Bokin'i Jeremia
Toko faha-26
3 Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin'ny làlan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian'ny ataony. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Raha tsy manaiky ahy hianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo; 5 tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin'ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo, 6 dia hataoko tahaka an'i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ity tanàna ity. 7 Ren'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra ny nilazan'i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon'ny Tompo.8 Nony tapitra voalazan'i Jeremia avokoa izay nasain'ny Tompo nolazaina amin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: Ho faty hianao! 9 Ahoana no aminanianao amin'ny anaran'ny Tompo hoe: Ho tahaka an'i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity? - Dia nitangoronan'ny olona rehetra tao an-tranon'ny Tompo Jeremia. 10 Nony nandre izany zavatra izany ny loholon'i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka izy, nankao an-tranon'ny Tompo, ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady Vaovao amin'ny tranon'ny Tompo. 11 Dia hoy ny mpisorona amam-paminany tamin'ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjo ity tanàna ity, araka ny efa ren'ny sofinareo. 12 Fa niteny tamin'ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia nanao hoe: Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.
13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalànareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo. 14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tànanareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Fantaro anefa, fa raha mamono ahy hianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin'ity tany ity, ary amin'ny mponina eo aminy, satria Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. 16 Dia hoy ny loholona mbamin'ny vahoaka rehetra, tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany: Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika. 17 Ary ny sasany tamin'ny loholona amin'ny tany, nitsangana nilaza tamin'ny olona rehetra vory teo, nanao hoe: Tamin'ny andron'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, 18 Mikea avy any Moresheta dia naminany, ka nilaza tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly Siona; hanjary antontan-java-drava Jerosalema ary havoana mijoalajoala ny tendrombohitra misy ny tempoly. 19 Ka moa namono azy va Ezekiasa sy Jodà rehetra? Tsy natahotra an'ny Tompo ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin'ny Tompo va izy? Dia nanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana azy ireo. Ary isika kosa ve, hanao heloka be vava, hampidi-doza amin'ny fanahintsika?
20 Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin'ny anaran'ny Tompo, dia Oria, zanak'i Semeia, avy any Kariatiarima; izay novinanin'i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjo an'ity tanàna ity, sy ity tany ity. 21 Nandre ny teniny Joakima mpanjaka, mbamin'ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta. 22 Fa naniraka olona ho any Ejipta, Joakima mpanjaka, dia Elnatana, zanak'i Akobora, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. 23 Ka nalain'ireo hiala tany Ejipta, Oria, dia nentiny teo amin'i Joakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin'ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin'ny fasan'ny ankapobem-bahoaka. 24 Fa ny tànan'i Ahikama zanak'i Safana kosa dia nanohana an'i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
Toko faha-27
1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, dia izao no teny natao avy amin'ny Tompo tamin'i Jeremia.2 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Manaova fatorana sy jioga hianao, ka ataovy eo ambony vozonao.
3 Dia ampanatero izany ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma, ny mpanjakan'i Moaba, ny mpanjakan'ny taranak'i Ammona, ny mpanjakan'i Tira, ary ny mpanjakan'i Sidona, amin'ny alàlan'ireo iraka izay tonga taty Jerosalema ho any amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà: 4 Ka omeo teny hafatra ho an'ny tompony izy ireo ataovy hoe: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: 5 Izaho no nanao tamin'ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny tany sy ny olona mbamin'ny biby eto ambonin'ny tany, ary manome azy ho an'izay tiako. 6 Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tànan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin'ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy. 7 Hotompoin'ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan'ny fotoan'ny taniny indray kosa, ka hampanompoan'ny firenena maro amam-panjakana lehibe izy. 8 Izay firenena amam-panjakana tsy mety manaiky azy, dia Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin'ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona, io firenena io dia hovangiako amin'ny sabatra, amin'ny mosary, amin'ny pesta, - teny marin'ny Tompo, - mandra-pandringako azy amin'ny tànany.
9 Ary hianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na ny mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambaranareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan'i Babilona hianareo. 10 Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hitondrana anareo ho lavitra ny taninareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo. 11 Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan'ny mpanjakan'i Babilona sy hanompo azy, dia havelako handry fahizay eo amin'ny taniny, - teny marin'ny Tompo, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy. 12 Ary Sedsiasa mpanjakan'i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: ampidiro ho ambany jiogan'ny mpanjakan'i Babilona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona hianareo. 13 Nahoana hianareo, dia hianao sy ny vahoakanao, no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan'ny Tompo hanjo ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babilona? 14 Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan'i Babilona hianareo; fa lainga no vinaniny aminareo. 15 Tsy naniraka azy ireo aho, - teny marin'ny Tompo, - fa maminany lainga amin'ny anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia hianareo mbamin'ireo mpaminany maminany anareo. 16 Ary ny mpisorona mbamin'io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin'ny Tompo: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilona ny fanaky ny tranon'ny Tompo, fa lainga no vinaniny aminareo.
17 Aza mihaino ireo hianareo, fa maneke ny mpanjakan'i Babilona, dia ho velona hianareo. Nahoana no dia hatao tonga lao ity tanàna ity? 18 Raha mpaminany izy ireo ka ao aminy tokoa ny tenin'ny Tompo, aoka izy hifona amin'ny Tompon'ny tafika mba tsy ho lasa any Babilona ny fanaka sisa tavela ao an-tranon'ny Tompo sy ao an-tranon'ny mpanjakan'i Jodà ary ao Jerosalema. 19 Satria izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, ny amin'ireo andry, ranomasina, fototra mbamin'ny fanaka sisa tafajanona amin'ity tanàna ity, 20 izay tsy nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, fony izy nitondra ho babo, avy any Jersoalema, ho any Babilona, an'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny lehiben'ny Jodà sy Jerosalema rehetra. 21 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely, ny amin'ireo fanaka sisa ao an-tranon'ny Tompo, sy ao an-tranon'ny mpanjakan'i Jodà ary ao Jerosalema: 22 Hoentina any Babilona koa ireo, sady hitoetra any, mandra-pihavin'ny andro hamangiako azy, - teny marin'ny Tompo, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin'ity fitoerana ity indray aho.
Toko faha-28
1 Tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko teo an-tranon'ny Tompo, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra Hananiasa, mpaminany, zanak'i Azora, avy any Gabaona, nanao hoe:2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Efa notapahako ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona. 3 Roa taona sisa, dia haveriko amin'ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'ny Tompo, nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, avy amin'ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilona. 4 Ary hampodiko amin'ity fitoerana ity Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny babo rehetra amin'i Jodà lasa tany Babilona, - teny marin'ny Tompo, - fa hotapahako ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona. 5 Ary Jeremia mpaminany namaly an'i Hananiasa, mpaminany, teo anatrehan'ny mpisorona sy teo anatrehan'ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon'ny Tompo;
6 ka hoy Jeremia mpaminany: Amena! Hataon'ny Tompo anie izany! Ho tanterahan'ny Tompo anie ny teny vao avy novinaninao, amin'ny famerenany avy any Babilona ny fanaky ny tranon'ny Tompo mbamin'ny babo rehetra, ho amin'ity fitoerana ity indray.