Bokin'i Jeremia

Toko faha-15

10 Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filana ady amam-pifandirana amin'ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!

11 Dia hoy Iaveh: Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin'ny andron'ny loza amam-pahoriana.

12 Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahana?

13 Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao, noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin'ny faritaninao rehetra;

14 ary hafindrako miaraka amin'ny fahavalonao, ho any amin'ny tany tsy fantatrao; fa nisy afo nirehitra tamin'ny fahatezerako; dia hirehitra eo amboninareo izy.

15 Mahalala izany hianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho, ary valio izay manenjika ahy. Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy; fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.

16 Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan'ny foko, satria nantsoina tamiko ny anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

17 Tsy mba nipetraka teo amin'ny fivorian'ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin'ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin'ny tànanao aho, satria nofenoinao hatezerana.

18 Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va hianao, ho tahaka ny rano tsy azo itokiana?

19 Koa izao no lazain'ny Tompo: Raha miverina amiko hianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan'ny tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin'izay tsinontsinona hianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy hianao no hiverina hanatona azy.

20 Hataoko manda varahana mafy ho an'ity vahoaka ity hianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin'ny Tompo.

21 Hanafaka anao amin'ny tànan'ny ratsy fanahy aho, ary hanavotra anao amin'ny tànan'ny mpanao an-keriny.

Toko faha-16

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo manao hoe:

2 Aoka hianao tsy haka vady, ary tsy hanana zanakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity:

3 Fa izao no tenin'ny Tompo: Ny amin'ny zanakalahy aman-janakavavy, teraka amin'ity tany ity; ny amin'ny reny miteraka azy, sy ny amin'ny rainy miteraka azy, amin'ity tany ity.

4 Izy ireo dia ho fatin'ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany. Ho fatin'ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan' ny voromanidina amam-bibin'ny tany.

5 Satria izao no lazain'ny Tompo: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin'izy ireo; fa ny fiadanako dia efa nesoriko tamin'ity firenena ity, - teny marin'ny Tompo, nesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantrako.

6 Amin'ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa, nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy; tsy hisy hiteti-tena na hibory noho ny aminy ny olona.

7 Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin'ny fisaonana, ho fampiononana azy raha mana-maty; ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana noho ny amin'ny ray na ny reny.

8 Aza mankeny amin'ny trano fanasana hianao, mba hiara-mipetraka aminy, hihinana sy hisotro.

9 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hatsahatro amin'ity tany ity, eo imasonareo sy amin'ny andronareo, ny hobim-pifaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran'ny mpampakatra, aman-kiran'ny ampakarina.

10 Rahefa lazainao amin'ity vahoaka ity, ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe: Ahoana Iaveh no mampandre anay mialoha izany loza lehibe rehetra izany? Inona ny helokay, ary inona no fahotanay, izay nataonay tamin'ny Tompo Andriamanitray?

11 Dia izao no holazainao azy: Noho ny nahafoizan'ny razanareo ahy, - teny marin'ny Tompo; sy andriamani-kafa no narahin'ireny, notompoiny, nivavahany; fa izaho nilaozany, ny lalàko tsy notandremany.

12 Hianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza; ka indro fa samy manaraka ny haratsian'ny fo ratsinareo hianareo, mba tsy hihaino ahy.

13 Ka hariako any ivelan'ity tany ity hianareo; ho any amin'ny tany tsy fantatrareo, na hianareo na ny razanareo; ary hianareo hanompo ny andriamani-kafa andro aman'alina; fa tsy hamindra fo aminareo aho.

14 Noho izany indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona Iaveh! izay nitondra ny zanak'Israely niakatra avy any amin'ny tany Ejipta;

15 fa hoe kosa: Velona Iaveh, izay nitondra ny zanak'Israely hiakatra avy any amin'ny tany avaratra, sy avy any amin'ny tany rehetra nandroahany azy. Fa hampodiko amin'ny tany efa nomeko ny razany izy.

16 Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin'ny Tompo, - ka hanarato azy ireo izy. Manarak'izany, hiantso mpihaza an-kamaroany aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.

17 Fa eny amin'ny làlany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan'ny tavako izany; ary tsy takona amin'ny fijeriko ny helony.

18 Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.

19 Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin'ny andron'ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin'ny faran'ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!

20 Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an'ny tenany? Tsy Andriamanitra akory anefa izany!

21 Koa indro hampahafantariko azy ireo amin'ity indray maka ity, hampahafantariko azy ireo ny tànako sy ny heriko dia ho fantany fa Iaveh no anarako.

Toko faha-17

1 Ny fahotan'i Jodà dia voasoratra tamin'ny vy fanoratana sy tamin'ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin'ny takelaky ny fony izany, sy eo amin'ny tandroky ny otelinareo.

2 Toy ny fahatsiarovany ny zanany, no fahatsiarovany ny oteliny aman'aserany, eny akaikin'ny hazo maitso sy eny amin'ny havoana manerinerina eny.

3 Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka, hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoerana avo, noho ny fahotanao, teo amin'ny faritaninao rehetra.

4 Havelanao ho tany foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoako ny fahavalonao any amin'ny tany tsy fantatrao hianao, satria narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin'ny mandrakizay.

5 Izao no lazain'ny Tompo: Ho voaozona ny olona izay mitoky amin'olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin'ny Tompo ny fony!

6 Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin'ny tany karankaina any an'efitra, any amin'ny tany sira, tsy misy mponina!

7 Hohasoavina ny olona mitoky amin'ny Tompo, sy manantena an'ny Tompo ho tokiny!

8 Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin'ny rano mandeha; tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

9 Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy?

10 Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny làlany, sy araka ny vokatry ny asany.

11 Tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny ; fa tsy maintsy mandao izany eny an-tenatenan'ny androny. ary ho adala foana no hiafarany

12 Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran'ny tranonay masina,

13 fanantenan'Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin'ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan'ny rano velona, Iaveh, izy ireo.

14 Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa hianao no fiderako!

15 Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin'ny Tompo? Aoka ho tonga izany!

16 Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao; tsy mba naniry ny andron'ny loza; fantatrao izany; ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan'ny tavanao.

17 Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy hianao; hianao no aroko amin'ny andro fahoriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1582