Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-12
23 Koa ny zavatra ratsy vetaveta nataony no nampijaliana ny olon-tsy marina izay nandany ny androny tamin'ny fahadalana.24 Satria izy ireo dia efa nandroso loatra tamin'ny lalan'ny hadisoana, ka nanao ho andriamanitra ny biby ratsy indrindra; fa nety ho voafitaka tahaka ny zaza tsy vory saina izy ireo.
25 Ka noho izany dia tahaka ny fanao amin'ny zaza tsy vory saina, no famaizana maivana foana nalefanao hamely azy ireo.
26 Fa izay tsy nety niova tamin'ny famaizana maivana foana, dia hiharan'ny sazy tandrifin'ny ho avy amin'Andriamanitra.
27 Ireo nataony ho andriamanitra no namay azy ireo, ka nifoabaka ery izy tamin'izany fijaliany izany; izay vao fantany ilay niniany tsy ho fantatra taloha, ary nekeny fa Andriamanitra marina izy. Izany no niharan'ny fanamelohana faran'izay mafy tamin'izy ireo.
Toko faha-13
1 Tena toetra adala ny an'ny olona rehetra tsy nahalala an'Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an'Ilay misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an'ilay mpanao azy.2 Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon'ny lanitra, ny faribolan'ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao.
3 Raha renoky ny hatsaran-tarehin'ireo izy ka nanao ny zava-boahary ho Andriamanitra dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an'ireny.
4 Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany, aoka ho fantany amin'izany ny halehiben'ny fahefan'izay nanao an'ireny.
5 Satria ny fahamboniana sy ny fahatsaran-tarehin'ny zava-boahary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan'izy roa tonta.
6 Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra amam-paniriany hahita azy.
7 Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin'izay hitany.
8 Amin'izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo,
9 satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an'izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?
10 Mahantra loatra anefa izy, fa zava-tsy manan'aina no nanankinany ny fanantenany, izy izay miantso ny asan-tanan'olombelona ho Andriamanitra; dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana, ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana, asan-tanana fahataloha.
11 Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra; endahany amim-pahakingana avokoa ny hodiny; dia amboariny amim-pahaizana, ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana.
12 Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo, ka andrahoany hanina, hialany hanoanana.
13 Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony, fa vailanina sy tonontononana be ihany, dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro, ary noho ny fahaizany miasa dia manisy endrika azy izy, ka ataony sarin'olona na omeny endri-biby tsinontsinona.
14 Hosorany loko mena mivaivay izy, lokoiny mena ny ivelany rehetra, ary saronany loko ny panda rehetra.
15 Rahefa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany, apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin'ny vy.
16 Tandremany tsara fandrao miongana, fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny, satria sary vongana foana mila tohana ihany io.
17 Kanefa mivavaka amin'io izy ny amin'ny momba ny fananany, na ny fanambadiany, na ny zanany, ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe: miteny amin'ny zavatra tsy manan'aina.
18 Mangataka fahasalamana amin'izay tsy manan-kery izy; ary fiainana amin'izay maty, ary vonjy amin'izay tsy mahefa na inona na inona; mangataka ho tsara dia, amin'izay tsy afaka manetsika ny tongony.
19 Mba ho azo antoka ny filany tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan'ny asany; mangataka tanjaka izy amin'izay osa tanana indrindra.
Toko faha-14
1 Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana ny handeha eny ambonin'ny onja misamboaravoara: hazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny;2 fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary fahaizan'ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy.
3 Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, hianao izay nanori-dàlana eny amin'ny ranomasina, sy làla-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano.
4 Ka tamin'izany hianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin'ny loza rehetra mba hahazoan'ny olona rehetra hiondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy.
5 Tsy tianao hitoe-poana ny asan'ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin'ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin'ny zahatra, tsy maty fo aman'aina.
6 Ary fahiny, raha ringana ireo rapeto be avonavona, ny fanantenan'izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin'ny lakana, sady entin'ny tananao, ka namela loharanon-taranaka ho an'izao tontolo izao.
7 Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano.
8 Fa ny sampy asan-tanan'olombelona kosa, voaozona mbamin'izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an'io; iry kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny anaran'Andriamanitra;
9 fa samy halan'Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana.
10 Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao.
11 Noho izany, hosavana ny sampin'ny firenena fa zava-boaharin'Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an'ny fanahin'ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala.
12 Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan'ny olona tamin'Andriamanitra, ary ny mamorona an'izany no nitarika ny fahafatesana.
13 Tsy nisy ireny tamin'ny voalohany ary tsy hisy mandrakariva akory koa.
14 Ny fahadalan'ny olona no nampiditra izany tamin'izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain'Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky.
15 Misy ray vonton'alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin'ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin'ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremonia izy.
16 Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin'ny mpanapaka, dia nohajain'ny olona ny sary.
17 Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin'ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin'ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy.
18 Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon'ny mpanao sary.
19 Satria nila sitraka tamin'ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin'izay hahakanto ny sary.
20 Dia sodokan'ny hakanton'ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato.
21 Fandrika ho an'ny velona raha ny olona azon'ny fahoriana na teren'ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin'ny anarana tsy azo iombonana.
22 Tsy vitan'ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan'izy ireo an'Andriamanitra; fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany avy amin'ny tsy fahalalany koa, dia nantsoiny amin'ny anarana hoe fiadanana izany loza izany.
23 Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin'ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin'ny fomba hafahafa izy:
24 tsy nahalala menatra intsony izy na amin'ny toe-piainany, na amin'ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin'ny famadihana, na manitsakitsaka azy amin'ny fakam-badin'olona.
25 Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoan'olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to,
26 fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin'ny olona, fahalotoan'ny fanahy, heloka mifanohitra amin'ny fomban'olona, tsy faharetana amin'ny fanambadiana, fakam-badin'olona sy fahavetavetana.