Tonon-kira Dia Tonon-kira
Toko faha-6
7 Ny takolakao tahaka ny voan'apongabendanitra misasaka alokalofan'ny voalinao.8 Misy mpanjakavavy enimpolo, vaditsindrano valopolo, ary zatovovavy tsy hita isa:
9 fa iray monja no voromailalako, ahy tsy misy pentina: vavitokan'ny reniny, zokim-pitian'ilay nahitany masoandro. Ireo zatovovavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra; ireo mpanjakavavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:
10 Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko miaramila?
11 Nidina tany an-tsahan'ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamony ny apongabendanitra.
12 Tsy fantatro, fa nentin'ny fitiavako aho niakatra nitaingina ny kalesin'ny vahoakako be voninahitra.
Toko faha-7
1 NY ANTOKOM-PIHIRA Miverena, miverena, ry Solamita. Miverena, miverena, mba hijerenay anao. NY MPAMPAKATRA Ahoana hianareo no mijery ny Solamita tahaka ny dihy any Makanaima.2 NY ANTOKOM-PIHIRA Endrey izany hatsaran'ny tongotrao misy kapa, ry zanakavavin'andriandahy! Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado, asan-tanan'ny mpahay zavatra.
3 Ny foitranao dia kaopy kivorivory tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra. Ny kibonao toa varimbazaha mitoby, voahodidina lisy.
4 Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa, zanaka kamban'ny gazela izay.
5 Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao tahaka ny kamorin'i Hesebona, anilan'ny vavahadin'ity tanĂ na be mponina. Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libana, izay manatrika ny ilan'i Damasa.
6 Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an'i Karmela, ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena; voasinton'ny fiolikoliny ny mpanjaka.
7 NY MPAMPAKATRA Soa loatra ity hianao, mahafinaritra ity hianao, ry fitiavako ao anatin'ny fahafinaretana.
8 Ny tsangananao manahaka ny fototr'antrendry, ary ny nononao, no toy ny sampahony.
9 Ka hoy aho: Hananika ny fototr'antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon'ainao, ho toy ny an'ny paoma;
10 ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina...! NY AMPAKARINA Izay mitsororoka moramora ho an'ny malalako, mitsoriaka eo amin'ny molotry ny matory.
11 An'ny malalako aho, ary aty amiko no alehan'ny faniriany.
12 Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha; andeha isika handry any amin'ny vohitra any.
13 Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika, ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka, raha mivelatra ny tsiriny, raha mamony ny apongabendanitra; any homeko anao ny fitiavako.
14 Mamerovero ny hanitry ny mandragora, ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra, na ny vaovao na ny tranainy: notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
Toko faha-8
1 Endrey naninona re no tsy anadahiko hianao, nitsentsitra ny nonon'ineny? fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao, nefa tsy hahazo fanesoana amin'izany.2 Hitondra anao hiditra ao an-tranon'i neny aho, dia hampianatra ahy hianao: ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra, dia ny ranon'ny apongabendanitra.
3 Ny tanany ankavia manondana ahy, ary ny ankavanany manohona ahy.
4 NY MPAMPAKATRA Miangavy anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
5 NY ANTOKOM-PIHIRA Iza ity vehivavy, miakatra avy any an'efitra, mitehina amin'ny malalany? NY MPAMPAKATRA - Teo ambanin'ny hazo paoma no namohazako anao, teo no torontorona anao reninao. Teo izy no torontorona anao, tao izy no nampahita masoandro anao.
6 Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho, sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon'ny Tompo.
7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin'ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
8 NY ANTOKOM-PIHIRA Manan-jandrivavy kely tsy mbola misy nono izahay; ka hataonay ahoana re ity zandrivavinay, raha avy izay andro angatahan'ny olona azy?
9 Raha manda izy, dia asianay lohamanda volafotsy; raha varavarana izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
10 NY AMPAKARINA Manda aho, ary toy ny tilikambo ny nonoko; ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.
11 NY ANTOKOM-PIHIRA Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamona Salomona, napetrany tamin'ny mpiandry voly ny tanimboaloboka. Ary ny solom-bokatra aloha ho azy, dia arivo sikla isan'olona.
12 NY AMPAKARINA Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo: ny arivo sikla no anao anie, ry Salomona, ary ny roan-jato kosa, an'ny mpiandry ny voany.
13 NY MPAMPAKATRA Eh, hianao izay mitoetra eny amin'ny zaridaina, manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana: mba ampandreneso izany aho!
14 NY AMPAKARINA Mihazakazaha, ry malalako, manafaha ny gazela na ny zana-tserfavavy, eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!
Bokin'ny Fahendrena
Toko voalohany
1 Tiavonareo ny fahamarinana, hianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin'ny fo marina no hitadiavanareo azy;2 fa mety ho hitan'izay tsy maka fanahy azy izy, ary miseho amin'izay matoky azy.
3 Satria ny hevi-dratsy, mampisaraka amin'Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy azy miampanga ny adala.
4 Ny fahendrena tsy mba miditra amin'ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin'ny vatana andevon'ny fahotana.
5 Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka izy raha mandroso ny heloka.
6 Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra amin'ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon'ny voany, Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny.
7 Fa manerana an'izao tontolo izao ny Fanahin'ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain'ny olona.
8 Ka izay manao resaka manohitra ny fivavahana tsy afa-miery dia tsy hohadinoin'ny fitsarana mpanafay ny ratsy.
9 Fa hanaovana famotorana ny hevitra kasain'ny tsy mpivavaka, ary ho tonga hatrany amin'ny Tompo ny fisamonin'ny teniny, mba hosazina amin'ny ratsy nataony izy.
10 Ny sofina saro-piaro, mandre ny zavatra rehetra, ary tsy miery aminy ny fimonomononana;
11 koa fadio ny fimonomononana tsy mahasoa, ary arovy ny lelanao tsy hiteny ratsy an'Andriamanitra, fa ny teny an-tsokosoko indrindra raha alohaky ny vava tsy maintsy sazina, ary ny vava mandainga, hampahazo fahafatesana ny fanahy.
12 Ka aza dia mitady faty amin'ny fitondran-tena miavona; na mihantsy fahaverezana, amin'ny asan-tananareo.
13 Fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan'ny velona.
14 Nohariny ho amin'ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaharin'izao tontolo izao; tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin'ny tany ny fahafatesana.
15 Satria tsy mety maty ny fahamarinana.
16 Fa ny ratsy fanahy no miantso ny fahafatesana amin'ny fihetsiketsehany sy ny feony; ataony ho sakaizany izy io ka fatra-pitia azy izy ireo, dia manao fanekena aminy, ka dia mendrika tokoa ny mba azy.