Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-11
17 Azony atao ny milaza hoe: Nahazo fitsaharana aho, ka ndeha hihinana amin'ny fananako amin'izao. Tsy fantany anefa izay fotoana mbola ho lasa; hamela ny hareny ho an'ny hafa izy, dia ho faty.18 Aza mivadika ny fanekenao amin'Andriamanitra, ary miveloma amin'ny fiheverana izany, ary mihantera amin'ny asanao.
19 Aza gaga amin'izay raharahan'ny mpanota; mitokia amin'ny Tompo, ary mahareta amin'ny asanao. Fa zavatra mora foana eo imason'ny Tompo, ny mampanan-karena vetivety sy indray miserana monja ny mahantra.
20 Ny fanambinan'ny Tompo no valisoa ho an'ny olona tia vavaka; anatin'ny fotoana mihelina dia ahitana vokatra ny tso-dranony.
21 Aza manao hoe: Izaho moa mila inona indray? ary mety hanao ahoana ny fiadanako, amin'ny ho avy?
22 Aza manao hoe koa: Efa manana ny ampy aho; ka loza inona indray no mety hiaretako?
23 Amin'ny andro iadanana, hadino ny fahoriana; ary amin'ny andro mahory, tsy tsaroana ny fiadanana.
24 Fa zavatra mora eo imason'ny Tompo, amin'ny andro ahafatesana, ny mamaly ny olona araka ny lalany.
25 Tapak'andro ijaliana ihany, dia mampanadino ny hasambarana lasa, ary amin'ny fiafaran'ny olona, dia haharihariny ny asany.
26 Aza manao olona ho sambatra, alohan'ny fahafatesany: amin'ny zanany no hahafantarana ny olona.
27 Aza ampidirina ao an-tranonao avokoa izao olona rehetra izao, fa maro ny fandriky ny olona mpamitaka.
28 Sahala amin'ny tsipoy fihaza, ao an-tranony, ny fon'ny mpiavonavona; ary sahala amin'ny mpitsikilo no fikendriny ny faharavana.
29 Manova ny soa ho ratsy izy, mamela-pandrika; ary asiany pentina izay madio indrindra.
30 Kilalaon'afo iray monja mahatonga arina be; toy izany koa no itadiavan'ny mpanota am-pitaka ny handatsa-dra.
31 Tandremo ny ratsy fanahy, - fa mioko hanao ratsy izy, - ka sao dia petahany fahafaham-baraka tsy azo vonoina hianao.
32 Omeo fidirana ho ao aminao ny olon-kafa, dia azerany hianao amin'ny fananganana tabataba, ary hahodiny tsy ho tia ny ao an-tranonao.
Toko faha-12
1 Raha manao soa hianao, fantaro izay hanaovanao azy, dia hankasitrahan'ny olona ny soa ataonao.2 Manaova soa amin'ny olona tia vavaka dia hahita valisoa hianao, na tsy aminy aza dia amin'ny Tompo kosa.
3 Ny soa atao tsy mba ho an'izay mikiribiby amin'ny ratsy, na ho an'izay tsy mba manaraka ny fanaovan-tsoa.
4 Ny olona tia vavaka no omeo, fa aza izay mpanota no ampianao.
5 Manaova soa amin'izay voaetry ary aza manome izay mpankahala fivavahana; mandava tsy hanome mofo azy, ka aza omenao, fandrao tonga matanjaka noho hianao izy amin'izany; fa hovaliany ratsy avo sasaka, ny soa rehetra nataonao taminy.
6 Ny Avo Indrindra koa, mankahala ny mpanota; ary hanisy famaliana ny mpankahala ny fivavahana.
7 Ny olona tsara fanahy no omeo, fa aza manampy ny mpanota.
8 Ny sakaiza tsy manao izay hahamendrika azy hosazina, amin'ny fanambinana; ny fahavalo, tsy mamitsaka, amin'ny fahoriana.
9 Raha miadana ny olona, misaona ny fahavalony; idiran-doza izy, na ny sakaizany aza mihataka.
10 Aza matoky ny fahavalonao, na oviana na oviana; fa toy ny varahina saron'ny harafesina ny hasomparany.
11 Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy, mitandrema sy miarova tena aminy, dia ho tahaka an'izay mandambolambo fitaratra hianao, ho azy, ary ho hitanao fa tsy misy harafesina hatramin'ny farany izy.
12 Aza apetraka eo anilanao izy; fandrao aongany hianao, dia alainy ny fitoeranao; aza asaina mipetraka eo ankavananao izy, fandrao dia tadiaviny hitoerana ny fitoeranao, ka amin'ny farany, nony hahalala ny hamarinan'ny teniko hianao, dia hanana alahelo amin'ny fahatsiarovana ny teniko.
13 Iza no hangoraka izay mpanao fankatoavana, voakaikitry ny menarana, na izay rehetra manatona ny biby masiaka?
14 Torak'izany koa izay manao fikambanana amin'ny mpanota sy miombona amin'ny fahotany.
15 Miara-mitoetra aminao ora iray izy, fa raha mihataka hianao, tsy hihazona izy.
16 Ny fahavalo dia malefaka am-bava, nefa ao am-pony dia izay hamarinany anao an-davaka, no saintsaininy. Ny ranomaso, mitrahotraho amin'ny masony, nefa ny ranao no mahaliana azy, raha misy hahazoany mandatsaka azy.
17 Raha tra-doza hianao, dia hahita azy eo anoloanao, ary hody hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;
18 hikifikifi-doha sy hiteha-tanana izy nony efa izany, tsy hitsahatra ny hitakoritsika, dia hanao endrika hafa.
Toko faha-13
1 Izay mikasika ny dity dia voaloto, ary izay mikambana amin'ny mpiavona, zary manahaka azy.2 Aza mametraka enta-mavesatra eo an-tsorokao; ary aza mikambana amin'ny olona mahery sy manankarena noho hianao. Fikambanana inona no azon'ny vilany tany sy vilany varahina, atao? Hopohin'ny vilany varahina ny vilany tany, ka ho montsana io.
3 Ny manankarena manao ny tsy marina ary mangovitra ny hatezerana; ny mahantra asian-dratsy, no miala tsiny.
4 Raha mbola misy soa azonao atao aminy, ampiasainy hianao, ary rahefa tsy manan-katao aminy intsony hianao, dia ariany.
5 Raha mbola manana hianao, hiara-mitoetra aminao izy, hoendahany ny anananao, tsy ahoany akory izany.
6 Misy ilany anao va? hanangoly anao izy, hitsiky aminao, hampanantenantena anao, tsy handala teny soa aminao, ary hilaza aminao hoe: Inona no ilainao?
7 Hozezehiny fanasana hianao, mandra-panendaka anao indroa na intelo; ary amin'ny farany, hihomehezany hianao; rahefa izany hahita anao izy dia hilaozany hianao, sady hampandihy loha eo anatrehanao izy.
8 Mitandrema sao mety hoangoleny hianao, ary sao ho lavo amin'ny fietrena hianao ao anatin'ny fanambinana.
9 Raha ny manam-pahefana no miantso anao, mihemora hianao, ny vao mainka hanasa anao mafy no hataony.
10 Aza mankeo aminy tampoka, fandrao roahiny hianao; ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadino.
11 Aza mihevitra ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga, ary aza matoky ny resaka be ataony.
12 Fa hotsapainy amin'ny teniny mikararana hianao, ary hanontaniany, somary asiany hehy. Olona tsy manana antra izy, ka tsy hitana ao aminy izay teninao akory. Ary tsy hitsitsy famelezana na famoretana izy, aminao.
13 Mitandrema, ary mitandrema tsara, fa miara-mandeha amin'ny faharavanao hianao.
14 Ny zava-boahary miaina rehetra, dia ny mitovy aminy; ny olombelona rehetra tia ny namany.
15 Ny nofo rehetra miray araka ny karazany; ary ny olombelona rehetra mikambana amin'izay manahaka azy.
16 Fikambanana inona no mety hisy amin'ny amboadia sy ny zanak'ondry; toy izany koa ny amin'ny mpanota sy ny olona tia vavaka.