Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-11

8 Na maro toy inona aza ny taona iainan'ny olona, aoka hifaly izy amin'izany taona rehetra izany ary aoka hoheveriny ny andro maizina, fa ho maro izy ireny; izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.

9 Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora hianao; aoka hahazo firavoravoana amin'ny fonao hianao amin'ny andron'ny fahatanoranao! Mandehana any amin'izay làlan'ny fonao, sy arak'izay fijerin'ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan'Andriamanitra anao hotsaraina.

10 Esory ao am-ponao ny alahelo, ary alaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.

Toko faha-12

1 Tsarovy ny Mpahary anao, amin'ny andron'ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: - Tsy sitrako izao.

2 Dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian'ny orana,

3 amin'ny andro angovitan'ny mpiandry trano, ikainkonan'ny lehilahy matanjaka, iatoan'ny ankizivavy mitoto, fa mihavitsy isa; ihamaizinan'ireo mitazana eo am-baravarankely,

4 ikatonan'ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, nahamihamalemy ny feon'ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan'ny olona mandre ny feon'ny voronkely sy ahalasanan'ny ankizivavy mpihira rehetra,

5 amin'izay atahoran'ny olona ny eny amin'ny fitoerana avo, izay ivadihan'ny olona fo eny an-dalambe, amin'izay amonian'ny amandie, sy ahatongavan'ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin'ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany;

6 dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;

7 dieny mbola tsy miverina amin'ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra izay nanome azy.

8 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana ny zavatra rehetra.

9 Afa-tsy ny maha-olon-kendry ny Mpitoriteny, dia nampianatra ny fahaizana ny vahoaka koa izy; nandinika sy nandajalanja izy, ary nandahatra oha-teny maro.

10 Nikely aina ny Mpitoriteny hahita fomba fiteny mahafinaritra, sy hanoratra tenim-pahamarinana araka ny hitsiny.

11 Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronana omby; ny boky nanangonana azy toy ny fantsika voahombo; atolotry ny Mpiandry iray monja ireo teny ireo.

12 Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra hianao. Fa ny manampy manampy boky ihany tsy hisy farany; ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.

13 Famaranana ny lahateny, rahefa feno avokoa izy rehetra: Matahora an'Andriamanitra ary mitandrema ny didiny, fa izany tokana no izy amin'ny olombelona;

14 satria holazain'Andriamanitra amin'ny fitsarana avokoa, ny zava-miafina rehetra, mbamin'ny asa rehetra, na tsara na ratsy.

Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko voalohany

1 Tonon-kira dia tonon-kira, nataon'i Salomona.

2 Hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;

3 soa ny hanitry ny zava-manitrao, diloilo mamerovero ny anaranao, izany no itiavan'ny zatovovavy anao.

4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin'ny mpanjaka ho ao an'efi-tranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan'ny olona anao!

5 TENIN'NY AMPAKARINA Mainty aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, nefa tsara tarehy, Sahala amin'ny lain'i Sedara, tahaka ny trano lain'i Salomona.

6 Aza ny hamaintiko no jerena, fa ny hainandro no nampivalomainty ahy: tezitra tamiko ny zanak'i neny; nasainy niandry tanimboaloboka aho, ny tanimboaloboka, ny ahy, tsy mba nandrasako.

7 Lazao ahy, ry malalan'ny foko, izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovonana ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin'ny andian'ondrin'ny namanao eny.

8 NY ANTOKOM-PIHIRA Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, mandehana manaraka ny biby fiompinao, dia andraso eny akaikin'ny trano bongon'ny mpiandry ondry, ny zanak'osinao.

9 NY MPAMPAKATRA Amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Faraona no ampitahako anao, ry malalako.

10 Tsara ny takolakao voahodidin'ireo fehivozona, soa ny vozonao, voahodidin'ireo voahangy maro andalana.

11 Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.

12 NY AMPAKARINA Raha teo amin'ny saofany indrindra iny ny mpanjaka no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.

13 Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapokely, izay miondana eo an-tratrako.

14 Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho, any an-tanimboalobok'i Engadì!

15 NY MPAMPAKATRA Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao! Masom-boromailala, ny masonao.

16 NY AMPAKARINA Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako, eny mahafinaritra hianao. Ny farafarantsika dia farafaran-java-maitso.

17 NY MPAMPAKATRA Sedera ny sakamandimbin-tranontsika; sipresy ny peta-drindrintsika.

Toko faha-2

1 NY AMPAKARINA Izaho, dia narsisa any Sarona, lisy eny an-dohasaha.

2 NY MPAMPAKATRA Toy ny lisy eo afovoan'ny tsilo, ny malalako eo amin'ny zazavavy.

3 NY AMPAKARINA Toy ny foto-paoma any afovoan'ny hazo any an'ala, ny malalako eo amin'ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin'ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.

4 Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho, ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.

5 Tohano ampempam-boaloboka aho, hatanjaho amin'ny paoma aho, fa matim-pitia ny foko.

6 Hanondana ahy anie ny tanany havia, ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.

7 NY MPAMPAKATRA Ry zanakavavin'i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.

8 NY AMPAKARINA Injay ny feon'ny malalako, indry tamy izy, miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin'ny havoana.

9 Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfavavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin'ny makarakara.

10 Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: Mitsangana, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

11 Fa indro ny ririnina efa lasa; ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.

12 Ny voninkazo efa miposaka amin'ny tany; ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;

13 efa mipoitra ny voan'aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamony efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko ka avia!

14 Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin'ny fialofan'ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.

15 Isambory ny fosa izahay ny fosa madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; fa efa mamony ny voalobokay.

16 Ahy ny malalako, ary azy aho; miandry ny ondriny eny amin'ny lisy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1541