Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-22
23 Tsy hahamenatra ahy ny miaro ny sakaizako; ary tsy hiery aho eo anatrehany.24 Ka raha avy izay manjo ahy, amin'ny ataony, izay handre izany dia hitandrin-tena aminy avokoa.
25 Iza no hanisy fiambenana eo amin'ny vavako, sy fitomboka malina eo amin'ny molotro; mba tsy ho lavo aho noho ny amin'ireo, ka tsy ho verin'ny lelako?
Toko faha-23
1 Tompo o, ry Ray sy Tompo tokan'ny aiko, aza afoinao ho amin'ny hevitry ny molotro aho, ary aza avelanao aho hahita izay hahalavo ahy eo!2 Iza no hampahatsiaro kotopia ny hevitro, fifehezan'ny fahendrena ny foko, ka tsy hitsimbina ahy amin'ny hadalako, sy tsy hamela ahy hiarana amin'ny fahotana;
3 fandrao dia mitombo ny hadalako, sy mihamaro ny fahotako, ka lavo eo anoloan'ny rafilahiko aho, ary ho faly ny fahavaloko amin'ny momba ahy.
4 Ry Tompo, Ray sy Andriamanitry ny aiko, aza omena fanarana-maso aho,
5 ary avilio hiala amiko ny fanirian-dratsy.
6 Aoka tsy hahazo ahy, ny filan'ny nofo amam-panaranam-batana, ary aza atolotra amin'ny fanahy tsy maotina aho.
7 Anaka, henoy ny fifehezan'ny vava, fa izay hitandrina izany, tsy ho voafandrika.
8 Ho voafindriky ny molony ny mpanota, hahita izay hahalavo azy eo, ny mpifosa sy ny mpaniratsira.
9 Aza manazatra ny vavanao hanao fianianana: ary aza mihazatra hanonona ny anaran'Ilay Masina.
10 Fa toy ny mpanompo asiana fampijaliana matetika tsy mety ho afa-dratra; toy izany izay mianiana sy manonona tsy an-kijanona ny anaran'ny Masina, tsy mety ho afaka amin'ny fahotana.
11 Mampitombo ny tsy fahamarinana ny olona mahery mianiana, ka tsy hialan-kotopia ny tranony, raha nanao izay mahameloka azy izy dia ao aminy ny fahotany; raha tsy ahoany izany dia avo sasaka ny fahotany. Raha manao fianianana tsy marina izy tsy havela heloka, fa ho tototra famaizana ny tranony.
12 Misy teny miantso ny fahafatesana; tsy hisy izany anie, eo amin'ny lovan'i Jakoba! Lavitra ny olona tia vavaka izany rehetra izany; tsy mba miditra amin'izany fahotana izany izy.
13 Aza manazatra ny vavanao amin'ny fomba fiteny ambany ratsy, fa mitarika amin'ny fiteny mahameloka izany.
14 Tsarovy ny rainao sy ny reninao, raha mitoetra eo amin'ny lehibe hianao, fandrao raha manadino azy eo anatrehan'ireo hianao, tonga manao hadalana, noho ny fahazarana, ka hanjary maniry ny tsy ho nateraka akory, sy manozona ny andro nahaterahanao.
15 Ny olona zatra amin'ny fiteny ambany ratsy foana, tsy mba hahatratra ny fahendrena, na oviana na oviana.
16 Roa karazana ny olona mitombo fahotana; ary ny fahatelo miantso ny fahatezerana. Ny olona mirehitra ny fanirian-dratsy, hoatra ny afo midedadeda, tsy maty mandra-pahalevony. Izay tsy madio amin'ny nofon'ny tenany, tsy hijanona mandra-pirehitry ny afo:
17 Mamy avokoa ny hanina, amin'ny mpanaram-batana, ka tsy hijanona izy mandra-pahafatiny.
18 Ny olona mandao ny fandrian'izy mivady, dia manao anakampo hoe: Iza no hahita ahy? Ny aizina manarona, ny rindrina manakona ahy; ary tsy misy olona mitazana ahy; ka inona no hatahorako? Ny Avo Indrindra, tsy hahatsiaro izay fahotako akory.
19 Tsy manan-tahotra ny mason'ny olombelona, tsy fantany fa ny mason'ny Tompo mamirapiratra inarivo hoatry ny masoandro, ka voajeriny avokoa ny lalan'ny olombelona, ary takany hatrany amin'ny fitoerana maizina.
20 Fantatry ny Tompo, talohan'ny nahariana azy, izao tontolo izao; ary mbola fantany koa rahefa tanteraka ireny.
21 Hofaizina eny an-dalamben'ny tanana ny mpaka vadin'olona; ary amin'ny fotoana tsy nampoiziny akory, no hahavoazany.
22 Torak'izany koa ny vehivavy nandao ny vadiny, sy niteraka mpandova amin'ny firaisana amin'olon-kafa.
23 Satria voalohany, nandika ny lalan'ny Avo Indrindra izy; manaraka izany meloka tamin'ny vadiny izy; farany nanao fijangajanjgana izy, sy niteraka zaza, avy amin'ny ran'olon-kafa.
24 Hoentina eo anatrehan'ny fiangonana izy; ary ny famaizana hitsidika ny zanany.
25 Ny zanany tsy handatsa-paka, ary ny sampany tsy hitondra voa.
26 Hamela fahatsiarovana voan'ny fanozonana izy; ary ny fanalam-baraka azy, tsy ho faty na oviana na oviana.
27 Dia ho fantatr'izay ho avy any aoriana fa tsy misy tsara noho ny fahatahorana ny Tompo; tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny. Voninahitra lehibe ny manaraka ny Tompo; manalava andro iainana, ny miraikitra aminy.
Toko faha-24
1 Midera ny tenany ny fahendrena, ary manome voninahi-tena eo amin'ny vahoakany izy.2 Miloa-bava eo amin'ny fiangonan'ny Avo Indrindra izy, ary manome voninahi-tena eo anatrehan'ny fiandrianany, hoe:
3 Nivoaka avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra aho, ary nanarona ny tany, sahala amin'ny rahona.
4 Nonina tany amin'ny avo aho; ary ny seza fiandrianako, dia eo an-tampon'ny andry rahona.
5 Izaho irery no nahatety ny faritra manodidina ny lanitra, ary nitsangantsangana tany amin'ny halalin'ny hantsana.
6 Tanatin'ny onjan-dranomasina sy tambonin'ny tany rehetra, tamin'ny vahoaka rehetra, sy tamin'ny firenena rehetra dia nampiasa ny fahefako aho.
7 Teny amin'izy rehetra aho, nitady ny fitoerana ho fitsaharako, sy izay tany tsy maintsy honenako.
8 Tamin'izay nampitondra didy tamiko Ilay Mpahary ny zavatra rehetra; ary nampijanona ny laiko Ilay nahary ahy, ka nanao tamiko hoe: Monena amin'i Jakoba, aoka ho amin'Israely ny lovanao.
9 Izaho dia efa noharìna hatramin'ny voalohany, talohan'ny taona rehetra, ary tsy hitsahatra ny ho misy aho, hatramin'ny mandrakizay.
10 Nanao ny fandraharahana teo anatrehany aho, teo ami'ny tabernakla masina, ka dia nanana fonenan-draikitra tao Siona aho.
11 Nampijanona ahy toy izany koa izy tao amin'ny vohitra malala, ka dia ao Jerosalema no fipetrahan'ny fanjakako.
12 Nandatsa-paka aho teo amin'ny vahoaka be voninahitra, teo amin'ny anjaran'ny Tompo, teo amin'ny lovany.
13 Nisondrotra toy ny sedra eny Libana aho, sy tahaka ny sipresa, eny an-tendrombohitr'i Hermona.
14 Nisondrotra toy ny antrendry eny amoron-drano aho, sy tahaka ny raozy eny Jerikao; tahaka ny fototr'oliva tsara eny amin'ny tany lemaka, ary nisondrotra tahaka ny platana.
15 Nandefa fofona manitra tahaka ny kanela sy ny ditin-kazo manitra aho, ary nandraraka fofona mamerovero, toy ny mira voafantina, toy ny galbanoma, ny oniksa, ny stakta, ary tahaka ny eton'emboka eo amin'ny tabernakla.
16 Namelatra ny rantsako toy ny terebinta aho, ary ny sampako dia sampan'ny voninahitra amam-pahasoavana.
17 nandefa tsiry mahafinaritra, toy ny foto-boaloboka aho, ary voam-boninahitra aman-karena no avy amin'ny voniko. Renin'ny fitiavana madio, ny fahatahorana an'Andriamanitra, ny fahaizana ary ny fanantenana masina aho.
18 Avia aty amiko hianareo rehetra maniry ahy, ka mivokisa amin'ny voako hianareo.
19 Fa mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy, ary noho ny toho-tantely, ny fananana ahy.
20 Izay mihinana ahy mbola ho noana, izay misotro ahy mbola hangetaheta.