Bokin'i Jeremia
Toko faha-10
24 Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny, fa tsy ho araka ny hatezeranao, ka ataonao zary tsinontsinona aho.25 Ny firenena tsy mahalala anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolaniany Jakoba dia nolaniany, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!
Toko faha-11
1 Ny teny avy amin'ny Tompo natao tamin'i Jeremia toy izao:2 Mihainoa ny teny amin'izao fanekena izao, hianareo; ary mitenena amin'ny olona any Jodà, sy amin'ny mponina ao Jerosalema,
3 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamantr'Israely: Ho voaozona ny olona tsy mihaino ny tenin'ity fanekena ity,
4 izay nandidiako ny razanareo, tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, avy any amin'ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia hianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;
5 mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin'ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita anio izao. Ary izao no navaliko: Eny! Ry Iaveh ô!
6 Dia hoy Iaveh tamiko: Torio any an-tanànan'i Jodà sy eny an-dàlamben'i Jerosalema izany teny rehetra izany ka ataovy hoe: Henoy ny teny amin'ity fanekena ity, ka tanteraho amin'ny asa izany.
7 Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo aho nanao hoe: Henoy ny feoko!
8 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran'ny fo ratsiny; ka dia notanterahako taminy ny teny rehetra amin'ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.
9 Hoy Iaveh tamiko: Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin'ny olon'i Jodà, sy amin'ny mponin'i Jerosalema.
10 Fa izy ireo niverina ho amin'ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin'ny razany, ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà.
11 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo: Indro aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy ho henoiko akory.
12 Dia hiainga ny tanànan'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an'ireo andriamanitra anaterany emboka manitra; nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin'ny andron'ny fahoriany.
13 Fa araka ny isan'ny tanànanao, no isan'ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan'ny làlambe ao Jerosalema, no isan'ny otely natsanganareo ho an'ilay sampy maha-afabaraka, dia ireo otely anaterana emboka manitra ho an'i Baala.
14 Ary hianao, aza mifona ho an'ity firenena ity, na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy; fa tsy hihaino azy akory aho, raha avy izay hitarainany amiko, amin'ny andron'ny fahoriany.
15 Inona no hataon'ny malalako ao an-tranoko? Fihatsaram-belatsihy va? Moa va ny voady aman-kena masina, hahafaka anao amin'ny loza manindry anao, no mety mirobiroby amin'ny firavoravoana hianao?
16 Fototr'oliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen'ny Tompo anao. Ary tamin'ny horakoraka be, no nandrehetrany afo taminy, ka tapaka ny rantsany.
17 Iavehn'ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjo anao. Noho ny ratsy nataon'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà, izay nataony hihantsy ny hatezerako, tamin'ny fanaterana emboka manitra ho an'i Baala.
18 Nampahalalain'ny Tompo aho, ka nahalala; ... nampahafantarinao ahy tamin'izay ny ataon'izy ireo!
19 Izaho, tamin'izany, hoatra ny zanak'ondry bonaika entin'ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: Fongory mbamin'ny voany ny hazo! Esory eo amin'ny tanin'ny velona izy, ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!
20 Mitsara ara-drariny anefa Iavehn'ny tafika; mamantatra ny voa sy ny fo izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa hianao no efa nanankinako ny adiko.
21 Ka dia izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ireo olona ao Anatota, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'ny Tompo, raha tsy te ho fatin'ny tànanay hianao!
22 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin'ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho faty mosary; ary tsy hisy miangana aminy;
23 fa hahatonga loza amin'ny olona ao Anatota aho, amin'ny taona hamangiako azy.
Toko faha-12
1 Marina hianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin'ny rariny: Nahoana no ambinina ny làlan'ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?2 Ambolenao izy, dia latsa-paka, mitombo, mamoa; akaiky ny vavany hianao, fa lavitra ny fony.
3 Ary hianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy, sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao. Alao hoatra ny ondry entina ho vonoina ireny, ary atokany ho amin'ny andro famonoana.
4 Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin'ny saha rehetra? Noho ny haratsian'izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: Tsy hahita ny hiafarantsika izy!
5 Raha ny mandeha an-tongotra, iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao; hataonao ahoana no fifaninanana amin'ny an-tsoavaly? Raha ny tany nandry fahizay no hany anananao toky, hanao ahoana hianao, raha sendra ny liona eny amoron'i Jordany?
6 Fa na ny rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.
7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; izay tiako dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavaloko.
8 Zary toa liona an'ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako.
9 Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran'ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia hianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!
10 Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nanosihosy ny taniko; nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.
11 Nataony rava izany, ka indro fa lao dia misaona eo anatrehako; simba avokoa ny tany, satria tsy misy mandatsaka izany am-po.
12 Ny havoana rehetra any an'efitra dia ahatongavan'ny mpandrava avokoa, fa Iaveh manan-tsabatra mandevona amin'ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an'ny nofo rehetra na iza na iza.
13 Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy; nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany. Menara amin'ny vokatra azonareo; avy amin'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo izany.
14 Izao no lazain'ny Tompo amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko, izay mandramatra ny lova nomeko an'Israely vahoakako: Indro hongotako hiala amin'ny taniny izy ireo; ary hongotako hiala amin'izy ireo koa ny taranak'i Jodà.
15 Saingy rahefa voaongotro, dia hiantrako indray izy ireo. Ka samy ho entiko ho any amin'ny lovany, samy ho any amin'ny taniny avy.
16 Ary raha mianatra ny lalan'ny vahoakako izy, ka amin'ny anarako no hianianany hoe: Velona Iaveh! toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin'ny anaran'i Baala, dia ho voaorina eo amin'ny vahoakako izy.
17 Fa raha tsy mihaino kosa, dia hongotako izany firenena izany, hongotako sy haringako izy, - teny marin'ny Tompo.
Toko faha-13
1 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana mividy fehin-kibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin'ny valahanao fa aza atao anaty rano.2 Dia nividy ny fehin-kibo araka ny tenin'ny Tompo aho, ka nataoko tamin'ny valahako. 3 Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
4 Ento ilay fehin-kibo novidinao, izay efa eo amin'ny valahanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy. 5 Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron'ny Eofrata izy, araka ny nandidian'ny Tompo ahy. 6 Nony afaka andro maro be, dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna hianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehin-kibo nasaiko nafeninao any. 7 Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehin-kibo teo amin'ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indrý, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehin-kibo. 8 Ary tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: