Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-13

17 Fihavanana inona no mety hananan'ny amboahaolo sy ny amboa? Fihavanana inona no mety hihavanan'ny mpanankarena sy ny mahantra?

18 Ny ampondra dia no firembin'ny liona any an'efitra; toy izany ny mahantra dia firembin'ny mpanankarena.

19 Halan'ny mpiavonavona, ny fietrena: toy izany koa halan'ny mpanana ny mahantra.

20 Raha ny manankarena no mangozohozo, tohanan'ny sakaizany; fa raha ny ambany kosa no lavo, vao mainka roahin'ny sakaizany.

21 Raha ny mpanana no potraka, maro no mamonjy azy; manao teny tsy misy heviny izy, ankatoavin'ny olona koa. Fa raha ny ambany no potraka, vao mainka koa tsinìna.

22 Raha miteny ny mpanana, mangina avokoa ny olona rehetra, sady deraina manakoako hatrany an-danitra ny lahateniny. Fa raha ny mahantra no miteny, ataony hoe: Mba iza koa io? ary raha manohina izy, alavon'ny olona.

23 Tsara ny harena, raha tsy mikambana amin'ny ota; ary ratsy ny fahantrana, eo am-bavan'ny mpankahala fivavahana.

24 Ny fon'ny olombelona dia manova endrika azy. Mahatonga azy ho tsara na ratsy izy.

25 Ny tarehy miramirana, no mariky ny fo faly: ny asan'ny fieritreretana, no ahitana foto-kevitra mahasoa.

Toko faha-14

1 Sambatra ny olona tsy nanota tamin'ny vavany, izay tsy mangan'ny nenina noho ny fahotana!

2 Sambatra izay tsy helohin'ny fanahiny, ka tsy mba very fanantenana ny Tompo!

3 Tsy mahasoa ny harena, amin'ny olona kafiry velona; ary inona no asan'ny harena amin'ny olona be fialonana?

4 Manangona ho an'ny hafa, izay manangona mahihitra ho an'ny tenany, ka ny hafa no mivelona amim-piadanana, amin'ny hareny.

5 Amin'iza no halemy fanahy izay loza be amin'ny tenany? Tsy mba hiadana amin'ny rakitry ny tenany izy.

6 Tsy misy ratsy mihoatra noho izay mifady ny zavatra rehetra, ary izany no tamby tandrifin'ny haratsiany.

7 Raha misy soa mba ataony, dia tsy fanahy iniana, ary hihariharian'ny haratsiany no iafarany.

8 Olon-dratsy izay mijery amin'ny maso misy fialonana, ka mihodivitra sy maneso ny fanahin'olona.

9 Tsy afa-pon'izay anjara tokana ny mason'ny kahihitra, ary mainan'ny fitsiriritana mandoza ny fanahy.

10 Minia tsy homan-kanina ny maso ratsy; ary noana eo anoloan'ny fihinany izy.

11 Anaka, manaova soa ny tenanao, araka izay anananao, ary manolora fanatitra mendrika, amin'ny Tompo.

12 Tsarovy fa tsy ho ela ny fahafatesana, ary tsy nambara taminao ny didim-paneken'ny seoly.

13 Manaova soa amin'ny sakaizanao, alohan'ny hahafatesanao, ary mitsora tanana, hanome azy, araka ny anananao.

14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana, ary aza avela hisy latsaka, ny faniriana tsara, na tapany aza.

15 Moa tsy havelanao ho an'ny hafa va, ny vokatry ny fisasaranao? Moa tsy hotapahina amin'ny filokana na an'iza na iza ny vokatry ny hasasaranao?

16 Manomeza ary mandraisa, ka ampifalio ny fonao, fa tsy misy hitadiavana izay fiadanana, any amin'ny seoly.

17 Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra, ary lalana navoaka hatramin'ny voalohany : ho faty tokoa hianao.

18 Toy ny ravina maitso eo amin'ny hazo be ravina; ny sasany ahintsany, ny sasany ampaniriny: toy izany ny taranaky ny nofo aman-dra; ny sasany maty, ny sasany vao velona.

19 Levona no hiafaran'ny asa mety levona rehetra, ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.

20 Sambatra ny olona misaintsaina ny amin'ny fahendrena, sy miteny amim-pahaizana mitsara zavatra;

21 izay mieritreritra ny lalany ao am-pony, ary mandinika ny zava-miafina ao aminy;

22 manenjika azy (fahendrena) mova tsy ny mpihaza, mikendry ny fidirany.

23 Miondrika hijery eo am-baravarankeliny, mihaino eo am-baravarany.

24 Miorim-ponenana manolotra ny fonenany indrindra, manatsatoka ny tsima-dainy eo amin'ny rindriny,

25 manangona ny lainy, manolotra azy, ary monina ao an-trano misy ny fahasambarana.

26 Mametraka ny zanany eo ambany fiarovany, ary mialoka eo ambanin'ny sampany.

27 Ho voaro amin'ny hafanana izy eo amin'ny alokalony, ary hiala sasatra ao anatin'ny voninahitra.

Toko faha-15

1 Izany no ataon'izay matahotra ny Tompo, ary izay miraikitra amin'ny lalana, hahazo ny fahendrena.

2 Izy hitsena azy toy ny reny, ary handray azy toy ny vady virjiny.

3 Hamahana azy mofom-pahazavan-tsaina, ary hampisotro azy ranom-pahendrena.

4 Koa dia hiankina aminy izy, ka tsy hiletsy, hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.

5 Hasandrany eo anatrehan'ny namany izy, ary hampiloa-bava azy eo amin'ny fivoriana.

6 Fifaliana, fehiloha firavoravoana, ary anarana mandrakizay no ho anjarany.

7 Ny adala tsy mba hahazo azy, (fahendrena) ary ny mpanota tsy hahita azy akory.

8 Mihataka lavitra ny olona mpiavona izy, ary ny olona fandainga tsy mihevitra azy akory.

9 Tsy ankasitrahana ny fiderana an'Andriamanitra eo am-bavan'ny mpanota, satria tsy mba ampitondrain'ny Tompo izany.

10 Fa tononin'ny fahendrena ny fiderana, ka ankasitrahan'ny Tompo izy.

11 Aza manao hoe: Ny Tompo no anton'ny niviliako, fa izay halany, tokony tsy hataonao.

12 Aza manao hoe: Izy no nampivily ahy, fa tsy mila izay mpanota akory izy.

13 Halan'ny Tompo ny fahavetavetana rehetra, ary izay matahotra azy, tokony tsy ho tia an'izany koa.

14 Tamin'ny voalohany, nahary ny olombelona izy, ary namela azy eo an-tanan'ny fisainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1508