Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-8
9 Izany no nahatapa-kevitra ahy haka azy ho namana amin'ny fiainako; fa fantatro fa izy dia ho mpanolo-tsaina ahy amin'ny soa rehetra; ary ho fanalana alahelo ahy amin'ny ahiahy amam-pahoriako.10 Izy no hahazoako voninahitra eo amin'ny fivoriana, sy haja eo amin'ny anti-panahy, na mbola tanora aza aho.
11 Ho fantatry ny olona ny fahiratan-tsaiko amin'ny fitsaran-javatra, ka hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.
12 Mangina aho, hiandry ahy hiteny izy ireo; miteny aho, ho any amiko ihany ny mason'izy rehetra; ary lava teny aho, hitampim-bava izy ireo.
13 Izy no hahazoako tsy fetezana ho faty, ary hamelako fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny taranaka.
14 Hitondra vahoaka aho, ary hanaiky ahy ny firenen-kafa.
15 Hatahotra ahy ny mpanjaka atahorana, raha vao mandre ny lazako izy ireo; ho malemy fanahy aho, eo amin'ny vahoakako, ary ho mahery fo amin'ny ady.
16 Hiala sasatra eo anilany aho, raha mody ao an-tranoko; fa ny fiarahana aminy tsy mba misy ngidiny, ny mifankahazo aminy tsy mahavokatra fahasorisorenana, fa fifaliana amam-piravoravoana ihany.
17 Nandinidinika izany hevitra izany aho samy irery, ary nieritreritra tao am-poko, fa hoe: tsy fetezana ho faty no vokatry ny firaisana amin'ny fahendrena;
18 fahafinaretana mendrika no avy amin'ny fifankatiavana aminy; harena tsy manam-paharitana no avy amin'ny asan'ny tànany; fahiratan-tsaina no azo amin'ny fifankahazoana tsy tapaka aminy; ary voninahitra no azo amin'ny fiaraha-miresaka aminy: ka dia nandeha nankatsy, nankary, nitady ny hahazoako azy ho namana aho.
19 Fahizany aho mbola zaza tsara toe-tena, sady tsara koa ny fanahy noraisiko ho anjarako;
20 na izao ahay: efa tsara rahateo aho, ka dia tonga tao anaty vatana tsy misy loto.
21 Fantatro anefa fa tsy afaka hahazo fahendrena aho, raha tsy omen'Andriamanitra, - ary efa fahiratan-tsaina sahady ny mahalala izay ihavian'io fanomezana io, - ka dia niteny tamin'ny Tompo aho, sy niantso azy, ary amin'ny foko tokoa, no nilazako taminy hoe:
Toko faha-9
1 Ry Andriamanitry ny razana, Tompon'ny famindram-po ô, izay nanao izao rehetra izao, tamin'ny teninao,2 ary nanangana ny olombelona noho ny fahendrenao, mba hanjaka amin'ny zava-boahary rehetra nataonao,
3 sy hifehy an'izao tontolo izao araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana, ary hampiasa ny fahefana araka ny fahitsiam-po,
4 omeo ahy ny fahendrena izay mitoetra eo anilan'ny seza fiandriananao, ary aza ariana tsy ho anisan'ny zanakao aho.
5 Fa izaho dia mpanomponao ary zanaky ny ankizivavinao, olona osa, fohy andro iainana, ary tsy mahafantapantatra loatra ny fitsarana aman-dalàna.
6 Na ny lavorary indrindra amin'ny zanak'olombelona aza, raha tsy manana ny fahendrena avy aminao dia isaina ho tsinontsinona.
7 Hianao nifidy ahy hanjaka amin'ny vahoakanao, sy hitsara ny zanakao lahy aman-janakao vavy.
8 Sady nandidy ahy hanorina tempoly eo amin'ny tendrombohitrao masina sy otely ao an-tanàna fonenanao, araka ny mariky ny tabernakla masina hatramin'ny voalohany.
9 Eo aminao ny fahendrena izay mahalala ny asanao, izay efa teo, raha nanao izao rehetra izao hianao, ka mahalala izay voasitraka eo imasonao sy izay marina araka ny didinao.
10 Iraho avy any an-danitrao masina izy, iraho avy any amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitrao izy, mba homba ahy amin'ny asako, sy hahalalako izay sitrakao.
11 Fa mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra izy, ka dia hitari-dàlana ahy amim-pahamalinana amin'ny asa ataoko, ary hiaro ahy noho ny voninahiny.
12 Dia hankasitrahanao ny asako; hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny aho; ary ho mendrika ny seza fiandrianan'ny raiko.
13 Fa iza moa no olombelona, afaka hahalala izay hevitr'Andriamanitra? na zovy no hahatakatra izay sitra-pon'ny Tompo?
14 Miroahanahana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray.
15 Satria vesaran'ny vatana mety lo ny fanahy, ary vizanin'ny fonenany tany ny saina maro hevitra.
16 Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; koa zovy ary no hahatakatra izay any an-danitra?
17 Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony?
18 Izany no nahahitsy làlana an'izay eto an-tany, ka nahalalan'ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin'ny fahendrena.
Toko faha-10
1 Ny fahendrena no niaro ny voalohan-dahy noforonin'Andriamanitra, mba ho rain'ny olombelona rehetra, dia ilay tokana noharìna.2 Nanatsoaka azy tamin'ny fahotany izy, sy nanome fahefana azy, hitondra ny zava-boahary rehetra.
3 Nihataka taminy, noho ny hatezerany, ilay tsy marina, ka very tamin'ny fisafoahana nahafaty rahalahy.
4 Raha avy izay nahasafo-drano ny tany noho ny olona tsy marina, dia ny fahendrena no namonjy azy ireo, fa izy no nitari-dàlana ny marina tambonin'ny hazo tsy misy vidiny.
5 Nony tafaharo tamin'ny heloka niraisany, ny firenen-tsamihafa, fantatry ny fahendrena ilay marina, ka notehiriziny tsy hanan-tsiny teo anatrehan'Andriamanitra, sy narovany tsy ho resin'ny fitiavan-janaka.
6 Tamin'ny nandringanana ny ratsy fanahy, novonjen'ny fahendrena ny marina izay nandositra ny afo nidina tamin'ny tanàna dimy.
7 Mba ho vavolombelon'ny haratsian'izy ireny, mbola mivoa-tsetroka izany tanàna nidiran-doza izany; mamoa tsy amin'ny fotoana ny hazo ao; ary misy andry sira mijoro ao, tsangambaton'ny fanahy anankiray tsy nino.
8 Nataon'izy ireny tsirambina ny fahendrena, ka sady maty antoka ny tsy nahalalany ny soa izy ireo, no namela tsangambaton'ny hadalany ho an'ny velona, mba tsy ho very tadidy ny heloka nataony.
9 Nefa nafahan'ny fahendrena tamin'ny loza kosa ny mpanaraka azy.
10 Izy no nitarika tamin'ny làla-mahitsy, an'ilay marina nandositra ny hatezeran'ny rahalahiny; naneho tamin'io ny fanjakan'Andriamanitra, sy nanome azy ny fahalalana ny zava-masina; nampanankarena azy tamin'ny asa nisasarany; ary nampahavokatra ny asa nataony.
11 Novonjeny tamin'ny mpampahory mahidy izy, ka nataony nahazo harena;
12 Nambenany tamin'ny fahavalony izy, ary narovany tamin'ny namela-pandrika taminy; nomeny fandresena tamin'ny ady mafy izy, mba hampahafantarany azy fa mahery noho ny zavatra rehetra ny fitiavam-bavaka.
13 Ny marina namidy vola dia tsy nafoiny, fa narovany tamin'ny fahotana; niara-nidina taminy tao an-davaka izy,
14 tsy nandao azy tamin'ny fatorana; mandra-panomeny azy ny tehim-panjakana, sy ny fanapahana an'ireo mpampahory azy; ireo niampanga ny olo-marina nataony vaky lainga; ary izy kosa nomeny laza mandrakizay.
15 Novonjeny tamin'ny firenena nampahory azy, ny vahoaka masina aman-taranaka tsy manan-tsiny.
16 Niditra tamin'ny fanahin'ilay mpanompon'Andriamanitra izy, ary nifanandrina tamin'ireo mpanjaka mahatahotra, tamim-pamantarana amam-pahagagana.
17 Ny marina nomeny ny tambin'ny asany, notarihiny tamin'ny lalana nofafazany fahagagana izy ireo, nitsangan-ko alokalony izy, nony andro, ary ho fahazavany, toy ny kintana, nony alina.
18 Nentiny namaky ny ranomasina Mena izy, ary notarihiny lalana namakivavy ny rano be.
19 Nosaforany tao ny fahavalon'izy ireo dia naloan'ny hantsana lalina avy ao aminy izy ireo.