Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-24

21 Izay mihaino ahy tsy ho menatra mandrakizay, ary na iza na iza, raha izaho no entiny miasa, tsy mba hanota.

22 Izany rehetra izany dia ny bokin'ny faneken'Andriamanitra Avo Indrindra, lalana nomen'i Moizy, ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.

23 Izany lalana izany no mahatondraka ny fahendrena tahaka an'i Fisona, tahaka an'i Tigra, amin'ny fotoanan'ny voankazo vao.

24 Mandefa onjam-pahalalana tahaka an'i Eofrata izy, tahaka an'i Jordany amin'ny taom-pijinjana.

25 Mampiboiboika ny fahaizana, tahaka ny Ony izy; tahaka an'i Gehona, amin'ny fotoam-piotazam-boaloboka.

26 Ny voalohany nianatra azy, tsy mahatapitra ny fahalalana azy; ary ny farany, tsy mbola nahatakatra azy,

27 Fa malalaka noho ny ranomasina ny sainy, ary lalina noho ny hantsana lehibe ny fisainany.

28 Ary izaho dia nisononoka toy ny lakan-drano avy amin'ny ony, tahaka ny tetezan-drano manondraka tanimboly mahafinaritra.

29 Hoy aho: Hanondraka ny tanimboliko aho, handena ny kisahasahako, ary indro fa tonga ony ny lakan-dranoko, tonga ranomasina ny oniko.

30 Koa mbola maniry hampamirapiratra ny fahendrena hoatra ny mazava atsinanana aho sy hampahalala ny foto-keviny any lavitra any.

31 Mbola iriko koa ny hampiely ny fampianarana, hoatra ny faminaniana, sy hamela azy ho lovan'ny taranaka any aoriana any.

32 Fantaro fa tsy miasa ho an'ny tenako irery aho, fa ho an'izay rehetra mitady ny fahendrena.

Toko faha-25

1 Misy zavatra telo ankasitrahako, sady tsara izy ireo eo anatrehan'ny Tompo sy ny olombelona: dia ny fifanarahan'ny mpirahalahy, ny fifankatiavan'ny mpihavana, ary ny fifanarahan'ny mpivady tsara.

2 Fa misy olona telo karazana halako, sady tena tsy tiako fiaina mihitsy: dia ny mahantra miavonavona, ny mpanana manambaka, ary ny anti-panahy manaram-batana, tsy misy saina.

3 Tsy nahangona na inona na inona hianao tamin'ny fahatanoranao, ahoana no hanananao amin'ny fahanteranao?

4 Zavatra tsara loatra ny itsaran'ny fotsy volo araka ny mety sy ny ahalalan'ny anti-panahy ny hevitra tsara!

5 Tandrifiny tsara ho an'ny anti-panahy ny fahendrena, ary ho an'izay hajaina, ny fahamalinana amam-pisainana.

6 Ny fehilohan'ny anti-panahy dia ny nahitany ny zavatra betsaka. Ny voninahiny, dia ny fahatahorana ny Tompo.

7 Misy zavatra sivy tombanan'ny foko ho mahafaly, ary ny iray fahafolo koa ankalazain'ny lelako. Ny olona mahazo hafaliana amin'ny zanany, izay ampy andro iainana, hahita ny faharavan'ny fahavalony.

8 Sambatra izay miara-monina amin'ny vehivavy manan-tsaina; mbamin'izay tsy manota amin'ny lelany. Sambatra izay nahazo sakaiza mahatoky, mbamin'izay tsy manompo tompo tsy manendrika azy!

9 Sambatra izay mahazo fahamalinana, sady mampianatra izany amin'ny sofina mitandrina!

10 Endrey ny halehiben'ny olona nahazo fahendrena! kanefa tsy ambony noho izay matahotra ny Tompo izy.

11 Mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fahatahorana ny Tompo; zovy moa no hampitahaina amin'izay manana azy? Ny fahatahorana ny Tompo no fiandohan'ny fitiavana azy, ary ny finoana no fiandohan'ny firaiketana amin'Andriamanitra.

12 Ny fahoriana rehetra anie, fa aza ny fahorian'ny fo; ny hasomparana rehetra anie, fa aza ny hasomparan'ny vehivavy!

13 Ny loza rehetra anie, fa aza ny loza afitsoky ny rafilahy, ny famaliana rehetra anie, fa aza ny famalian'ny fahavalo!

14 Tsy misy poizina ratsy noho ny poizin'ny menarana; ary tsy misy hatezerana lehibe noho ny hatezeran'ny vehivavy.

15 Aleoko miara-monina amin'ny liona sy ny dragona, toy izay miara-monina amin'ny vehivavy ratsy fanahy.

16 Manova endrika ny vehivavy ny haratsiam-panahiny, fa manamainty ny tarehiny tahaka ny lasaka.

17 Mba mandeha mipetraka eo amin'ireo sakaizany ny lahy, ka misento fatratra izy, mandre an'ireo!

18 Maivana ny haratsiana rehetra, miolotra amin'ny haratsian'ny vehivavy: aoka ny anjaran'ny mpanota hianjera aminy.

19 Sahala amin'ny fiakarana be fasika, amin'ny tongotry ny anti-panahy, ny vehivavy basivava amin'ny vadiny bonaika.

20 Aza mety ho sodokan'izay hatsaran-tarehim-behivavy, aoka tsy hisy vehivavy hamelom-paniriana anao.

21 Zava-mahatezitra, fahafaham-baraka aman-kenatra be vava raha vehivavy mamonona fivelomana ho an'ny lahy.

22 Hareraham-po, endrika malahelo, fahoriam-panahy; izany no vokatry ny vehivavy ratsy fanahy. Tanana osa, lohalika ketraka: izany no vokatra avy amin'ny vehivavy tsy manome hafaliana ny vadiny.

23 Vehivavy iray no niandohan'ny fahotana: ka izy no anton'ny hahafatesantsika rehetra.

24 Aza avela hanam-pivoahana ny rano, na hanam-pahefana akory ny vehivavy.

25 Raha tsy mandeha arak'izay itarihan'ny tananao azy izy, esory ho afaka amin'ny vatanao.

Toko faha-26

1 Sambatra ny vadin'ny vehivavy tsara fanahy, ary hampitomboina avo sasaka ny andro iainany.

2 Ny vehivavy mahery fo, dia fifalian'ny vadiny, izay miadana amin'ny taona iainany.

3 Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy, ary homena ho anjaran'izay matahotra ny Tompo izy.

4 Ravoravo ny fon'ny lahy, na manan-karena izy na malahelo, miramirana lava ny tarehiny na rahoviana na rahoviana.

5 Misy zavatra telo atahoran'ny foko, ary ny amin'ny fahefatra dia mivavaka eo anatrehan'ny Tompo aho: Ny resaka fanaratsiana ataon'ny tanana iray manontolo; ny fanozonan'ny be sy ny maro, ary ny fanendrikendrehana: halako noho ny fahafatesana, ireo zavatra rehetra ireo;

6 fa ny vehivavy mpialona ny vehivavy hafa, no dia fijaliam-po amam-pangirifiriana, sy ny fioky ny lela mamisavisa amin'ny olon-drehetra ny anton'ny alahelony.

7 Ny vady ratsy fanahy, dia toy ny omby miray jioga tsy mifanaraka, izay mitana azy io dia sahala amin'izay nahazo mambambohitra.

8 Zava-mahatezitra loatra, ny vehivavy manaram-po amin'ny divay, fa tsy hanarona ny fahamenarany akory aza izy.

9 Amin'ny fijeriny tsy valahara sy amin'ny fanaovany pi-maso no ahalalana ny hajangan'ny vehivavy.

10 Ataovy tsara fiambenana ny zazavavy maditra, fandrao mahita ny fitsirambinanao izy, ka hanaram-po amin'ny fahalotoana.

11 Mitandrema mba tsy hanaraka ny maso tsy mahalala henatra, fa raha tsy izany, aza gaga raha voatariny amin'ny ota hianao.

12 Toy ny mpivahiny mangetaheta manoka-bava, ka misotro izay rano rehetra sendra azy, ny vehivavy janga mipetraka eo anoloan'ny tsato-kazo rehetra sy manokatra ny fitoeran-jana-tsipikany amin'ny zana-tsipika.

13 Ny hasoan'ny vehivavy dia fifalian'ny vadiny, ary ny hazavan-tsainy mandrotsaka hery amin'ny taolany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1625