Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-6

14 Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.

15 Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afak'ahiahy vetivety;

16 mandeha mivezivezy atsy amin'ary izy, mitady an'izay mendrika azy, miseho amin'ireny eny an-dalan'izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin'ny hevitra kasainy rehetra.

17 Fa ny fiandohan'ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana.

18 Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin'ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay.

19 ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin'Andriamanitra.

20 Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana,

21 koa raha maminareo, ry mpanjakan'ny vahoaka, ny seza fiandrianana amam-tehim-panjakana: hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay.

22 Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fihaviany, dia hasehoko izao, ary tsy afeniko aminareo ny misterin'Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin'ny fiandohan'ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin'ny marina aho.

23 Lavitra ahy ny hiara-dàlana amin'ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin'ny fahendrena io, na dia kely aza.

24 Ny habetsahan'ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany.

25 Koa raiso ary ny fampianarana amin'ny teniko, dia hahita soa amin'izany hianareo.

Toko faha-7

1 Izaho koa dia olombelona mety maty toy ny hafa rehetra, ary avy amin'ilay voalohan-dahy natao tamin'ny tany.

2 Ny amin'ny nofoko dia tao an-kibon'ineny no niforonako, nihamafy tamin'ny ra, mandritra ny folo volana, avy amin'ny faharian'ny lehilahy mandritra ny fialan-tsasatra amin'ny torimaso.

3 Izaho koa raha vao teraka dia niaina tamin'ny rivotra iaraha-manana amin'ny betsaka, latsaka tamin'ny tany itoviana, ary tomany toy ny an'ny hafa rehetra ihany koa, no feo voalohany nalefako.

4 Nobiazina tanaty lamban-jaza sy tamim-pitandremana tsy hita isa aho.

5 Tsy nisy mpanjaka nanam-piandoham-piainana hafa noho izany.

6 Fa fomba tokana ihany, amin'ny olona rehetra, no idirana sy ialana amin'ny fiainana.

7 Noho izany, nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny fanahin'ny fahendrena.

8 Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin'izany.

9 Tsy nampitoviko taminy, ny vato sarobidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin'izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy atao ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.

10 Tiako noho ny fahasalamana aman-katsaran-tarehy izy, naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.

11 Tonga tamiko miaraka aminy, ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany no eo an-tànany.

12 Ka dia nifaly tamin'izany soa rehetra izany aho, fa entin'ny fahendrena miaraka aminy ireny; tsy nahalala anefa aho fa izy no loharanon'ireny.

13 Ny manaraka azy tsy nataoko an-kifonofono, ary ambarako ny hafa tsy amim-pialonana; ka tsy afeniko ny rakitra ao aminy.

14 Fa rakitra tsy manam-paharitana ho an'ny olombelona izy; manana anjara amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra izay mampiasa azy, fa ny toetra tsara avy amin'ny fianarana dia mampahita sitraka aminy.

15 Homen'Andriamanitra ahy anie, ny hiteny momba azy, araka ny faniriako, sy ny hahita hevitra mendrika ny fanomezana noraisiko. Fa izy no mitarika ny fahendrena, sy mitari-dàlana ny hendry.

16 Eo an-tànany isika, dia isika sy ny tenintsika, mbamin'ny fahiratan-tsaina amam-pahaiza-manao.

17 Izy no nahazoako fahalalana marina ny zavatra, nampahafantariny ahy ny firafitr'izao tontolo izao mbamin'ny toetra manokana ananan'ny foto-javatra avy,

18 Ny fiandohany amam-piafarany, ary ny elanelan'ny fotoana, ny fitsingerenan'ny masoandro ara-potoana, ny fifadimbiasan'ny andro,

19 ny fitsingerenan'ny taona amam-pitoeran'ny kintana,

20 ny fomban'ny biby amam-pahaizan'ny tsy manan-tsaina, ny herin'ny fanahy amam-pisainan'ny olombelona, ny karazan-java-maniry samihafa mbamin'ny hasin'ny fakany.

21 Ny zava-miafina sy ny miharihary dia nianarako ho hay avokoa; fa ny fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany.

22 Fa ao aminy dia misy fanahy manan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa,

23 tsara fo ho an'ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran'izay maranitra indrindra.

24 Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny fahendrena, maninteraka sy misisika amin'ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany.

25 Fofon'ain'ny herin'Andriamanitra izy, zavatra avy amin'ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.

26 Famirapiratan'ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratry ny fahefan'Andriamanitra tsy misy pentina, ary endriky ny hatsaram-pony.

27 Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra, tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra, mirotsaka amin'ny fanahy izay masina rehetra amin'ny taona mifandimby, ka mahatonga azy ho sakaizan'Andriamanitra sy ho mpaminany.

28 Fa tsy misy tian'Andriamanitra afa-tsy izay miara-monina amin'ny fahendrena.

29 Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy, sy noho ny filantoan'ny kintana. Raha ampitahaina amin'ny mazava, mbola ihoarany;

30 satria ny mazava, dimbiasan'ny alina; fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena.

Toko faha-8

1 Ny fahendrena mahatratra amim-pahefana ny fara-vazan-tany hatramin'ny ilany iray ka hatramin'ny ilany iray hafa, ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

2 Hatramin'ny fahatanorako aho no efa tia sy nikatsaka azy, nitady hanana azy ho vady, ary raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny.

3 Maneho ny voninahitry ny fihaviany izy, amin'ny fiarahany monina amin'Andriamanitra, ary tia azy ny Tompon'ny zavatra rehetra.

4 Satria izy no nampiditra ny olona amin'ny fahalalan'Andriamanitra, sy mifidy eo amin'ny asany.

5 Raha soa faniry amin'ity fiainana ity ny harena, inona no harem-be mihoatra noho ny fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra?

6 Raha ny fahiratan-tsaina no mitarika amin'ny lahasa, iza no mpamorona ny zava-misy rehetra, mihoatra noho ny fahendrena?

7 Tia fahamarinana va ny olona? Ny asan'ny fahendrena no mahavokatra ny hatsaram-panahy, mampianatra ny fahononana, ny fahamalinana izy, ary ny fahamarinana sy ny faherezana, dia izay zava-mahasoa indrindra ny olombelona amin'ity fiainana ity.

8 Maniry fahalalana lasa lavitra va ny olona? Mahalala ny lasa sy mahavinany ny ho avy ny fahendrena, mahatakatra ny oha-teny saro-pantarina sy mahavaofy ny teny mifono, mahafantatra mialoha ny marika amam-pamantarana, mahalala ny zavatra tonga amin'ny fotoany sy amin'ny tonon'androny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1542