Bokin'i Jeremia
Toko faha-17
18 Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin'ny fanimbana roa sosona izy.19 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana hianao mitsangana eo ambavahadin'ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan'ny mpanjakan'i Jodà; sy eo amin'ny vavahady rehetra ao Jerosalema;
20 ka lazao amin'izy ireo hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo mpanjakan'i Jodà sy hianareo Jodà rehetra, mbaminareo rehetra mponina ao Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto. 21 Izao no lazain'ny Tompo: Tandremo ny fanahinareo; ka aza mitondra entana amin'ny andro sabata, ary aza mampiditra izany amin'ny vavahadin'i Jerosalema.
22 Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin'ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.
23 Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.
24 Raha mety mihaino ahy tsara hianareo, - teny marin'ny Tompo, ka tsy mampiditra entana, amin'ny vavahadin'ity tanàna ity, amin'ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin'izany andro izany,
25 amin'izany dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity, ny mpanjaka sy ny mpanapaka, mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesa aman-tsoavaly, izy sy ny mpanapaka momba azy, mbamin'ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.
26 Ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'i Jodà, sy amin'ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin'ny tanànan'i Benjamina, amin'ny Sefelà sy amin'ny tendrombohitra ary amin'ny negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman'emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'ny Tompo.
27 Fa raha tsy mihaino ahy hianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin'i Jerosalema amin'ny andro sabata, dia handrehitra afo eo ambavahadin'ny tanàna aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.
Toko faha-18
1 Ny teny nataon'ny Tompo tamin'i Jeremia, toy izao:2 Mitsangàna hianao, ka midìna ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any aho hampandre anao ny teniko. 3 Dia nidina ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny tao-zavany teo amin'ny ankodina fiasàny.
4 Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga. 5 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo toy izao: 6 Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon'io mpanefy tanimanga io, ry taranak'Israely? - teny marin'ny Tompo. Eny, toy ny tanimanga eo an-tànan'ny mpanefy, hianareo eo an-tànako, ry taranak'Israely.
7 Matetika aho miteny ny amin'ny firenena iray, ny amin'ny fanjakana iray hoe: hongotana, hazera, horavana.
8 Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana, mba miverina miala amin'ny haratsiany, dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy.
9 Matetika aho miteny amin'ny firenena iray, na amin'ny fanjakana iray, hoe: haorina sy hambolena.
10 Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany, tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy.
11 Ary amin'izao, mitenena amin'ny olona any Jodà, sy amin'ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho mamorona loza hanjo anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia hianareo miala amin'ny làlany ratsy, sy manitsy ny làlanareo aman'asanareo avy.
12 Izy ireo anefa manao hoe: Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran'ny fo ratsinay avy ihany.
13 Noho izany izao no lazain'ny Tompo: Manontania ny firenena hianareo: Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany? Fahavetavetana mahatsiravina no nataon'ny virjinin'Israely.
14 Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy eny an-tany lemaka, va ny oram-panalan'i Libàna? Hita ritra va ny rano avy lavitra, ka mangatsiatsiaka sy mandeha?
15 Fa ny oloko kosa efa nanadino ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin'ny sampy izy ireo eny amin'ny làlany, dia amin'ny làlana fahataloha, handehanany amin'ny sakeli-dàlana, dia amin'ny làlana tsy voasoritra;
16 Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanaka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.
17 Toy ny fanelin'ny rivotra avy atsinanana no anelezako azy, eo anoloan'ny fahavalony. Ny lamosiko fa tsy ny tavako no hasehoko azy ireo, amin'ny andro hiharan'ny loza aminy.
18 Dia hoy izy ireo: Andeha, hiray tetika hamely an'i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin'ny mpisorona, na ny hevitra ao amin'ny hendry, na ny tenin'Andriamanitra, ao amin'ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin'ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin'ny teniny isika.
19 Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh, ary henoy ny feon'ireo mandrafy ahy!
20 Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an'ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin'izy ireo!
21 Koa amin'izany hatolory ho amin'ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin'ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy dia ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin'ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin'ny ady!
22 Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony, rahefa tonganao tampoka ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana. Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo; sady efa nanafi-pandrika eo anoloan'ny tongotro.
23 Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô, ny fiokoan'izy ireo hamonoany ahy. Aza mamela ny helony; aza vonoina eo imasonao ny fahotany; fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy, ary hasianao amin'ny andro fahatezeranao.
Toko faha-19
1 Izao no voalazan'ny Tompo: Mandehàna mividy siny tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,2 ny loholona amin'ny vahoaka, sy ny loholona amin'ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma izay ao amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao. 3 Ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, mpanjakan'i Jodà sy mponina ao Jerosalema. Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hoentiko ho amin'ity fitoerana ity ny loza hampangintsingintsina ny sofin'izay mandre azy: 4 satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an'ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan'i Jodà; sady efa nameno ran'ny tsy manan-tsiny, an'ity tanàna ity.
5 Nanorina ireo fitoerana avo ho an'i Baala izy, handoroany ny zanany amin'ny afo ho sorona dorana ho an'i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.
6 Noho izany indro tamy ny andro, - teny marin'ny Tompo, tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe: Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinoma fa hoe lohasaha famonoana kosa.
7 Hofoanako amin'ity toerana ity ny fisainan'i Jodà sy Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony izy, sy amin'ny tànan'ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin' ny voromanidina sy ny bibin'ny tany.
8 Ary ity tanàna ity dia ataoko zavatra figagana sy fihomehezana; ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga sady hihomehy noho ny fahamanganana rehetra mahazo azy.
9 Hataoko mihinana ny nofon'ny zanany lahy sy ny nofon'ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy; fa latsaka an-katerana amam-pahoriana mafy izy azon'ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10 Rahefa izany, montsany eo imason'ireo olona tafaraka aminao ny siny,
11 ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamontsanana ny vilanin'ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tofeta no handevenana noho ny tsy fisian'ny tany handevenana. 12 Izany no hataoko amin'ity firenena ity, - teny marin'ny Tompo, - sy amin'ny mponina ao aminy, rahefa hataoko tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity.
13 Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'i Jodà, ho tonga sahala amin'ity fitoeran'i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidinana fanatitra araraka ho an'andriamani-kafa.
14 Tonga avy any Tofeta, izay nanirahan'ny Tompo haminaniany Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo ary nilaza tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
15 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hataoko mihatra amin'ity taranaka ity, sy amin'ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
Toko faha-20
1 Nandre an'i Jeremia nanonona izany faminaniana izany Fasora mpisorona zanak'i Emmera, izay mpitandrina ambony ny tranon'ny Tompo.2 Ary nikapoka an'i Jeremia mpaminany Fasora, nampamatotra azy amin'ny boloky hazo, tao amin'ny vavahady Avon'i Benjamina izay ao aminny tranon'ny Tompo.