Bokin'i Jeremia

Toko faha-32

44 Hovidin'ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombo-kase sy hangalana vavolombelona eo amin'ny tanin'i Benjamina, sy eo amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy eo amin'ny tanànan'i Jodà, eo amin'ny tanànan'ny tendrombohitra sy ny tanànan'ny Sefelah, ary amin'ny tanànan'ny negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin'ny Tompo.

Toko faha-33

1 Tonga fanindroany tamin'i Jeremia indray ny tenin'ny Tompo, raha mbola voafahy teo amin'ny kianjan'ny fiambenana izy, nanao hoe:

2 Izao no tenin'ny Tompo izay manao izany, dia Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no anarany:

3 Antsoy aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina, izay tsy fantatrao.

4 Fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ny amin'ireo trano eto amin'ity tanàna ity, mbamin'ireo tranon'ny mpanjakan'i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;

5 ary koa ny amin'ireo ndeha hiady amin'ny Kaldeana, mba hameno ireo trano ireo amin'ny fatin'olona, izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako, ary noho ny amin'ny haratsian'izy ireo ka hanafenako ny tavako amin'ity tanàna ity:

6 Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.

7 Hampodiko ny babo tamin'i Jodà sy ny babo tamin'Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.

8 Hodioviko izy ho afaka amin'ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin'ny helony rehetra izay nanevatevany ahy, izay niodinany tamiko.

9 Ary ny anaran'ity tanàna ity ho ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin'ny firenen-drehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.

10 Izao no lazain'ny Tompo: Eto amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe: Efitra tsy misy olona na biby; eo amin'ny tanànan'i Jodà, mbamin'ny araben'i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby,

11 dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran'ny mpampakatra aman-kiran'ny ampakarina, ny feon'ireo manao hoe: miderà an'ny Tompon'ny tafika, fa tsara Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony; ny feon'ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon'ny Tompo. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin'ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin'ny voalohany indray izy ireo.

12 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Eto amin'ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin'ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an'ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.

13 Eo amin'ny tanànan'ny tendrombohitra sy eo amin'ny tanànan'ny Sefelah sy eo amin'ny tanànan'ny negeba, eo amin'ny tanin'i Benjamina sy eo amin'ny manodidina an'i Jerosalema, ary eo amin'ny tanànan'i Jodà, dia mbola hizoran'ny biby fiompy eo ambanin'ny tànan'izay manisa azy, hoy Iaveh.

14 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak'Israely aman-taranak'i Jodà.

15 Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an'i Davida aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny tany.

16 Amin'izany andro izany Jodà, hovonjena; ary Jerosalema, handry fahizay, ka hantsoina hoe: Iaveh-fahamarinantsika.

17 Fa izao no lazain'ny Tompo: Davida tsy ho diso zanakalahy na oviana na oviana hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Israely.

18 Ireo levita mpisorona koa, tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako, hanolotra sorona dorana, hampanentona ny fanatitra, ary hanao ny sorona isan'andro isan'andro.

19 Ary ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Jeremia, toy izao:

20 Izao no lazain'ny Tompo: Raha mahafoana ny fanekeko amin'ny andro, sy ny fanekeko amin'ny alina, hianareo, ka efa tsy amin'ny fotoanany intsony, ny andro sy ny alina;

21 amin'izany, dia ho foana ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin'ireo lefitra mpirosona, manao ny fanompoana ahy.

22 Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina, sy toy ny fasika any amin'ny ranomasina tsy azo afatra, no hampitomboako ny taranak'i Davida mpanompoko, sy ireo levita manao ny fanompoana ahy.

23 Ary ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Jeremia, toy izao:

24 Tsy hitanao va ny lazain'ity vahoaka ity ataony hoe: Efa narian'ny Tompo ny fianakaviana roa nofidiny! Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza ity eo anatrehan'izy ireo.

25 Izao no lazain'ny Tompo: Raha tahiny aho tsy nanao fanekena amin'ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahan'ny lanitra sy ny tany,

26 dia amin'izay aho vao hanary ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ho tsy amin'ny taranany intsony no hangalako filohany ho an'ny taranak'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo aho.

Toko faha-34

1 Teny avy amin'ny Tompo, tonga tamin'i Jeremia, fony Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona mbamin'ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin'ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin'i Jerosalema mbamin'ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Mandehana hianao milaza amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro hatolotro ny mpanjakan'i Babilona ity tanàna ity ka hodorany. 3 Ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra marina tokoa hianao sy ho voatolotra eo an-tànany; ny masonao, hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babilona, izy hiteny mifanatrika aminao, ary hianao handeha ho any Babilona. 4 Henoy anefa ny tenin'ny Tompo, ry Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà! Izao no lazain'ny Tompo ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra hianao, 5 fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan'ny olona zava-manitra ho an'ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao hoe: Indrisy! ry tompo! satria izaho efa nilaza izany, - teny marin'ny Tompo. 6 Dia nolazain'i Jeremia mpaminany, tamin'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà tao Jerosalema, izany teny rehetra izany. 7 Tamin'izany ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona niady tamin'i Jerosalema sy tamin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin'i Lakisa sy tamin'i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin'ny tanànan'i Jodà, tamin'ny tanàna mimanda. 8 Teny avy amin'ny Tompo natao tamin'i Jeremia taorian'ny nanaovan'i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin'ny vahoaka rehetra tao Jerosalema, 9 hitory fahafana ho azy ireo mba handefasan'izy ireo ny ankizilahiny aman'ankizivaviny avy, dia ny lehilahy na vehivavy Hebrio, ka tsy hisy olona hitàna ny Jody rahalahiny ao amin'ny fanompoana intsony. 10 Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin'izany fanekena izany, ny handefa ny ankizilahiny aman'ankizivaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin'ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa. 11 Kanjo niova hevitra izy tatý aoriana fa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizilahy sy ho ankizivavy indray. 12 Koa tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'ny Tompo nanao hoe: 13 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanao fanekena tamin'ny razanareo aho, fony aho nitondra azy ireo, nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano nahandevozana, nanao hoe: 14 Samia hianareo mandefa ny Hebrio rahalahiny izay namidy taminy avy, rahefa afaka ny fito taona; enin-taona no hanompoany anao, dia halefanao ho afaka izy hiala ao aminao; tsy nihaino ahy anefa ny razanareo, na nanongilan-tsofina akory. 15 Fa hianareo kosa androany efa nody ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny nitorianareo fahafahana, samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko hianareo tao amin'ny trano iantsoana ny anarako. 16 Kanjo niova hevitra indray hianareo ity, ka manevateva ny anarako, samy namerina ny ankizilahy aman'ankizivavy izay efa nalefanareo sy navelanareo hizaka tena avy hianareo, sy nanery azy ho tonga ankizilahy aman'ankizivavy indray. 17 Koa izao no lazain'ny Tompo: Tsy nihaino ahy hianareo fa tsy nitory fahafahana ho an'ny rahalahiny sy ho an'ny namany avy; koa indro izaho kosa mitory fahafahana ho anareo, - teny marin'ny Tompo. Halefako hianareo ho amin'ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko ho zavatra fampitahorana any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany. 18 Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin'ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr'ombalahy nosasahina roa handehanany eo anelanelan'ny tapany avy, 19 dia ny filohan'i Jodà, ny filohan'i Jerosalema, ny eonoka amam-pisorona mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany namaky teo anelanelan'ny tapaky ny vantotr'ombalahy. 20 Hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'ireo mitady ny ainy izy ireo, ho hanin'ny voromanidina amam-bibin'ny tany ny fatiny. 21 Sedesiasa mpanjakan'i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tànan'ny fahavalony, eo an-tànan'ireo mitady ny ainy, eo an-tànan'ny tafik'i Babilona izay efa lasa niala taminareo. 22 Indro manome didy aho, - teny marin'ny Tompo - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan'i Jodà.

Toko faha-35

1 Ny teny avy amin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia, tamin'ny andron'i Joakima mpanjakan'i Jodà, nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1747