Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-16

27 Satria izay mahatoha ny herin'ny afo mandevona, dia miempo moramora, nony vao notanin'ny tanamasoandro kely foana:

28 hampianarana ny olona rehetra fa tokony hialoha ny masoandro, amin'ny fisaorana anao, sy fitsaohana anao, alohan'ny andro miposaka.

29 Fa ny amin'ny tsy mankasitraka kosa, dia hiempo toy ny ranomandry ririnina sy handeha toy ny rano foana.

Toko faha-17

1 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao; ka mivily ny hevitry ny fanahy tsy nahita fianarana.

2 Nony nitompoan'ny ratsy fanahy ny hevitra hoe: afa-mampahory ny firenena masina, dia voatanan'ny aizina sy voasaron'ny alina lava izy ireo. Ary tafahitsoka tao an-tranony izy ireo, ka niampatra teo, niery ny fitondranao tsy manam-piatoana.

3 Nony nihevitra izy fa ho afa-miery mbamin'ny fahotany miafina, dia tafahahaka tao ambanin'ny sarona mikitroky ny fanadinoana, azon-tahotra mahatsiravina ary nivadi-po tamin'ny matoatoa.

4 Ny fitoerana mangingina nihibohany, tsy naharo azy amin'ny tahotra: nisy feo mampihorin-koditra nikotrokotroka manodidina azy, ary nisy matoatoa niseho taminy tamin'endrika malahelo indrindra.

5 Tsy nisy afo afa-nanome hazavana ary ny lelafo manjopiaky ny kintana tsy afa-nanazava izany alina mahatsiravina izany.

6 Indraindray ihany no nisehoan' ny afo mivongana tamin'afo mirehitra ho azy, nampihorin-koditra; ka nivadi-po izy nahita izany zavatra tsy hita fototra izany, ka vao mainka noheveriny ho mahatsiravina kokoa aza ireo zavatra niseho ireo.

7 Tankina ny fahaiza-mahatsikaikin'ny mpanao fankatoavana, ary vaky terý ny maha-hosoka foana ny fahendrena nihamboin'izy ireo.

8 Nihambo ho mahay mandroaka ny tahotra aman-korohoro amin'ny fon'ny marary izy ireo; kanjo ny tenany indrindra ity no mararin'ny tahotra mahatsikaiky:

9 satria na tsy nisy zava-mahatahotra tokony hampitahotra azy akory aza, ny fiseran'ny biby, sy ny fisioky ny menarana fotsiny, dia nahatsiravina azy

10 ka efa ho fatin'ny tahotra izy; ary tsy tohany ny mijery izany rivotra tsy azon'iza na iza ialana.

11 Fa sarotahotra ny ratsy; ny tenany no nitsangan-ko vavolombelona hanamelo-tena; teren'ny fieritreretany dia ampitomboiny fihevitra mandrakariva ny loza.

12 Satria ny tahotra tsy inona akory, fa fanariana ny fahazoa-mamonjy tena, mety ho avy amin'ny fisainana.

13 Satria kely ny toky ao anatin'ny fo, dia mainka matahotra mafy ny olona tsy mahalala izay ihavian'ny fahoriany.

14 Izy ireo ary tamin'izany alina tsy anefana na inona na inona, alina nivoaka avy any amin'ny fanambanin'ny seoly tsy mahefa inona, dia samy azon-torimaso ihany,

15 dia mbetika mikofokofoka noho ny matoatoa mampitahotra, mbetika mivarahontsana azon'ny fahareraham-po, fa nirotsaka tampoka taminy sy tsy nampoiziny ny fivadiham-po.

16 Tahaka izany koa ny hafa rehetra na iza na iza dia samy lavo tsy nanan-kery avokoa samy voatana, toa voahiboka an-tranomaizina tsy misy hidiny.

17 Na mpiasa tany, na mpiandry ondry, na mpiasa revo tamin'ny lahasa mafy tany an-tsaha, samy tratry ny loza avokoa, latsaka an-katerena tsy azo nialana; fa samy voahazon'ny gadran'ny aizim-pito daholo.

18 Ny rivotra mifofofofo, ny hiran'ny vorona tsara feo teny amin'ny sampan-kazo mikitroka, ny firohondrohon'ny ranobe mandriana;

19 ny fikotrokotroky ny vato mikodia, ny firodorodon'ny biby tsy hita maso mifalihavanja, ny finaonaonan'ny biby masiaka, ny ako miverimberina tany amin'ny lavaky ny tendrombohitra, samy nahatoran'ny tahotra azy avokoa.

20 Fa izao rehetra izao nohazavain'ny fahazavana mamirapiratra, ka samy nanao ny asany tsy voasebantsembana avokoa.

21 Izy ireo kosa, voasaron'alina mavesatra, tandindon'ny aizim-pito tsy maintsy mandray azy; nefa navesatra taminy noho ny aizim-pito aza ny tenan'izy ireo.

Toko faha-18

1 Tamin'izany, nisy fahazavana lehibe kosa, nampirapiratra tamin'ny olonao masina; nandre ny feony ny Ejipsiana, fa tsy nahita tava azy; ary na inona na inona fijaliany dia nolazainy ho sambatra izy.

2 Ary noho izy ireo, na dia efa tsy nitondrana roa aza, tsy mba namaly ratsy dia nisaorany, ary nifonany tamin'ny nitondrany azy ho fahavalo.

3 Ho solon'izany aizina izany kosa, ny olonao masina dia nomenao andry afo, mpitari-dàlana amin'ny lalana tsy fantatra, masoandro tsy mahamay, amin'ny fivahiniany be voninahitra.

4 Rariny ho an-dry zareo ny tsy manan-kazavana, sy ny hosaronan'ny aizim-pito, fa notanany sy nogiazany ny zanakao, izay handraisan'izao tontolo izao ny hazavana tsy manam-piovana avy amin'ny lalanao.

5 Nikasa handringana ny zanak'ireo olonao masina izy ireo; narian-ko faty ary novonjena indray kosa ny iray tamin'ireny; dia ny ankamaroan'ny zanany nalainao tamin'ny famaizanao azy, ary izy rehetra, indray nosaforanao onja mirimorimo avokoa.

6 Nahalala izany alina izany mialoha, ny razanay, mba hahafantarany izay fampanantenana ninoany, ka hananany herim-po bebe kokoa.

7 Koa nandrasan'ny vahoakanao, ny famonjena ny marina, sy ny fandringanana ireo fahavalony.

8 Toraky ny namelezanao ny fahavalonay no nanandratanao anay kosa tamin'ny niantsoanao anay ho aminao.

9 Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masina moa nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin'ny soa sy amin'ny loza hitranga - nihira sahady ny hira masin'ny razanay.

10 Fa ho valin'ny feony kosa, dia nanakoako ny sakalahim-peon'ny fahavalo, ary re ny figogogogoana noho ny zanaka nitomaniana;

11 sazy iray namaizana ny mpanompo sy ny tompo; ary sahala ny fijaliana nahazo ny vahoaka sy ny mpanjaka.

12 Karazam-pahafatesana iray monja no nampisy tao amin'izy rehetra, maty tsy hita isa, ka tsy nahasahana ny fandevenana intsony, ny velona. Fa ny taranany filohany indrindra, no indray ringana vetivety foana.

13 Nandà tsy hino izy noho ny amin'ny ody ratsiny, kanjo nony avy izay nandringanana ny lahimatoa, dia niaiky izy fa zanak'Andriamanitra izany vahoaka izany.

14 Tamin'izay raha ilay saronan'ny fahanginana lehibe ny tany manontolo, dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,

15 dia niezaka avy any an-tampon'ny lanitra ny teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin'ny seza fiandrianany, nankeo afovoan'ilay tany voatolotra ho amin'ny fandringanana,

16 nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin'ny tany.

17 Niaraka tamin'izay nisy fahitana tamin'ny nofy mahatsiravina, nampitebiteby azy, ka tahotra tsy nampoizina no nahazo azy ireo.

18 Niongana atsy sy arý izy ireo, saiky maty, ka nanambara ny anton'ny mahafaty azy.

19 Fa efa nanambara izany taminy ireo nofy nampitebiteby azy mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay antony namelezana azy mafy toy izany.

20 Nihatra tamin'ny marina koa, ny famelezan'ny fahafatesana; fa nisy fandringanana ny maro tany an'efitra, kanefa tsy naharitra ela ny fahatezeranao.

21 Fa nisy ny lehilahy tsy manan-tsiny, niady faingana hiaro ny meloka; nandray fiadiana momba ny raharahany nataony, dia ny vavaka sy ny emboka fanonerana, ka nanohana ny fahatezeran'Andriamanitra, sy nampitsahatra ny loza; nampiseho fa mpanomponao izy.

22 Nandresy izany fikomiana izany izy, tsy amin'ny tanjaky ny vatany, na ny herin'ny fiadiana, fa ny teny no nampilefahany an'ilay namay azy tamin'ny nampahatsiarovany azy ny fianianana natao tamin'ny razana sy ny fanekena.

23 Efa lavo nifanongoa be ihany, ny maty tamin'izany, no nitsangan-kanelanelana izy, nanoha ny hatezerana, ka nanampin-dàlana ny Mpandringana tamin'izay sisa velona.

24 Fa teo amin'ny akanjo mirebareba amin'ny tany, izao tontolo izao; ny anarana be voninahitry ny razana dia voasokitra amin'ny vatosoa efatra an-dalana, ary teo amin'ny satroboninahiny teo an-dohany ny fiandriananao.

25 Ka nihemotra ny Mpandringana nahita izany famantarana izany, satria ampy na ny fitsapan'ny hatezeranao ihany aza.

Toko faha-19

1 Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin'ny farany; satria fantatr'Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1638