Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-19
8 Aza milaza izany, na amin-tsakaiza na amim-pahavalo, ary aza manambara izany, afa-tsy raha hahadiso anao, tokana.9 Fa raha reny hianao, hitandrin-tena izy aminao, ary mbola any ny andro, hisehoany ho fahavalonao.
10 Raha mandre resaka be vava hianao, ento maty izany, aza manan'ahiahy, tsy hampipoaka anao izany.
11 Raha misy teny iray tsy maintsy hotanany, dia mijaly ny adala, toy ny vehivavy mihetsi-jaza.
12 Sahala amin'ny zana-tsipika tafatsatoka amin'ny fe, ny teny iray amin'ny fon'ny adala.
13 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nanao izany izy; ary raha nanao ihany izy, dia tsy mba hanao izany intsony.
14 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nilaza izany izay, ary raha nilaza izany izy, dia tsy mba hamerina intsony.
15 Anontanio ny sakaizanao, fa matetika misy endrikendrika, ka aza mino izao lazain'ny olona rehetra izao hianao.
16 Misy mba diso ihany, nefa tsy fanahy iniana; ary zovy moa no tsy nanota tamin'ny lelany?
17 Anontanio ny sakaizanao, alohan'ny handrahonana azy, ary miraiketa hianao amin'ny fitandreman'ny lalan'ny Avo Indrindra.
18 Ny fahendrena rehetra, dia ao amin'ny fahatahorana ny Tompo; ary ao amin'ny fahendrena rehetra, ny fanatanterahana ny lalana.
19 Ny fahendrena, tsy mba ny fahaiza-manao ratsy; ary ny fahamalinana tsy mba hita amin'ny torohevitry ny mpanota.
20 Misy fahaizana tokony hankahalaina, ary misy hadalana izay tsy inona fa tsy fahampian'ny fahendrena.
21 Aleo olona kely fahiratan-tsaina matahotra an'Andriamanitra toy izay olona be fahazavan-tsaina mandika ny lalana.
22 Misy mahay tokoa nefa mandika ny rariny, ary misy mandainga amin'ny ady atsangany mba hampamoaka fitsarana araka ny iriny.
23 Misy ratsy fanahy mandeha manjoko azon'ny alahelo, ary feno fitaka ny fony.
24 Manondri-doha izy, marenina ilany izy, ary nony vao tsy jerijerena izy, dia ialohany hianao.
25 Ka raha tsy afa-manota izy, noho ny fahosany, dia hanao ratsy nony vao mahita hanaovana.
26 Ny tarehiny no hahalalana ny olona, ary ny endrika asehony no hahalalana ny hendry.
27 Ny fitafian'ny olona, ny fitsikin'ny molony, ary ny fandehan'ny olona no manambara ny toetrany.
Toko faha-20
1 Misy anatra tsy tandrifin'ny tokony hanaovana azy, ary misy mangina, maneho fahamalinana.2 Aleo mananatra, toy izay mirehi-katezerana ao am-po, ary izay mitsotra, dia hierem-patiantoka.
3 Sahala amin'ny eonoka maniry handoto zazavavy, izay mamoaka fitsarana, manao am-bohika fotsiny. Endrey, mba tsara loatra raha anarina ny maneho fanenenana! fa amin'izany no ahafahanao amin'ny fahotana iniana atao.
4 Misy miseho ho hendry, amin'ny fahanginana; ary misy tonga mahadikidiky noho ny tsy fahalalany onony amin'ny fitenenana.
5 Misy mangina, fa tsy mahita havaly; misy mangina fa mahalala ny fotoana mety.
6 Ny hendry mangina, mandra-pisin'ny fotoana mety; fa ny mahery vava sy tsy mihevitra kosa, mihoatra an'izany.
7 Izay mampitombo teny, hankahalaina, ary izay manaram-po loatra hanjary hahadikidiky.
8 Misy olona mahita zavatra mahasoa azy amin'ny fahoriana, ary ny fanambinana tsy nampoizina tonga loza ho azy.
9 Misy fanomezana, tsy ahazoanao n'inon'inona, ary misy fanomezana valiana avo sasaka.
10 Misy toe-draharaha be voninahitra, mampiditra fatiantoka; ary misy manandratra ny lohany, avy amin'ny fietrena.
11 Misy mividy zavatra betsaka mora vidy foana, izay mandoa izany impito hoatra ny vidiny.
12 Izay hendry am-pitenenana dia tiavin'ny olona, fa very maina kosa ny teny malefaka ataon'ny adala.
13 Tsy ahazoanao n'inon'inona ny fanomezan'ny adala, satria tsy mba tokana ny masony fa maro.
14 Kely fanome izy, ary be fandidy, ary miloa-bava toy ny mpiantso kabary. Anio izy mampisambotra, rahampitso izy mitaky, maharikoriko ny olona toy izany.
15 Hoy ny adala: Tsy manan-tsakaiza aho; ary tsy sitraky ny olona ny soa ataoko; ratsy vava izy mihinana ny mofoko.-
16 Impiry sy olona firy akory, no manao azy ho fihomehezana!
17 Aleo lavo amin'ny ngorodona toy izay lavon'ny lela; izany no mahatonga faingana ny faharavan'ny ratsy fanahy.
18 Ny olona mahasosotra, dia angano ivelan'ny fotoana, tsy afaka am-bavan'ny olona ratsy taiza.
19 Tsy raisin'ny olona ny fotokevitra aloaky ny vavan'ny adala, satria tsy mba lazainy amin'ny fotoana mety aminy.
20 Misy tsy afa-manota, noho ny tsy fananany, ary amin'ny fitsaharany, dia manam-panenenana izy.
21 Misy manary tena, noho ny henatra tsy an-drariny, ary latsaka am-paharavana noho ny fijerin'ny adala.
22 Misy mampanantena be ny sakaizany, noho ny henatra tsy an-drariny, ka mahatonga azy ho fahavalony maimaim-poana.
23 Manisy pentina mahamenatra amin'ny olona ny lainga: eo ambavan'ny olona ratsy taiza mandrakariva izy.
24 Aleo mpangalatra toy izay olona manao ny lainga ho raharahany; samy faharavana no ho anjaran'izy roa tonta.
25 Ny fomban'ny mpandainga manala baraka; ary ny henatry ny mpandainga, dia momba azy hatrany hatrany.
26 Izay hendry amin'ny teniny, dia misandratra fanajana, ary ny olona malina, mahazo sitraka amin'ny lehibe.
27 Izay miasa ny taniny hanangom-bary miavosa be, izay mahazo sitraka amin'ny lehibe, mahazo fanalana ny hadisoany.
28 Ny fanatitra amam-panomezana, mahajamba maso ny hendry; ary misakana ny tsiny, toy ny fehivavam-biby.
29 Fahendrena miafina, harena tsy hita: inona no asan'izy roa ireo?
30 Aleo olona manafina ny hadalany, toy izay olona manafina ny fahendreny.