Bokin'i Jeremia

Toko faha-24

1 Nampitazanin'ny Tompo aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan'ny tempolin'ny Tompo; ny nahatongavan'izany, dia taorian'ny nitondran'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, an'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, ny lehiben'i Jodà, ny mpandrafitra amam-panefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilona.

2 Ny iray tamin'ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 3 Ary hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Dia hoy ny navaliko azy: Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra. 4 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo manao hoe: 5 Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Tahaka ny fijery an'ireto aviavy tsara ireto no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin'i Jodà, izay nalefako avy amin'ity fitoerana ity, ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.

6 Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin'ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.

7 Homeko fo hahalalany ahy izy, hahafantarany fa Iaveh aho; ary ho Andriamaniny aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.

8 Ary toy ny ataon'ny olona amin'ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin'ny Tompo no hataoko amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, ny mpanapaka mbamin'izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin'ity tany ity, ary ireo monina any amin'ny tany Ejipta.

9 Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany, ho fandatsa, ho ambentin-teny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin'ny tany rehetra handroahako azy.

10 Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjo azy, mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin'ny tany, izay nomeko azy sy ny razany.

Toko faha-25

1 Teny tonga tamin'i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, taona voalohany nanjakan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona.

2 Teny notononin'i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin'ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe: 3 Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa, zanak'i Amona, mpanjakan'i Jodà, ka mandrak'androany, dia efa telo amby roapolo taona izay, no nahatongavan'ny tenin'ny Tompo tamiko, sy nitenenako taminareo, ka niteny taminareo hatramin'ny maraina aho; kanefa tsy nihaino hianareo. 4 Nirahin'ny Tompo taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahany hatramin'ny maraina; kanefa tsy nihaino hianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory. Hoy izy: 5 Samia hianareo miverina miala amin'ny làlan-dratsinareo sy amin'ny haratsian'ny asanareo avy, dia honina amin'ny tany nomen'ny Tompo anareo sy ny razanareo, amin'ny taona mifandimby hianareo. 6 Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra ahy amin'ny asan-tànanareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory aho. 7 Tsy nihaino ahy anefa hianareo, - teny marin'ny Tompo - ho fampahatezerana ahy tamin'ny asan-tànanareo, ary ho loza ho anareo. 8 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Noho hianareo tsy nihaino ny teniko, 9 dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin'ny Tompo, - hoentiko amin'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an'ity tany ity mbamin'ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin'ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay. 10 Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran'ny mpampakatra, ny hiran'ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary ny fahazavan'ny jiro. 11 Ity tany rehetra ity ho tany lao, ho efitra, ary ireto firenena rehetra ireto, hanompo ny mpanjakan'i Babilona, mandritra ny fitopolo taona. 12 Rahefa tapitra izany fitopolo taona izany, dia hampamoahiko ny amin'ny fahotany kosa ny mpanjakan'i Babilona sy izany firenena izany, - teny marin'ny Tompo, - ary koa ny tanin'ny Kaldeana, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.

13 Hataoko mihatra amin'izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin'ity boky ity, izay hovinanin'i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra. 14 Fa hampanompoin'ny firenena maro amam-panjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan'ny tànany avy. 15 Fa izao no nolazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely tamiko: Raiso ity kapoaky ny divaim-pahatezerako ety an-tànako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.

16 Hisotro amin'izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan'ny sabatra halefako ho eo afovoan'izy ireo. 17 Noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'ny Tompo, nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan'ny Tompo ahy, dia Jerosalema mbamin'ny tanànan'i Jodà, 18 ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao. 19 Faraona mpanjakan'i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra, 20 ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Otsa, ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina, Askalona, Gazà, Akarona, mbamin'ny sisa any Azota; 21 Edoma, Moaba, mbamin'ny taranak'i Ammona; 22 ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin'ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina; 23 Dedàna, Temà, Boza, mbamin'ireo rehetra miharatra fihirifana; 24 ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin'ireo firenena mifangaro monina any an'efitra; 25 ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin'ny mpanjaka rehetra any Media; 26 ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin'ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, etý ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesàka no hisotro manaraka ireo. 27 Lazao amin'izy ireo hoe: Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Misotroa hianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan'ny sabatra halefako ho eo afovoanareo. 28 Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tànanao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Hisotro hianareo! 29 Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny anarako ho fiarovana azy no nampiharako voalohany ny loza; ka hianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka hianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin'ny tany, ny sabatra, - teny marin'ny Tompo. 30 Ary hianao haminany izany zavatra rehetra izany amin'izy ireo, ka hilaza aminy hoe: Mitrena any ambony Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin'ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran'ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin'ny tany. 31 Re hatrany am-paran'ny tany, ny horakoraka; satria Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra, mifandahatra amin'ny nofo rehetra eo amin'ny fitsarana, manolotra ny ratsy fanahy amin'ny sabatra, - teny marin'ny Tompo.

32 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa. Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran'ny tany.

33 Ka amin'izany andro izany, hisy izay novonoin'ny Tompo, hatramin'ny faran'ny tany iray, ka hatramin'ny farany iray koa; tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eo ambonin'ny tany.

34 Midradradradrà, hianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin'ny vovoka, hianareo lehiben'ny ondry, fa tapitra amin'ny famonoana ny andronareo; hamely anareo aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy hianareo.

35 Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana; ny lehiben'ny ondry tsy hanan-kialofana.

36 Re ny fitarainan'ny mpiandry ondry, ary ny fidradradradran'ny lehiben'ny ondry, fa nosimban'ny Tompo ny tany fiandrasana azy.

37 Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava avy amin'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo!

38 Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin'izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan'ny hatezeran'ny mpandrava, eo anoloan'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo.

Toko faha-26

1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Jodàkima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, no nahatongavan'izao teny izao, avy amin'ny Tompo, ho amin'i Jeremia.

2 Izao no lazain'ny Tompo: Mitsangàna hianao eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, ka lazao amin'izay avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon'ny Tompo, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelana na dia teny iray aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1791