Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-14

27 Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-pihaviana ary anton'ny ratsy rehetra.

28 Hafaliana tsy misy fotony no lalaon'izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin'ny andriamaniny. Milomano amin'ny haratsiana izy, ary mianiana tsy to mora foana.

29 Fa sampy tsy manan'aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony.

30 Hanjo azy anefa ny sazy tandrifin'izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin'ny sampy izy, ka notsiratsirainy amin'izay ny lalàna masina indrindra.

31 Tsy avy amin'ny herin'ny sampy nianianany izany, fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota, ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin'ny fivadihan'ny mpanohitra ny fivavahana.

Toko faha-15

1 Fa hianao, ry Andriamanitray ô, no tsara fo, mahatoky, mahari-po, ka mitondra ny zavatra rehetra amim-pamindram-po.

2 Na dia manota aza izahay, dia anao ihany; mahalala ny fahefanao; tsy te-hanota anefa izahay, satria fantatray fa isaina amin'ireo anao izahay.

3 Ny mahalala anao dia fahamarinana lavorary, ary ny mahalala ny fahefanao, no fototry ny tsy fetezana ho faty.

4 Tsy voasodoka izahay na tamin'ny zavatra noforonin'ny mpahay zavatra mamohehatra na tamin'ny endri-javatra voafotetaky ny loko samihafa volo, zava-poana nataon'ny mpanoso-doko;

5 ny fijery azy manetsika ny filan-dratsin'ny adala, izay mety ho raiki-pitia amin'ny endri-javatra tsy misy aina.

6 Fa efa raiki-po amin'ny ratsy izy ireo, ka tandrifin'ny fanantenana toy izany na izy manao, na ireo tia sy mivavaka amin'izany.

7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy: samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony, ka tanimanga iray ihany no namoronany fasian-javatra fanao amin'ny zavatra misy hajany, ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany: fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.

8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany no amoronany andriamanitra tsy izy, dia izy izay natao tamin'ny tany fahiny, sy mbola hiverina faingana amin'ny tany nangalana azy, rahefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.

9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany, na ny hafohin'ny andro iainany; fa maninana an'ireo manefy volamena sy volafotsy izy; maka tahaka an'ireo mpanefy varahina izy, ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodoka.

10 Manahaka ny lavenona ny fony, ambany noho ny tany ny fanantenany; ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.

11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy, izay nampiditra fanahy miasa ao aminy, sy nametraka fofon'aina taminy.

12 Nataon'izy io ho filalaovana ny fisiantsika; ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika; fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin'ny heloka aza.

13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin'izy rehetra, dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin'ny tany iray ihany.

14 Kanefa samy adala dia adala avokoa, ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza, ireo fahavalon'ny vahoakanao, izay manindry azy amin'ny fahoriana.

15 Satria nataon'izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin'ny firenena, izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery na ny vavorony hiaina rivotra, na ny sofiny hihaino, na ny rantsan-tanany hitsapa, ary tsy afa-mamindra ny tongony.

16 Olombelona no nanao azy ireny; izay nampindramina fofon'aina no namorona azy. Tsy misy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin'ny tenany akory.

17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manan'aina ihany no mety vitan'ny tànany mankahala ny fivavahana. Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy, fa izy manan'aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.

18 Anaovan'izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra, sy ratsy amin'ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy, ka tsy misy soa kely akory ao aminy mety hampitia azy toy ny endriky ny biby hafa;

19 ka mihataka amin'ny fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra.

Toko faha-16

1 Ka dia zava-boahary ihany koa no nanasaziana azy ireo an-drariny, sy nampijaliana azy tamin'ny biby sesehena.

2 Ary ho solon'izany loza izany kosa, dia soa no nomenao ny vahoakanao, dia nanafa-po ny fahalianany fatratra hianao, ka nanamboatra sakafo mahagaga ho azy, nanome papelika hohaniny.

3 Any ka ireo sasany moa na dia lian-kihinana aza, raha nahita ny biby kely nalefa hamely azy fa ratsy endrika, dia naloiloy ity zavatra nahaliana azy an-davanandro aza, fa ireto sasany kosa, avy niari-kanoanana kelikely foana, dia indro nankatelina hanim-baovao.

4 Satria tsy maintsy nampijalian'ny mosary, tsy azony andosirana ireo voalohany, ireo mpampahory; ireto an-daniny kosa, hanehoana fotsiny ihany ny fijaliana manjo ny fahavalony.

5 Ary tokoa izany, satria raha avy izay niaretan'ireto ny fisamontotry ny biby masiaka sy nahafatesany tamin'ny kaikitry ny menarana miolikolika, tsy naharitra hatramin'ny farany ny hatezeranao; fa kelikely foana ihany no nitebiteben'izy ireo, ho fananarana azy,

6 dia nahazo mari-pamonjena izy, mba hampahatsiaro azy ny didin'ny lalànao,

7 satria izay nitodika tany amin'izany dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan'ny masony anefa, fa noho hianao, Mpamonjy ny olona rehetra.

8 Sady naneho tamin'ny fahavalonay koa hianao tamin'izany, fa hianao no mahafaka amin'ny loza rehetra.

9 Satria, izy ireo moa, matin'ny kaiki-balala mbamin'ny moka, ka tsy hita izay azo natao hamonjena ny ainy, fa mendrika azy ny hosazina toy izany.

10 Ny zanaka kosa, tsy resin'ny kaiki-menarana be poizina, fa tonga namonjy sy nanasitrana azy ny indrafonao.

11 Mba hahatsiarovan'izy ireo indray ny teninao, no naharatra azy sy nahasitrana azy faingana indray, fandrao tonga hadinony daholo izany, ka very anjara amin'ny soa ataonao izy.

12 Tsy ahitra na fanafody no nahasitrana azy, fa ny teninao, ry Tompo, izay mahasitrana ny zavatra rehetra;

13 satria manam-pahefana hamelona sy hamono hianao; mitondra ho eo ambavahadin'ny fonenan'ny maty hianao, dia mamerina avy any indray.

14 Ny mamono no hain'ny olombelona noho ny haratsiam-panahiny; fa ny mamerina ny fanahy efa tafavoaka, na manafaka ny fanahy efa voarain'ny seoly dia tsy hainy.

15 Ny mandositra ny tànanao anefa, dia tsy azo atao.

16 Ry zareo mpanohitra fivavahana izay mihambo ho tsy mahalala anao, dia nokapohin'ny herin'ny sandrinao: rano be tsy fahita sy havandra, aman'orana tsy miantra no nampijaly azy, ary afo no nandevona azy.

17 Ny mahagaga indrindra dia izao: teo anatin'ny rano mamono ny zavatra rehetra, dia vao mainka nidedadeda ny afo; fa miady manampy ny marina izao rehetra izao.

18 Mbetika nihamalefaka ny lelafo, mba tsy hahalevona ny biby nalefa hamely ny mpanohitra ny fivavahana, ka ho fantany amin'ny fahitana an'izany, fa tanahin'ny fitsaran'Andriamanitra izy ireo.

19 Mbetika nidedadeda ao afovoan'ny rano izy; ka filelalela mahery noho izay antonina ny afo ny azy amin'izany, mba handevona ny vokatra rehetran'ny firenena tsy tia fivavahana.

20 Hafa lavitra amin'izany kosa ny amin'ny vahoakanao fa novokisanao hanin'anjely fa tsy miasa akory dia nomenao mofo voavoatra rahateo avy any an-danitra misy izay fankafizana rehetra, anandramana ny tsiro rehetra.

21 Izany zava-pihinana avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin'ny zanakao, ary izany mofo izany izay nifanaraka amin'izay irin'ny olona mihinana azy, dia nanjary izay tian'izy io.

22 Maharitra tsy miempo amin'ny herin'ny afo, ny oram-panala aman-dranomandry mba hahafantaran'izy ireo fa ny afo izay mirehitra ao amin'ny havandra, sy manjelanjelatra ao anatin'ny orana, dia mandevona ny vokatry ny fahavalony;

23 fa tsy nahalala intsony ny heriny, nony avy eo, mba hamelomany ny marina kosa.

24 Satria ny zava-boahary izay manaiky anao, Mpahary azy, dia manampatra ny heriny hampijaly ny ratsy fanahy; fa milefaka kosa hampahita soa an'izay matoky anao.

25 Ka noho izany dia nety nilefitra hanaraka izany fiovana rehetra izany ny zava-boahary, ka nanaiky ny didin'ny fahasoavanao, mpamelona ny zavatra rehetra, araka ny sitrapon'izay nanam-pilana avy:

26 mba hahalalan'ny zanakao tianao, ry Tompo, fa tsy ny voankazo samihafa karazana no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry an'izay mino anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1545