin'ity fiainana ity, sy amin'ny asa ataonao aty ambany masoandro.
10 Izay rehetra azon'ny tànanao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana, na fahaizana, na fahendrena any amin'ny seoly izay halehanao.
11 Nihodina aho, ary hitako aty ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an'ny fainga-tongotra; na ny ady an'ny mahery fo; na ny hanina an'ny hendry; na ny harena an'ny mahalala na ny tombon-tsoa an'ny mahay; fa samy voan'ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.
12 Fa na ny fotoany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan'ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak'olombelona dia voafadiditra amin'ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.
13 Izao koa no fahendrena hitako taty ambany masoandro, ka nataoko ho lehibe izy io.
14 Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny; nalehan'ny mpanjaka mahery, nataony fahirano, sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.
15 Fa nisy lehilahy mahantra sy hendry kosa tao, ka namonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny. Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona.
16 Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; nefa hamavoin'ny olona ny fahendren'ny mahantra, ary tsy henoina akory ny teniny.
17 Ny tenin'ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara, mihoatra noho ny fitreron'ny mpanapaka eo afovoan'ny adala.
18 Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.
Toko faha-10
1 Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon'ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.2 Ny fon'ny hendry eo ankavanany; ny fon'ny adala kosa eo ankaviany.
3 Ary koa raha mandeha eny an-dàlana ny adala, dia very hevitra izy, ka maneho ny hadalany amin'ny olona rehetra.
4 Raha misondrotra tezitra aminao ny fon'ny mpanapaka, aza miala eo amin'ny fitoeranao, fa ny fahatsindriam-po mahasakana hadisoana be vava.
5 Misy ratsy efa hitako aty ambany masoandro, tahaka ny hadisoana avy amin'ny mpanjaka izany:
6 Ny fahadalana mitana raharaha ambony, ary misy mpanankarena, mipetraka amin'ny toetra ambany.
7 Misy mpanompo hitako mitaingin-tsoavaly, ary andriandahy kosa nandeha tongotra toa mpanompo.
8 Izay mihady lavaka mety ho latsaka ao, ary izay mandrava rafi-bato mety hokekerin'ny menarana.
9 Izay manenda-bato, mety haratran'izany; ary ny mamaky hazo mety ho voany.
10 Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an'aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.
11 Raha manaikitra ny bibilava fa tsy natao izay hampahasondriana azy, dia tsy misy tombo-tsoa ho an'ny mpampahasondriana.
12 Mahafinaritra ery ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; mihinana ny tenany kosa ny molotry ny adala.
13 Ny fiandohan'ny teny avy amin'ny vavany, fahadalana; ary fiafaran'ny lahateniny koa, fahaverezan-tsaina misafoaka.
14 Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!... Tsy fantatry ny olona izay ho avy; ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?
15 Ny asan'ny adala mandreraka azy; fa ny mankany an-tanàna avy no tsy fantany.
16 Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpanapaka homana hatry ny vao maraina!
17 Sambatra hianao, ry tany, izay manana zanak'andriana ho mpanjaka, ary ny mpanapaka homana amin'ny fotoana mety, mba hanohana ny ainy fa tsy hiarana amin'ny fisotro.
18 Raha kamo ny tànana, miletsy ny lohatrano; ary raha miborera ny tànana, mitete ny trano.
19 Misakafo ny olona hiaranana amin'ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, hahazoana ny zavatra rehetra.
20 Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an'efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manan'elatra hanely ny teninao.
Toko faha-11
1 Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.2 Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatra izay loza mety hanjo eto ambonin'ny tany.
3 Rahefa feno orana ny rahona, dia alatsany amin'ny tany izany; ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.
4 Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy, ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.
5 Toy ny tsy ahalalanao ny làlan'ny rivotra sy ny fomba fiforon'ny taolana ao am-bohoka, no tsy hahalalanao ny asan'Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.
6 Vao maraina dia afafazo ny voanao, ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tànanao, fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na iry, na samy ho vanona aza izy roa tonta.
7 Mamy ny fahazavana, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro.