Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-4

7 Ny marina kosa na maty alohan'ny fotoana aza, mahita fitsaharana.

8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin'ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan'ny taona.

9 Fa ny fahamalinana no solon'ny volo fotsy ho an'ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan'ny fahanterana.

10 Noho izy nahafaly an'Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin'ny mpanota izy dia voafindra.

11 Nesorina izy, fandrao simban'ny hasomparana ny sainy, na ovan'ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.

12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin'ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben'ny fitongilanan-dratsy.

13 Anatin'ny andro vitsy no nahatongavany amin'ny fahalavorariana, ka làlan-davitra no afany.

14 Fa nankasitrahan'ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin'ny fahamarinana.

15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy ny hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon'Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny izy.

16 Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan'ny tanora faingana amin'ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran'ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr'Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian'ny Tompo fahizay azy.

18 Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan'ny Tompo kosa izy,

19 ary rahefa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izy dia ho anisan'ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hozongozoniny amin'ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin'ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy.

20 Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy.

Toko faha-5

1 Amin'izay hitsangana amim-pitokiana lehibe ny marina, eo anoloan'izay nanenjika azy, sy nanamavo ny fisasarany.

2 Raha hahita izany izy ireo dia hihavatravatra amim-pivadiham-po mahatsiravina; ho hana foana amin'ny fanehoana ny famonjena:

3 hifampiteny izy sady henika ny nenina sy hitoloko amim-pangitaham-po mafy hanao hoe: Indro ilay nataontsika fihomehezantsika fahiny, sy izay nokendren'ny fandatsantsika!

4 Adala isika nanao ny toe-piainany ho hadalana, sy ny hiafarany ho fahafaham-baraka!

5 Kanjo indro, ny tenany eo amin'ny zanak'Andriamanitra, ary ny anjarany eo amin'ny olo-masina!

6 Koa naniasia isika lavitry ny làlan'ny fahamarinana; tsy namirapiratra tamintsika ny fahazavan'ny fahamarinana; ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro.

7 Niala liana teny amin'ny làlan'ny tsy fahamarinana amam-pahaverezana isika, nizotra tamin'ny tany efitra tsy misy làlana isika, ka tsy nahalala ny làlan'ny Tompo.

8 Nahasoa antsika inona ny avonavona? Inona no soa azontsika tamin'ny harena aman-draharaha?

9 Ireny zavatra rehetra ireny dia nandalo toy ny aloka, toy ny hahohaho lasa nihelina;

10 toy ny sambo mamaky rano manonja, ka tsy mety ho hita akory izay dian'ny nalehany, na ny mariky ny montsifany ao afovoan'ny rano;

11 na toy ny voromanidina mamakivaky ny rivotra, ka tsy misy hita akory izay dian'ny nalehany; fa mikopak'elatra mamely ny rivotra maivana izy, manao an'ezaka mafy mamaky azy, manori-dalana eo izy manakopaka ny elany, nony inona dia tsy hita velively izay dian'ny nolalovany.

12 Na tahaka ny zana-tsipìka efa nalefa amin'izay kendrena, ka miverina amin'izay nisy azy teo indray ny rivotra nalehany: dia tsy hita intsony ny toerana nolalovany.

13 Toy izany koa isika, fa teraka isika ary izao tapitra ny aintsika: tsy mba manamarika ny hatsaram-panahy haseho akory isika, ary mbola eo anatin'ny tsy fahamarinantsika isika dia efa voaesotra.

14 Marina izany fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy dia tahaka ny volo malemy entin'ny rivotra, tahaka ny fanala maivana aelin'ny ranonoram-baratra, tahaka ny setroka ahahaky ny tsio-drivotra, tahaka ny fahatsiarovana ny vahiny indray andro mihelina.

15 Fa ny marina kosa velona mandrakizay; ny valisoany eo amin'ny Tompo; ary ny Tsitoha no miahy azy ireo.

16 Ka dia horaisiny avy eo an-tànan'ny Tompo ny fanjakana tsara indrindra aman-tsatro-boninahitra mamirapiratra; fa hiaro azy ireo amin'ny tànany ankavanana izy, ary hosaronany amin'ny sandriny toy ny amin'ny ampinga.

17 Handray ny zotom-pony ho fiadiana izy, ary ny zava-boahary homeny fiadiana, ho entiny mamaly ny fahavalony.

18 Hitafy ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary handray ny fitsarana marina ho fiarovan-doha.

19 Handray ny fahamasinana ho ampinga tsy lai-piadiana izy.

20 Hanao sabatra maranitra izy amin'ny hatezerany tsy azo ifonana, ary hiaraka aminy hiady amin'ny adala avokoa izao tontolo izao.

21 Hitsoriaka ny hela-baratra mikendry tsara, ary avy amin'ny rahona toy ny zana-tsipìka avy amin'ny tsipìka voahenjana mafy dia hanidina hiantefa amin'izay nikendrena azy.

22 Handefa havandra mivatravatra ny hatezerany toa milina fandefasam-bato; hisamboaravoara hamely azy ny ranomasina, ary ny ony hivarina mafy ery aminy.

23 Hitsangan-kamely azy ireo, ny fifofofofon'ny herin'Andriamanitra ary hampihahaka azy toy ny tadio; ka dia hovan'ny tsy fahamarinana ho efitra ny tany; ary haongan'ny faharatsiana, ny seza fiandrianan'ny mahery.

Toko faha-6

1 Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, hianareo mitsara hatramin'ny faran'ny tany.

2 Mampandria sofina, hianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, hianareo mirehareha amin'ny fifehezanareo vahoaka be.

3 Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo.

4 Noho hianareo izay mpanao raharaha amin'ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalana, na nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra;

5 dia hiantefa aminareo izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin'izay mandidy.

6 Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizina mafy.

7 Tsy misy olona hihemoran'Ilay Mpanjakan'ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy nohariny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahiny na ireto na iretsy.

8 Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.

9 Koa dia hianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo hianareo.

10 Izay mitandrina ny lalana masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly.

11 Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy hianareo dia hahazo fampianarana.

12 Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.

13 Mitsena an'izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.098