Bokin'i Jeremia
Toko faha-13
9 Izao no lazain'ny Tompo: Toy izany no hahafoanako ny avonavon'i Jodà, sy ny avonavon-dehiben'i Jerosalema.10 Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditran'ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
11 Satria toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona, no nandraiketako ny taranak'Israely rehetra sy ny taranak'i Jodà rehetra tamiko, - teny marin'ny Tompo, mba ho vahoaka ho ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino ahy izy.
12 Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Rahefa mety ho siny tsy maintsy ho fenoina divay. Fa izy ireo hamaly anao hoe: Moa tsy fantatray va, fa rahefa mety ho siny tsy maintsy ho fenoina divay?
13 Ary hianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro ho fenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin'ity tany ity, mbamin'ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ny mpisorona amam-paminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.
14 Ary hampifandoniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin'ny zanany rehetra, - teny marin'ny Tompo; ka tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.
15 Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona, fa miteny Iaveh.
16 Manomeza voninahitra an'ny Tompo Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny aizina, dieny tsy mbola mipoka amin'ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo dieny mbola tsy novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho aizim-pito.
17 Raha tsy mihaino izany hianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin'i Jakoba.
18 Lazao amin'ny mpanjakalahy sy mpanjakavavy hoe: Mipetraha hianareo amin'ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satro-boninahitrareo.
19 Ny tanàna amin'ny tany atsimo, voahidy ary tsy misy mpamoha azy; Jodà manontolo lasan-ko babo; ka tanteraka indrindra ny fambaboana.
20 Atopazo ny masonao, ka jereo irery avy avaratra: Nankaiza ny andian'ondry nomena anao, dia ireo ondry voninahitrao?
21 Hanao ahoana kosa hianao, rahefa tendren'ny Tompo ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an'ny vehivavy raha miteraka?
22 Raha tahiny hianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao? ... Dia ny haben'ny helokao, no antony nanaingana ny moron-tongotr'akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.
23 Hahova ny hodiny va ny Etiopiana, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary hianareo va hety hanao ny tsara dia hianareo nozarina hanao ratsy?
24 Haeliko hoatra ny mololo indaosin' ny rivotra mifofofofo avy any an'efitra izy ireo.
25 Izany no anjaranao, anjara voalanjako, ho anao, - teny marin'ny Tompo, satria hianao nanadino ahy, sy nitoky tamin'ny lainga.
26 Ary izaho kosa dia hanainga ho eny amin'ny tavanao ny morotongotr'akanjonao, hahitan'ny olona ny mahafa-baraka anao.
27 Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin'ny asa vetaveta, eny amin'ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto hianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
Toko faha-14
1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia, ny amin'ny fahamainan'ny tany.2 Misaona Jodà, miferin'aina ny vavahadiny, mandry amin'ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
3 Irahin'ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin'ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.
4 Noho ny tany vaky entana, azon'ny tsy fisian'ny orana amin'ny tany, dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.
5 Ny serfavavy any an-tsaha aza, aterany ny zanany dia ilaozany, noho ny tsy fisian'ny ahitra.
6 Ny ampondra dia, mijanona eny amin'ny havoana, manimbolo rivotra hoatra ny amboadia; manjambena ny masony, noho ny tsy fisian'ny zava-maitso.
7 Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany hianao ho voninahitry ny anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
8 Hianao ilay fanantenan'Israely, sy mpanafaka azy amin'ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin'ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin'ny alina?
9 Nahoana hianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay ! -
10 Izao no lazain'ny Tompo ny amin'ity vahoaka ity: Eny, ny hirenireny atsý arý no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony Iaveh; dia indro hotsaroany amin'izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.
11 Dia hoy Iaveh tamiko: Aza mangataka ho an'ity vahoaka ity.
12 Rahefa hifady hanina izy, tsy ho henoiko ny fitarainany, rahefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy ankasitrahako; fa tiako haripaka izy amin'ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.
13 Ka hoy aho namaly: Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin'izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra hianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin'ity fiainana ity!
14 Dia hoy Iaveh tamiko: Lainga vinanin'ny mpaminany amin'ny anarako izany; fa izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy... Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.
15 Koa izao no lazain'ny Tompo: Ny amin'ireo mpaminany, maminany amin'ny anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin'ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!
16 Ny olona aminaniany koa: hatsipy eny an-dalamben'i Jerosalema, fa matin'ny mosary sy ny sabatra ka tsy hisy olona handevina azy, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy, fa harotsako amin'izy ireo ny haratsiany.
17 Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman'alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanakavavin'ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.
18 Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin'ny mosary. Ny mpaminany amam-pisorona avy no mirenireny any amin'ny tany tsy fantany.
19 Dia narianao avokoa va Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va Siona? Nahoana no dia kapohanao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
20 Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay; fa nanota taminao izahay.
21 Noho ny anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan'ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.
22 Mba misy mahalatsak'orana va ny sampy foanan'ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy hianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa hianao no antenainay, satria hianao no manao izany rehetra izany.
Toko faha-15
1 Fa izao no navalin'ny Tompo ahy: Na Moizy sy Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny fanahiko; roahy hiala eo anatrehan'ny tavako izy, ka aoka handeha!2 Ary raha tahiny izy manao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin'ny Tompo: Ny ho amin'ny fahafatesana, ho any amin'ny fahafatesana; ny ho amin'ny sabatra, ho any amin'ny sabatra; ny ho amin'ny mosary, ho any amin'ny mosary; ny ho amin'ny fahababoana, ho any amin'ny fahababoana.
3 Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin'ny Tompo dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin'ny tany, hihinana sy handringana.
4 Hataoko ho zavatra maharikoriko hàlan'ny fanjakana rehetra amin'ny tany izy ireo noho ny amin'i Manase, zanak'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, dia noho ny nataony tany Jerosalema.
5 Iza ary no hiantra anao, ry Jerosalema? Zovy no higogogogo noho ny manjo anao? Zovy no hivily làlana, hanontany ny amin'ny toetranao?
6 Efa nakifikao aho, - teny marin'ny Tompo, ka lasa nihemotra any hianao; ka indro kosa aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo aho.
7 Hokororohako amin'ny sahafa fikororohana eo amin'ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin'ny làlany izy.
8 Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy aho, ao amin'ny renin'ny mpiady tanora amin'ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
9 Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito, efa hiala aina izy; milentika mbola antoandro ny masoandrony; mangaihay sy safo-kenatra izy. Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, - teny marin'ny Tompo.