Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-9

15 Miresaha amin'ny olona manan-tsaina, ary ny amin'ny lalan'ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.

16 Aoka ny olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao; ary ny fahatahorana an'Andriamanitra no ataovy voninahitrao.

17 Ny tanan'ny olona kinga no hiderana ny asany, ary ny tenin'ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.

18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tananany, ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin'ny resany.

Toko faha-10

1 Ny mpanapaka hendry, mitana ny vahoakany ao anatin'ny fifehezany; ary ny fitondran'ny olo-manan-tsaina dia voalamina tsara.

2 Araka ny toetry ny filohan'ny vahoaka ihany no toetry ny mpandraharahany; ary araka ny fitondran'ny lehiben'ny tanana ihany no toetry ny mponina ao aminy.

3 Ny mpanjaka tsy mahalala, mahavery ny vahoakany, fa mandroso kosa ny tanana amin'ny fahiratan-tsain'ny mpitondra.

4 Eo an-tanan'ny Tompo, ny fahefana hanjaka amin'ny tany, ary amin'ny fotoana mety no ananganany olo-mahay ho eo.

5 Eo an-tanan'ny Tompo ny fahombiazan'ny olona; izy no mametraka eo an-kandrin'ny mpitondra ny fahefan-kifehy.

6 Na inona na inona natao taminao tsy an-drariny dia aza mitahiry lolom-po amin'ny namanao, ary aza manao na inona na inona, amin'izay asa fiavonavonana.

7 Ankahalan'Andriamanitra sy ny olombelona ny fiavonavonana; ary heloka eo anatrehan'izy roa tonta ny tsy fahamarinana.

8 Mifindra avy amin'ny firenena iray ho amin'ny firenen-kafa ny fanapahana noho ny tsy fahamarinana, ny fanevatevana, ary ny fitsiriritana ny harena.

9 Ahoana ange no iavonavonan'ny vovoka sy lavenona? fa ny rantsam-batany dia asiako fangozohozoana mandritra ny andro iaianany:

10 ny aretina, lava, ny mpanao fanafody, mihomehy; ary ny mpanjaka anio ho faty rahampitso.

11 Nony maty ny olona, dia ny olitra sy ny biby aman-kankana no anjarany.

12 Ny fiantombohan'ny fiavonavonana, dia amin'izay isarahan'ny olona amin'ny Tompo, sy amin'izay analavitan'ny fo an'Ilay nanao azy.

13 Satria ny fahotana no fiantombohan'ny fiavonavonana, ary izay miraikitra amin'izany mampiraraka ny fahavetavetana toy ny orana. Izany no anirahan'ny Tompo famaizana mahatalanjona, sy amelezany ny ratsy fanahy fandringanana tanteraka.

14 Aongan'ny Tompo ny seza fiandrianan'ny mpanapaka, ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy.

15 Fongoran'ny Tompo ny fakan'ny firenena, ka ny manetry tena no asosony hisolo azy.

16 Savorovoroin'ny Tompo ny faritanin'ny firenena, ka enjehiny horavana hatramin'ny fiorenan'ny tany.

17 Maro no lazoiny, dia aringany ny mponina ao; novonoiny tsy ho amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.

18 Tsy mba natao ho an'ny olona, ny fiavonavonana, na ho an'izay natera-behivavy, ny fahatezerana midaondaona.

19 Taranaka inona no hajaina? Ny taranak'olombelona. Taranaka inona no hajaina? Izay matahotra ny Tompo. Taranaka inona no tsiratsiraina? Ny taranak'olombelona. Taranaka inona no tsiratsiraina? Izay mandika ny didy.

20 Hajaina eo amin'ny rahalahiny ny mpitondra azy, toy izany koa eo imason'ny Tompo, izay matahotra azy.

21 Na mpanankarena, na andriana, na mahantra, dia ny fahatahorana ny Tompo no voninahiny.

22 Tsy rariny ny maniratsira ny mahantra manam-pahendrena; tsy mety ny manaja ny mpanota.

23 Manan-kaja avokoa ny lehibe, ny mpitsara, ny be fahefana, fa tsy misy lehibe noho ny matahotra ny Tompo amin'izy ireo.

24 Ny olona afaka, dia mpanompon'ny andevo hendry, ary ny olona manan-tsaina, tsy himonjomonjo.

25 Aza mampiady karajia raha hanao ny asanao, ary aza mirehareha, amin'ny andron'ny fahorianao.

26 Aleo ny olona miasa amin'ny zavatra rehetra toy izay ny mitsangantsangana sy be rehaka, nefa tsy manan-kanina.

27 Anaka, hajao ny fanahinao, amin'ny halemem-panahy, ary omeo azy ny haja mendrika azy.

28 Zovy moa no hanao ho marina izay olona manota amin'ny fanahiny? ary iza no hanaja izay manala baraka ny fiainany?

29 Hajaina ny mahantra noho ny fahaizany, ary hajaina ny mpanankarena noho ny hareny.

30 Fa izay hajaina ao anatin'ny fahantrana, dia hohajaina manao ahoana kosa ao anatin'ny harena? ary izay afa-baraka ao anatin'ny harena, dia ho afa-baraka manao ahoana kosa raha ao anatin'ny fahantrana?

Toko faha-11

1 Ny fahendren'ny olona manetry tena hanandratra ny lohany; ary hampipetraka azy eo afovoan'ny lehibe.

2 Aza midera olona, noho ny hatsaran-tarehiny, ary aza marikoriko aminy, noho ny amin'ny tarehiny.

3 Amin'ny biby manidina ny renitantely no kely, nefa ny vokany no voalohan-daharana amin'ny zava-mamy.

4 Aza mirehareha amin'izay fitafiana entinao, ary aza manandra-tena amin'ny andron'ny voninahitra. Fa mahagaga ny asan'ny Tompo, ary miafina ny asany eo amin'ny olombelona.

5 Maro no mpanapaka, tafatombina amin'ny ngorodona; ary izay tsy noheverin'ny olona kosa, no nitondra satroboninahitra.

6 Maro ny be fahefana, voatototry ny fanalam-baraka, ary ny olo-manan-daza, voatolotra eo an-tanan'ny hafa.

7 Aza manome tsiny, alohan'ny famotopotoranao; mandiniha aloha vao izay no hahazo mananatra hianao.

8 Aza mamaly na inona na inona raha tsy efa nihaino, ary aza miloa-bava, eny antenantenan'ny tenin'ny hafa.

9 Aza mifanditra amin'izay zavatra tsy anao, ary aza miara-mipetraka amin'ny mpanota, mba hitsara.

10 Anaka, aza entinao misahana zavatra maro ny fahavitrihanao; fa raha maro sahanina hianao, tsy hilaozam-pahadisoana. Raha manenjika zava-maro hianao, tsy hahatratra azy, ary tsy ho afaka amin'izany hianao mandositra.

11 Misy miasa, misasatra, manao haingana, nefa vao mainka mihamahantra.

12 Misy tsy manan-kery, miantso vonjy, tsy ampy tanjaka, ary be fahantrana:

13 fa ny Tompo kosa mitsinjo azy amin'ny maso miantra; manala azy amin'ny toetrany ambany, manandratra ny lohany, ka maro no gaga noho ny aminy.

14 Ny soa sy ny ratsy, ny fahafatesana sy ny fiainana, ny fahantrana sy ny fananan-karena, dia samy avy amin'ny Tompo.

15 Mipetraka amin'ny marina, ny fanomezan'Andriamanitra ary mandraikitra fiadanana mandrakizay ny fanambinany.

16 Misy manankarena noho ny fikajiana amam-pitsitsiana, ary izao no anjara tamby azony amin'izany:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1513