Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-2

1 Tamin'ny faniasiavan'ny sainy no nifampilazan'izy ireo hoe: Sady fohy no be fahoriana ny andro iainantsika; ary rahefa tonga ny fara andron'ny olombelona, tsy misy fanafodiny, sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin'ny fonenan'ny maty.

2 Sendrasendra no nahatonga antsika ho misy; ka aorian'ity fiainana ity ho tonga toy ny mbola tsy nisy akory isika, ny fofon'aina ao amin'ny vavorontsika dia setroka, ary kilalaon'afo mitselatra amin'ny fitepotepon'ny fontsika ihany koa ny hevitra.

3 Ka vao maty io dia hirara-ko levona ny vatantsika; dia hisava toy ny rivotra foana ny fanahy.

4 Hivarina tsikelikely amin'ny fanadinoana ny anarantsika, ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika. Ny andro iainantsika handalo toy ny dian'ny rahona, hisava toy ny zavona roahin'ny tsirim-pahazavan'ny masoandro, sy hampifintinin'ny hafanana hanjary ranonorana.

5 Fihelenan'ny aloka ny andro iainantsika; tsy misy fiverenany ny fahataperany, voapetaka ny tombo-kase, dia tsy misy mampody intsony.

6 Koa avia, aoka isika hiarana amin'ny soa ankehitriny; miarana amin'ny zava-boahary araka ny firehitry ny fahatanorantsika,

7 aoka isika himamo amin'ny divay kanto sy amin'ny zava-manitra, ary aza avela ho lany foana ny vonin'ny lohataona.

8 Manaova fehiloha bokom-bonin-draozy, dieny mbola tsy malazo izy.

9 Aoka tsy hisy amintsika izao, ho diso ny filibantsika, asiontsika hatraiza hatraiza ny marika fampahatsiarovana ny firavoravoantsika; fa izany no mba anjarantsika, izany no mba efa tapaka ho antsika.

10 Ampahoriantsika ny marina izay mahantra, aza tsitsina ny mpitondratena, aza hajaina akory izay volofotsin'ny antitra ela niainana.

11 Aoka ny herintsika no ho lalàn'ny fitsarantsika; fa tsy hatao ho vanon-ko inona akory izay osa foana.

12 Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, maniny antsika amin'ny fandikantsika ny lalàna, ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin'izay nampianarana antsika.

13 Mihambo ho manana ny fahalalana an'Andriamanitra izy, ary hataony hoe zanak'Andriamanitra ny anarany.

14 Faniniana ny hevitsika izy ho antsika ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;

15 satria tsy mba tahaka ny an'ny olon-kafa ny toe-piainany ary ny lalany hafahafa.

16 Araka ny heviny isika dia faikan-java-maloto foana, ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto: ny anjaran'ny marina, toriny ho tsara miafara; ary mirehaka ho manana an'Andriamanitra ho rainy izy.

17 Aoka hozahantsika raha marina ny filazany, ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin'ity fiainana ity.

18 Satria raha zanak'Andriamanitra ny marina, dia arovan'Andriamanitra izy, ary ho afahany amin'ny tànan'ny fahavalony.

19 Ka sedrao amin'ny latsa amam-pijaliana izy hoe: Hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!

20 Helohy ho faty amin'ny fahafatesana mahafa-baraka izy, satria araka ny filazany dia hoahin'Andriamanitra izy.

21 Izany no hevitr'izy ireo; diso hevitra anefa izy; fa jamban'ny haratsiany.

22 Tsy mahalala ny hevi-miafin'Andriamanitra izy, tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana; ary tsy mino fa hisy valisoa ho an'ny fanahy madio.

23 Satria noharin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin'ny tenany:

24 Fa ny fialonan'ny demony no nidiran'ny fahafatesana amin'izao tontolo izao:

25 dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.

Toko faha-3

1 Eo an-tànan'Andriamanitra ny fanahin'ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.

2 Ohatran'ny maty izy, araka ny fiheveran'ny adala azy, ary ohatran'ny loza ny fialany amin'izao fiainana izao,

3 ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin'ny fiadanana izy.

4 Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason'ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.

5 Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan'Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika azy.

6 Notsapainy toy ny volamena atao amin'ny memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary.

7 Amin'ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon'afo hivoivoy haingana amin'ny bozaka.

8 Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.

9 Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an'ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

10 Hihatra amin'ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin'ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin'ny Tompo.

11 Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin'ny loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany;

12 adala ny vadiny, feno haratsiana ny zanany; ary voaozona ny taranany.

13 Noho izany sambatra ny vehivavy momba, tsy misy panda, tsy azon'ny fahalotoana ny fandriany! Fa hahazo ny vokany izy, amin'ny andro hamangiana ny fanahy.

14 Sambatra koa ny eonoka, tsy mba nahalala heloka ny tanany, sady tsy namoron-kevi-dratsy manohitra ny Tompo! Fa handray ny valisoa voafantina izy, noho ny tsy fivadihany; ary hahazo anjara soa indrindra izy ao an-tranon'ny Tompo.

15 Satria ny fanaovana asa soa, mahavoka-tsoa be voninahitra, ary ny fakan'ny fahamalinana tsy mba maty.

16 Fa ny zanaky ny mpanera vadin'olona kosa, tsy hahatratra ny fara androny, ary ny taranaky ny fiterahana meloka ho foana.

17 Raha lava ny andro iainany, dia hatao ho tsinontsinona izy ireo, ary ny fahanterana hiafarany, tsy hisy hajany.

18 Raha malaky maty izy, tsy hanam-panantenana na fiononana amin'ny fitsarana.

19 Fa ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina.

Toko faha-4

1 Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy: fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr'Andriamanitra sy ny olombelona izy.

2 Raha eo imaso izy, alain'ny olona tahaka; rahefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatro-boninahitra any amin'ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin'ny ady tsy mahaloto.

3 Fa ny taranaka maron'ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra ihaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany.

4 Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin'ny tany, dia ho voahozongozon'ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery.

5 Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona.

6 Satria ny zaza teraka avy amin'ny torimaso maloto dia vavolombelon'ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an'ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1526